Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:1-10. Jereo amin’izay ilay sary. Inona no diso eo? Soraty eto ambany ny valin-teninao.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nahoana ny apostoly no afaka nanao fahagagana? Inona àry no azontsika antenaina? Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4; 22:2.

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

Ato Amin’ity Gazety Ity

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 5 Hanao ahoana ny ankizy raha ampahafantarina ny tsara sy ratsy, dieny mbola kely? Ohabolana 22:․․․

PEJY 5 Inona no nataon’Andriamanitra avy tamin’ny olona anankiray? Asan’ny Apostoly 17:․․․

PEJY 11 Inona no vokatry ny teny soa? Ohabolana 12:․․․

PEJY 23 Iza no atao hoe lehibe, eo anivon’ny Kristianina? Lioka 9:․․․

Fantatrao Tsara ve i Ehoda Mpitsara?

Vakio ny Mpitsara 3:12-30 ary valio ny fanontaniana eto ambany.

4. ․․․․․

Avy amin’ny fokon’iza izy?

5. ․․․․․

Nanafaka ny Israelita tamin’ny mpanjaka iray izy. Iza io mpanjaka io?

6. ․․․․․

Marina sa diso? Velona talohan’i Davida Mpanjaka izy.

IARAHA-MIDINIKA:

Vakio ny Mpitsara 3:15, 28. Nahoana i Jehovah no nifidy an’i Ehoda? Iza no nomen’i Ehoda voninahitra, rehefa nandresy izy? Inona no tokony hataonao rehefa manana olana? Nahoana?

◼ Valiny, pejy 29

VALIN’NY PEJY 31

1. Samy teo i Petera sy Jaona.

2. Nalemy tongotra ilay lehilahy fa tsy jamba.

3. Teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly ilay lehilahy, fa tsy tany ambanivohitra.

4. Benjamina.—Mpitsara 3:15.

5. Eglona.—Mpitsara 3:14.

6. Marina.