Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hizakako ny Alaheloko fa Maty i Neny?

Ahoana no Hizakako ny Alaheloko fa Maty i Neny?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hizakako ny Alaheloko fa Maty i Neny?

“Kivy aho rehefa maty i Neny, ary tsy hitako izay hatao. Izy mantsy no kofehy nampiray ny fianakavianay.”—Kanto. *

AZO inoana fa tsy misy zavatra mampalahelo be anao noho ny hoe maty ny reninao. * Efa mafy aminao ny mizaka ny alahelonao, nefa tsy maintsy mbola hiatrika ny hoavy koa ianao, izay mety ho hafa tanteraka noho ny nantenainao.

Nanantena angamba ianao hoe ho eo ny reninao rehefa hahazo diplaoma ianao, na koa hiara-paly aminao izy rehefa hanambady ianao. Tsy ho tanteraka anefa izany izao ka malahelo ianao, na kivy, na tezitra mihitsy aza. Ahoana no hiatrehanao an’izany?

‘Ara-dalàna ve ny fihetseham-poko?’

Raha vao fantatrao fa tena maty marina ny reninao, dia nikorontana be ny fihetseham-ponao, ary mbola tsy nahatsapa toy izany mihitsy ianao. Matin’ny aretim-po ny dadan’i Bary tamin’izy vao 13 taona. Hoy izy: “Tsy nisy azonay mianakavy natao afa-tsy ny nitomany sy nifamihina, tamin’ilay alina nahafatesany.” Matin’ny kansera ny dadan’i Niry tamin’izy folo taona. Hoy izy: “Tsy haiko hoe inona no fihetseham-po tokony ho tsapako tamin’izay. Tsy nisy fihetseham-po mihitsy aho.”

Tsy mitovy ny fihetsiky ny olona rehefa misy maty. Milaza ny Baiboly fa “samy” manana ny “fahoriany sy ny fijaliany ny tsirairay.” (2 Tantara 6:29) Ataovy an-tsaina izany ary eritrereto izay vokatry ny fahafatesan’ny reninao eo aminao. Soraty eto ambany hoe: 1) Inona no tsapanao tamin’ny vao maty ny mamanao? Ary 2) inona no tsapanao izao? *

(1) ․․․․․

(2) ․․․․․

Mety ho hitanao avy amin’ny valin-teninao fa efa tsy dia mikorontana be intsony ny fihetseham-ponao. Ara-dalàna izany. Tsy midika izany hoe hadinonao ny mamanao. Mety ho hitanao koa anefa fa mbola tsy tony ny fihetseham-ponao, na vao mainka aza mikorontana. Toy ny onja misamboaravoara izay ‘mianjera tampoka eny amin’ny morontsiraka’ angamba ny alahelonao. Mbola ara-dalàna koa izany, na dia efa an-taonany maro aza no nahafatesan’ny mamanao. Ahoana anefa no ahazakanao ny alahelonao na ahoana na ahoana fisehony?

Fomba hizakana ny alahelo

Aza tazonina ny ranomaso! Maivana kokoa ny alahelo rehefa mitomany. Mety hitovy hevitra amin’i Soa anefa ianao. Maty ny reniny tamin’izy 19 taona. Hoy izy: “Nanahy aho sao hoheverin’ny olona ho tsy manam-pinoana raha mitomany be eo.” Eritrereto anefa izao: Lavorary i Jesosy Kristy, sady nanana finoana matanjaka. ‘Nirotsaka [anefa] ny ranomasony’ rehefa maty i Lazarosy namany. (Jaona 11:35) Aza misalasala ny hitomany àry. Tsy midika mantsy izany hoe tsy manam-pinoana ianao! Hoy i Soa: “Nigogogogo be aho tatỳ aoriana, ary isan’andro mihitsy aza.” *

Miresaha amin’ny hafa raha mahatsiaro ho meloka ianao. Maty ny renin’i Kanto tamin’izy 13 taona. Hoy izy: “Nandeha namita iraka i Dada tamin’izay, ary nasainy nikarakara an’i Neny izaho sy ny zokiko vavy. Fahazarako ny manoroka an’i Neny isaky ny alohan’ny hatory. Tsy nanao izany anefa aho indray alina. Maty i Neny ny maraina! Nahatsiaro tena ho meloka aho, satria tsy nankany aminy tamin’io alina io ary mbola natory maraina koa. Rehefa nandeha nijery azy aho, dia efa tsy niaina intsony izy. Nanenina mafy aho, satria tsy naninon-tsy naninona izy tamin’i Dada niala teto!”

Manamelo-tena toa an’i Kanto koa angamba ianao, satria nisy zavatra nataonao an-tsirambina. Mety hilaza foana ianao hoe: “Tahaka izay...” ‘Tahaka izay aho nampirisika an’i Dada hitondra an’i Neny tany amin’ny dokotera.’ ‘Tahaka izay aho nijery an’i Neny taloha kokoa.’ Tadidio izao raha mieritreritra toy izany foana ianao: Ara-dalàna raha manenina ianao noho ireo zavatra tsy nataonao. Ho nanao izany mantsy ianao raha fantatrao izay hitranga. Tsy fantatrao anefa hoe inona no hiseho. Tsy tokony hanamelo-tena àry ianao. Tsy ianao no nahatonga azy ho faty! *

Lazao izay tsapanao. Hoy ny Ohabolana 12:25: ‘Mahafaly ny fo ny teny soa.’ Mety ho sarotra aminao ny hizaka ny alahelonao raha koboninao. Raha miresaka ny fihetseham-ponao amin’ny olona atokisanao kosa ianao, dia hahazo “teny soa” hampahery anao amin’ny fotoana tena ilanao azy. Nahoana àry raha andramana ny iray na ny maromaro amin’ireto soso-kevitra ireto?

Miresaha amin’ny dadanao. Marina fa mafy aminy ny namoy ny vadiny, nefa azo antoka fa te hanampy anao koa izy. Lazao aminy àry izay tsapanao. Azo inoana fa hanamaivana ny alahelonao sy hampifanatona kokoa anareo mianaka izany.

Mba hanampiana anao hanombo-dresaka, dia andramo izao: Soraty ny zavatra roa na telo tianao ho fantatra momba ilay reninao. Anontanio an’i dadanao ny iray amin’izany. *

․․․․․

Miresaha amin’ny namanao akaiky. Milaza ny Baiboly fa “natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana” ny tena namana. (Ohabolana 17:17) Hoy i Soa: “Olona tsy ampoizinao mihitsy no mety hanampy anao. Aza misalasala miresaka ny fihetseham-ponao àry.” Marina fa mety ho somary sarotra ny mifampiresaka toy izany, satria tsy mora aminao na ilay namanao ny mahita ny teny tokony holazaina. Handraisanao soa maharitra anefa ny firesahanao ny alahelonao amin’ny hafa. Matin’ny aretim-po ny dadan’i Dany raha vao sivy taona izy. Hoy izy: “Nokoboniko ho ahy samirery ny alaheloko. Raha nozaraiko tamin’ny hafa anefa izany, dia ho nahasoa ahy. Nety ho zakako kokoa ilay izy.”

Miresaha amin’Andriamanitra. Azo inoana fa ho maivamaivana kokoa ianao rehefa avy ‘mamboraka ny ao am-ponao’ amin’i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 62:8) Tsy natao hanamaivanana anao fotsiny anefa ny vavaka. Rehefa mivavaka ianao, dia mitalaho amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, izay “mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra.”—2 Korintianina 1:3, 4.

Mampionona antsika amin’ny alalan’ny fanahy masina, ohatra, Andriamanitra. Afaka manome “hery fanampiny” ho anao izy io, mba hahazakanao ny alahelonao. (2 Korintianina 4:7) Manome antsika “fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina” koa Andriamanitra. (Romanina 15:4) Angataho aminy àry ny fanahiny, ary makà fotoana hamakiana fampaherezana avy ao amin’ny Teniny dia ny Baiboly. (2 Tesalonianina 2:16, 17) Nahoana raha atao lisitra ireo andinin-teny tena mampahery anao, ary atao amin’ny toerana mora hita? *

Hifarana ihany ve ny alahelo?

Tsy misinda vetivety ny alahelo. “Tsy afaka mandresy azy io avy hatrany ianao”, hoy i Rojo izay maty reny tamin’izy 16 taona. “Imbetsaka aho no mitomany amin’ny alina. Amin’ny fotoana sasany anefa, dia tsy ataoko mibahana ao an-tsaiko ny hoe tsy eo intsony i Neny. Miezaka kosa aho hifantoka amin’ireo fampanantenan’i Jehovah, anisan’izany ny hihaonanay sy Neny indray ao amin’ny Paradisa.”

Manome toky antsika ny Baiboly, fa ao amin’ilay Paradisa noresahin’i Rojo, dia “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:3, 4) Ho hitanao koa fa ho zakanao kokoa ny alahelonao, rehefa misaintsaina an’ireo fampanantenan’ny Baiboly ianao.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ireo anarana.

^ Mety ho ny dadanao koa ilay nodimandry.

^ Raha mbola tsy vitanao ny mamaly an’ireo izao, dia azonao atao amin’ny manaraka.

^ Aza mihevitra anefa hoe tsy maintsy mitomany ianao mba hamoahana ny alahelonao. Samy hafa mantsy ny fomba anehoan’ny olona ny alahelony. Rehefa te hitomany ianao dia aza tazonina, fa izay angamba no “fotoana itomaniana.”—Mpitoriteny 3:4.

^ Miresaha amin’ny dadanao na amin’ny olon-dehibe hafa, raha mbola manamelo-tena foana ianao. Hanana fomba fijery voalanjalanja kokoa ianao rehefa mandeha ny fotoana.

^ Miresaha amin’ny olon-dehibe matotra, raha nitaiza anao irery ilay reninao, na tsy afaka mihaona amin’ilay rainao ianao.

^ Nampionona olona sasany ireto andinin-teny ireto: Salamo 34:18; 102:17; 147:3; Isaia 25:8; Jaona 5:28, 29.

ERITRERETO IZAO:

◼ Inona tamin’ireo soso-kevitra tato no tianao harahina?

◼ Soraty eto ny andinin-teny hampahery anao, rehefa mila tsy ho zaka ny alahelonao.

[Efajoro, pejy 11]

METY NY MITOMANY

Abrahama—Genesisy 23:2.

Josefa—Genesisy 50:1.

Davida—2 Samoela 1:11, 12; 18:33.

Maria, anabavin’i Lazarosy —Jaona 11:32, 33.

Jesosy—Jaona 11:35.

Maria Magdalena—Jaona 20:11.

[Efajoro/Sary, pejy 12]

SORATY IZAY TSAPANAO

Mety tena hanampy anao hizaka ny alahelonao ny fanoratana izay eritreretinao momba an’​ilay rainao na reninao maty. Maro ny zavatra azonao soratana, fa ireto misy soso-kevitra:

◼ Soraty izay zavatra mahafinaritra ahatsiarovanao azy.

◼ Soraty izay zavatra tianao holazaina aminy raha mbola velona teo izy.

◼ Aoka hatao hoe manan-jandry ianao, ary mahatsiaro ho meloka izy tamin’​ny nahafatesan’​ny dadanao na mamanao. Soraty izay zavatra tianao holazaina mba hampaherezana azy. Hanampy anao hifehy ny fahatsapanao ho meloka izany.

[Efajoro, pejy 13]

HO AN’ILAY RAY NA RENY MBOLA VELONA

Mafy izany hoe maty vady izany. Tena mila ny fanampianao koa anefa ny zanakao amin’io fotoana io. Ahoana no anampianao azy hizaka ny alahelony, na dia eo koa aza ny alahelonao?

Aza afenina ny fihetseham-ponao. Miana-javatra maro ny zanakao rehefa mandinika ny ataonao. Anisan’izany ny fahaizana mizaka alahelo. Aza mihevitra àry hoe tsy maintsy miseho ho matanja-tsaina ianao, ka hanafina ny alahelonao amin’ny zanakao. Mety hanao toy izany koa mantsy izy. Tokony hasehonao kosa ny alahelonao. Ho hitany amin’izay hoe mahasoa kokoa raha aseho ny alahelo fa tsy afenina. Ho tsapany koa fa ara-dalàna raha malahelo izy, na kivy, na tezitra mihitsy aza.

Ampirisiho hiresaka ny zanakao. Ampirisiho izy hamboraka izay ao am-pony, nefa aza terena. Raha misalasala izy, nahoana raha iarahanareo midinika ity lahatsoratra ity? Resaho koa ireo fotoana mahafinaritra niarahanareo mivady. Tsory aminy fa mafy aminao koa ny miaritra an’ilay famoizana. Rehefa mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny zanakao ianao, dia mba hilaza ny ao am-pony koa izy.

Fantaro ny fetran’ny mety ho vitanao. Ara-dalàna raha maniry hanampy ny zanakao foana ianao mandritra ilay fotoan-tsarotra. Tadidio anefa fa nisy vokany be teo aminao koa ny fahafatesan’ny vadinao. Mety ho ketraka sy rera-tsaina ary vizana koa àry ianao, indraindray. (Ohabolana 24:10) Noho izany, dia mangataha fanampiana amin’ny olon-dehibe anisan’ny fianakavianao sy amin’ny namana matotra. Porofon’ny fahamatorana ny fitadiavana fanampiana. Hoy ny Ohabolana 11:2: ‘Izay manetry tena no hendry.’

Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanampiana tsara indrindra. Mampanantena an’ireo mpanompony izy hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ”—Isaia 41:13.

[Sary, pejy 11]

Toy ny onja misamboaravoara izay mianjera tampoka eny amin’ny morontsiraka ny alahelo