Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ambony Noho ny Mpiangona ve ny Mpitondra Fivavahana?

Ambony Noho ny Mpiangona ve ny Mpitondra Fivavahana?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ambony Noho ny Mpiangona ve ny Mpitondra Fivavahana?

Pasitera, Mompera, Monsenera, Raby, Reverà, Kardinaly. Ireo no anaram-boninahitra sasany omena ny mpitondra fivavahana, mba hanavahana azy amin’ny mpivavaka tsotra. Misy sokajin’olona roa eo anivon’ny fivavahana maro, dia ny mpitondra fivavahana sy ny mpivavaka tsotra. Andriamanitra ve no nahatonga izany, sa ny olombelona? Ankasitrahan’Andriamanitra ve izany?

“TSY misy resaka mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra, ao amin’ny Testamenta Vaovao sy tamin’ny andron’ny apostoly”, hoy i Cletus Wessels, mpampianatra teolojia. Hoy ny rakipahalalana iray: “Nipoitra tsikelikely ny fahasamihafana, ka lasa nisy ny mpitondra fivavahana, izay nitana toerana ambony, sy ny mpivavaka tsotra ... Lasa noheverina ho sarambaben’olona tsy mahay Baiboly ny mpiangona ‘tsotra.’ ” Nibaribary ny fahasamihafan’ireo sokajin’olona roa ireo tamin’ny taonjato fahatelo, izany hoe 200 taona mahery taorian’i Jesosy Kristy.

Raha tsy nisy an’izany mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra izany àry teo amin’ireo apostolin’i Jesosy sy ny Kristianina voalohany, eken’ny Baiboly ihany ve izany? Tsia. Andeha hojerentsika ny antony.

“Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra”

Milaza ny Baiboly fa mpanompon’Andriamanitra ny Kristianina rehetra, fa tsy misy ambony sy ambany. (2 Korintianina 3:5, 6) Nilaza i Alexandre Faivre, mpanoratra momba ny fivavahana, fa nanizingizina ireo Kristianina voalohany hoe “tsy tokony hisy ambony sy ambany izy ireo.” Mifanaraka amin’izao tenin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy izao izany: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.”—Matio 23:8.

Nisy lehilahy matotra nitana andraikitra taloha, anisan’izany ny mpampianatra sy mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 20:28) Tsy mpitondra fivavahana nokaramaina anefa izy ireny. Lehilahy nanambady aman-janaka sy nanana asa fivelomana ny ankamaroan’izy ireny. Tsy hoe nianatra teolojia izy ireny matoa lasa mpiandraikitra. Nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra kosa izy ireny, ary niezaka nanana an’ireo toetra takin’Andriamanitra, anisan’izany ny hoe ‘mahay mandanjalanja eo amin’izay zavatra fanao, misaina tsara, tia filaminana, tia mandray vahiny, mahay mampianatra, mpandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola, mahay mitondra ny ankohonany.’—1 Timoty 3:1-7.

Fahendrena ny manaraka ny Baiboly

Hoy ny Baiboly: “Aza mihoatra noho izay voasoratra.” (1 Korintianina 4:6) Mampalahelo fa tsy miraharaha an’io toromarik’Andriamanitra io ny olona, ka matetika no simba ny fifandraisany aminy. Izany no mitranga rehefa misy ny hoe mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra. Nahoana? Diniho ireto antony enina ireto:

1. Ny fisian’izany mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra izany dia toa midika fa izay nahazo fiantsoana manokana ihany no tokony hitory ny Tenin’Andriamanitra. Milaza anefa ny Baiboly fa tokony hanompo an’Andriamanitra sy hidera ny anarany ny tena Kristianina rehetra. (Romanina 10:9, 10) Ary iza no miandraikitra ny fiangonana? Ny lehilahy kristianina rehetra no ampirisihina mba hiezaka ho tonga mpiandraikitra, ary izany indrindra no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.—1 Timoty 3:1.

2. Lasa hindrahindraina koa ny mpitondra fivavahana, ary manaporofo izany ireo anaram-boninahitra omena azy. Hoy anefa i Jesosy: “Izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.” (Lioka 9:48) Tiany hanetry tena àry ny mpanara-dia azy, ka norarany tsy hampiasa anaram-boninahitra ara-pivavahana.—Matio 23:8-12.

3. Mety ho enta-mavesatra ho an’ny mpivavaka tsotra ny karaman’ireo mpitondra fivavahana, indrindra raha be aingitraingitra izy ireny. Miasa mba hameloman-tena kosa ny mpiandraikitra kristianina, ka ohatra tsara ho an’ny hafa. *Asan’ny Apostoly 18:1-3; 20:33, 34; 2 Tesalonianina 3:7-10.

4. Mety halaim-panahy hanalefaka an’izay lazain’ny Baiboly ny mpitondra fivavahana mba hampifaliana ny mpiangona, satria ny mpiangona no mamelona azy. Efa nilaza ny Baiboly fa hitranga tokoa izany. “Ho avy ... ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.”—2 Timoty 4:3.

5. Lasa ankinin’ny mpivavaka tsotra amin’ny mpitondra fivavahana ny fandalinam-pinoana, fa mpiangona isan-kerinandro fotsiny ny ambiny. Ny Kristianina rehetra anefa no tokony hahatsapa hoe mila an’Andriamanitra, ka hazoto hianatra Baiboly.—Matio 4:4; 5:3.

6. Rehefa tsy mahay Baiboly ny mpivavaka tsotra, dia mora ambakain’ny mpitondra fivavahana, na hararaotiny mihitsy aza. Efa imbetsaka nitranga teo amin’ny tantara izany. *Asan’ny Apostoly 20:29, 30.

Te hanaraka akaiky izay lazain’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy manana mpitondra fivavahana. Mpiandraikitra sy mpampianatra tsy mandray karama kosa no mikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra. Ianao mihitsy no afaka manamarina izany, raha mandeha any amin’ny toeram-pivorian’izy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nisy ‘nivelona tamin’ny vaovao tsara’ ny mpiandraikitra mpitety faritany tamin’ny taonjato voalohany. Niantrano tany amin’ny Kristianina hafa izy ireo, ary nandray an’izay fanomezana nomen’ny hafa an-tsitrapo.—1 Korintianina 9:14.

^ Anisan’izany ny fandoavam-bola mba hahazoana famelan-keloka sy ny habibiana natao tamin’ireo nanohitra ny fampianaran’ny Eglizy. Nodoran’ny mpitondra fivavahana mihitsy aza ny Baiboly, mba tsy hananan’ny mpiangona Baiboly.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2002, pejy 27.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Ahoana no tokony hiheveran’ny vahoakan’Andriamanitra ny mpiray finoana aminy?—Matio 23:8.

◼ Inona no fepetra takina amin’ny lehilahy kristianina mba hahatonga azy ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana?—1 Timoty 3:1-7.

◼ Nahoana no tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fisian’izany mpitondra fivavahana sy mpiangona tsotra izany?—1 Korintianina 4:6.

[Teny notsongaina, pejy 23]

Tsy toy ny mpitondra fivavahana i Jesosy, fa nitondra tena toy ny “kely indrindra”