Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Hoe... Tena Ratsy ve ny Miteny Ratsy? (Martsa 2008) Notezain’ny ray aman-dreny kristianina aho, nefa lasa zatra niteny ratsy. Efa imbetsaka aho no niezaka niala tamin’izany, saingy tsy afaka mihitsy. Nanampy ahy hifehy tena anefa io lahatsoratra io. Voalaza ao fa ny fitenenana dia fanomezana avy amin’ny Mpamorona, ka te hanaja an’io fanomezana io aho. Mieritreritra tsara àry aho izao isaky ny hiteny. Misaotra betsaka anareo.

C. P., Brezila

Roa ambin’ny folo taona aho. Feno ankizy miteny ratsy any am-pianarana, ka matahotra aho sao hisy teny ratsy ho voateniko. Efa saika hanoratra mihitsy aho mba hisy “Manontany ny Tanora” hiresaka momba izany. Tamin’izay indrindra no nivoaka tamin’ny Mifohaza! ilay lahatsoratra notadiaviko. Nampahatsiahy ahy izy io fa ratsy ny miteny ratsy, ka vao mainka aho tapa-kevitra ny tsy hiteny ratsy. Manorata foana lahatsoratra hoatr’ireny!

A. P., Etazonia

Mpanadio trano izahay mivady. Niresaka taminay ny ramatoa iray niasanay hoe tapa-kevitra ny tsy hiteny ratsy intsony izy taorian’ny taom-baovao. Nolazainy fa nivavaka isan’andro izy mba hanampian’Andriamanitra azy ho afaka amin’io fahazaran-dratsiny io. Nangatahiny boky afaka manampy azy tsy hiteny ratsy aho, ka nivavaka momba izany. Fanaoko ny mankao amin’ny www.pr418.com ao amin’ny Internet, ka mandika amin’ny MP3 an’ireo gazety faramparany. Akory ny hafaliako ny ampitson’iny, rehefa nihaino an’ireo loha hevitra tao amin’ilay gazety aho! Tena faly aho! Marina fa natao ho an’ny tanora ilay lahatsoratra, nefa fantatro fa hisy torohevitra hahasoa an’ilay ramatoa tao. Tsy andriko izay hanomezana azy an’ilay ramatoa.

S. C., Etazonia

Miaro Anao ny Mpanara-maso ny Fivezivezen’ny Fiaramanidina (Aprily 2008) Hoy aho rehefa avy namaky an’io lahatsoratra io: “Tsy matahotra intsony aho ka vonona handeha fiaramanidina amin’izay!” Nahazo toky aho sady tsy dia nanahy intsony, satria nampahafantarin’ny Mifohaza! fa tena miezaka hisoroka loza ireo mpanara-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina. Misaotra anareo!

T. S., Brezila

Ahoana no Havalinao? Roa ambin’ny folo taona aho, ary mipetraka atỳ amin’ny faritra atsimon’i Irlandy. Misaotra anareo amin’ilay kilalao ho an’ny ankizy, any amin’ny faran’ny Mifohaza! Tena tsara ilay izy, satria lasa liana amin’ilay gazety koa ny ankizy. Mba asio an’ireny foana ao. Mamerina ny fisaorana e!

A. C., Irlandy