Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahadisoana Kely Niteraka Ady Lehibe

Fahadisoana Kely Niteraka Ady Lehibe

Fahadisoana Kely Niteraka Ady Lehibe

Mety hitranga ve ny hoe hipoaka tsy nahy ny ady lehibe fahatelo? Hamoy ny ainy ve ny olona an-tapitrisany satria diso tetika ny mpitondra sy ny mpanolo-tsaina azy?

ASA aloha fa ny fantatsika dia hoe toy izany ny tamin’ny Ady Lehibe I, zato taona lasa izay! Samy nandrisika ny fireneny hiady ny mpitondra tany Eoropa, nefa tsy nanampo hoe hahatsiravina ny vokany. “Tsy nanana traikefa momba ny ady izahay”, hoy i Lloyd George, praiminisitra anglisy teo anelanelan’ny 1916 sy 1922. Inona àry no nahatonga an’io ady io?

Marihina fa nilaza toy izao ilay mpahay tantara atao hoe Alan Taylor: “Tsy nisy naniry ny hisian’ny ady lehibe ireo mpitondra. Te handrahona ny hafa anefa izy ireo, ary te hampiseho hoe mahery kokoa.” Hoy ny mpanjakan’i Rosia, talohan’ny nipoahan’ny ady: “Tsy maintsy miezaka mafy hitandro ny fandriampahalemana isika. Tsy izaho mihitsy no ho tompon’andraikitra, raha misy fandatsahan-dra mahatsiravina.” Na izany aza, dia tsy voafehy intsony ny toe-javatra, nanomboka tamin’ireo tifitra roa ny antoandron’ny 28 Jona 1914, tokotokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany teo.

Tifitra roa nanova an’izao tontolo izao

Efa nifandrafy hatry ny ela ireo firenena tao Eoropa talohan’ny 1914. Niharatsy izany ka nanjary nizara roa izy ireo: Nisy ny atao hoe Fifaneken’ny Telo Tonta (Aotrisy-Hongria, Italia, Alemaina) ary nisy ny atao hoe Fifanarahan’ny Telo Tonta (Grande-Bretagne, Frantsa, Rosia). Nanao fifanekena ara-politika sy ara-barotra tamin’ny firenen-kafa izy ireo, ka anisan’izany firenena izany i Bosnia sy ny manodidina azy.

Tsy faly anefa i Bosnia sy ny manodidina azy satria nofehezin’ireo firenena matanjaka ireo. Nisy korontana politika foana àry tao. Maro ny fikambanana miafina nanao tetika hahazoana fahaleovan-tena. Nisy andian-jatovo nikaon-doha hamono ny Printsy François-Ferdinand, izay handimby ny mpanjakan’i Aotrisy. Ny 28 Jona 1914 no nikasana hanatanterahana izany, rehefa hitsidika an’i Sarajevo, renivohitr’i Bosnia, izy. * Tsy sarotra izany, satria vitsy ny polisy teo an-toerana. Tsy ampy fiofanana anefa ireo tovolahy, ka rehefa nanipy baomba kely iray ny anankiray, dia tsy nahavoa. Ny hafa indray efa taraiky vao nihetsika. I Gavrilo Princip kosa no nahomby, na dia kisendrasendra ihany aza. Tamin’ny fomba ahoana?

Rehefa hitan’i Princip fa tsy matin’ilay baomba ilay printsy, dia niezaka nanatona ilay fiara nitondra azy io izy kanefa tsy afaka. Kivy izy ka niampita ny arabe ary nankao amin’ny toeram-pisakafoana iray. Ilay printsy kosa tezitra noho ilay baomba, ka nanapa-kevitra fa hiova lalana. Tsy fantatr’ilay mpamily anefa izany, ka notohiziny ihany ny dia. Voatery niverin-dalana àry izy ireo avy eo. Tamin’izay indrindra no nivoaka i Princip ka nifanojo izy ireo. Telo metatra monja ny elanelany sady tsy mitafo ilay fiara, ka nanatona avy hatrany i Princip, ary nitifitra indroa nahafaty an’ilay printsy sy ny vadiny. * Azo inoana fa tsy nampoizin’io tovolahy serba tia tanindrazana io ny vokatr’izany. Tsy izy irery anefa no tompon’andraikitra tamin’ny loza nitranga taorian’izay.

Efa vonona hiady

Nihevitra ny ady ho mahasoa sy hahazoam-boninahitra ny ankamaroan’ny Eoropeanina talohan’ny 1914, na dia nilaza ho Kristianina aza. Nisy aza mpitondra nino fa hiray hina sy harisidrisika kokoa ny vahoaka, raha misy ady! Ny jeneraly sasany koa nanome toky an’ireo mpitondra fa ho resy ao anatin’ny fotoana fohy ny fahavalo. Nirehareha erỳ ny jeneraly alemà iray hoe: “Tapa-bolana ihany dia ho resintsika i Frantsa!” Tsy nisy nanampo hoe hifampitifitra mandritra ny taona maro avy any anaty lavaka fiafenana ny lehilahy an-tapitrisany.

Ankoatra izany, dia hoy ny boky Firaisan-kina Nandritra ny Fitondrana Baranahiny (anglisy): “Tena tafahoatra ny fanindrahindram-pirenena nanerana an’i Eoropa talohan’ilay ady. ... Samy nampirisika an’izany daholo na ny sekoly, na ny oniversite, na ny gazety, na ny mpanao politika.”

Tsy dia nanao zavatra hisakanana an’izany toe-tsaina ratsy izany ny mpitondra fivavahana. Nizara roa ireo firenena, ka hoy ilay mpahay tantara atao hoe Paul Johnson: ‘Tetsy andaniny ny Protestanta any Alemaina, ny Katolika any Aotrisy, ny Ortodoksa any Boligaria, ary ny Silamo any Torkia. Tetsy ankilany kosa ny Protestanta any Grande-Bretagne, ny Katolika any Frantsa sy Italia, ary ny Ortodoksa any Rosia. Nihevitra ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana fa tokony ho tia tanindrazana ny Kristianina. Nasaina nifamono tamin’ny anaran’ny Mpamonjy ny miaramila kristianina rehetra.’ Na ny mompera sy masera aza nantsoina ho any an’ady, ka an’arivony ny mompera maty tany.

Mety ho ilay fifanekena sy ilay fifanarahana nataon’ireo firenena eoropeanina koa no nahatonga an’ilay ady, na dia natao hisakanana an’izany aza ilay izy. Nahoana? Hoy ilay boky tetsy aloha: “Samy nahatsapa ireo firenena ireo fa miankina amin’ny filaminan’ireo firenena namany, ny filaminana ao amin’ny taniny. Nihevitra àry izy ireo fa tsy maintsy mamonjy ny namany, na dia ireo namany ireo ihany aza no nihantsy ny fahavalo.”

Tena natahorana koa ny tetikady noforonin’ny Jeneraly Alfred von Schlieffen, lehiben’ny tafika alemà teo aloha. Nanao an’io tetika io izy ireo, satria nieritreritra fa mety ho voatery hanafika an’i Frantsa sy Rosia. Izao ilay tetika: Hotafihina haingana be i Frantsa, raha mbola eo am-piomanana hiady i Rosia. Rehefa resy i Frantsa, dia hotafihina amin’izay i Rosia. Hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Raha vao nanomboka notanterahina ilay tetikady, dia efa nampoizina hiely eran’i Eoropa ny ady. Efa nanao fifanarahana hanohana ny namany avy mantsy ireo firenena eoropeanina.”

Tsy voasakana intsony ny ady

Tsy nahita porofo i Aotrisy hoe nandray anjara tamin’ny famonoana ny printsin’izy ireo ny fitondrana serba. Na izany aza, dia tapa-kevitra izy ireo fa hampitsahatra ny fanoheran’ireo Serba sy foko hafa ao amin’ny faritaniny. ‘Tena te hanafay an’i Serbia i Aotrisy’, hoy ilay mpahay tantara atao hoe John Roberts.

Nitady marimaritra iraisana i Nicholas Hartwig, masoivohon’i Rosia tany Serbia. Maty noho ny aretim-po anefa izy, nandritra ny fihaonany tamin’ireo solontenan’i Aotrisy. Nitaky zavatra maromaro tamin’i Serbia i Aotrisy ny 23 Jolay 1914, ary nandrahona hoe hamely azy ireo raha tsy tanteraka izany. Tsy neken’i Serbia anefa ny zavatra sasany, ka tsy nifampiraharaha taminy intsony i Aotrisy.

Na izany aza, dia nisy ezaka natao hisorohana ny ady. Nanolo-kevitra ny hanaovana fihaonam-be iraisam-pirenena, ohatra, i Grande-Bretagne. Notenenin’ny mpitondra tao Alemaina koa ny mpanjakan’i Rosia mba tsy handefa ny tafiny hiady. Mbola tsy voafehy ihany anefa ny toe-draharaha. “Tsy nampoizin’ireo firenena sy ireo mpitondra ary ireo jeneraly hoe hitatra be ilay ady”, hoy ny boky Tetikady Tamin’ny Ady Lehibe I (anglisy).

Natoky ny fanampian’i Alemaina ny mpanjakan’i Aotrisy, ka nilaza izy ny 28 Jolay hoe hiady amin’i Serbia. Te hisakana an’i Aotrisy tsy hiady anefa i Rosia, izay nanohana an’i Serbia, ka nampandre fa efa nanomana miaramila iray tapitrisa mba ho eny amin’ny sisin-tanin’i Aotrisy. Hitan’i Rosia anefa fa tsy ho voaro ny sisin-taniny eo akaikin’i Alemaina, raha ireo miaramila rehetra ireo no halefa any. Ny tafiny iray manontolo indray àry no nomaniny hiady, na dia tsy tena sitrapony aza izany.

Nanome toky an’i Alemaina ihany anefa i Rosia hoe tsy mikasa hamely azy. I Alemaina kosa nahita fa efa niomana hiady ny tafika rosianina, ka notanterahiny avy hatrany ny Tetikadin’i Schlieffen ny 31 Jolay. Nilaza hiady amin’i Rosia izy ireo ny 1 Aogositra, ary nilaza hiady amin’i Frantsa, roa andro taorian’izay. Nikasa handalo tao Belzika izy ireo, rehefa hanafika. Nihevitra anefa i Grande-Bretagne fa tsy manaja ny fanapahan-kevitr’i Belzika tsy hiandany amin’iza na iza ny Alemà, raha mandalo ao. Nampitandrina àry izy fa hiady amin’ny Alemà, raha mandalo ao Belzika izy ireo. Nanitsy tao ihany anefa ny Alemà ny 4 Aogositra. Tsy nisy hevitra intsony àry, fa dia nipoaka ny ady.

“Tsy nisy fifampiraharahana azo natao intsony”

Hoy ilay mpahay tantara atao hoe Norman Davies: “Tsy nisy fifampiraharahana azo natao intsony, rehefa nilaza hiady i Grande-Bretagne.” Hoy koa ilay mpahay tantara atao hoe Edmond Taylor: “Nanafaingana ny fipoahan’ny ady ny fisafotofotoana nitranga taorian’ny 28 Jolay, fotoana nilazan’i Aotrisy hoe hiady izy. Be loatra ny zava-nitranga sady haingana loatra ny fisehony, tany amin’ny toerana maro samihafa. ... Na ny olona nahira-tsaina indrindra aza tsy nahatakatra intsony ny zava-niseho.”

Miaramila sy sivily 13 tapitrisa mahery no namoy ny ainy vokatr’izany fisafotofotoana mampidi-doza izany. Nanantena ny olona talohan’ny ady hoe ho tsara ny hoavy ary ho be ny zava-bita. Diso fanantenana anefa izy ireo rehefa nipoaka ny ady. Ireo firenena noheverina ho nivoatra mantsy no nirongo fiadiana vaovao mahery vaika, ka nifamono ary nahafaty olona tsy tambo isaina. Niova tanteraka izao tontolo izao!—Jereo ilay efajoro hoe  “Midika Inona ny Ady Lehibe?”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mitambatra amin’i Herzegovina izao i Bosnia, ka antsoina hoe Bosnia-Herzegovina.

^ Kisendrasendra no nahafaty ny vadin’ilay printsy. Tao anatin’ilay fiara ny Jeneraly Potiorek, governoran’i Bosnia. Izy io no nokendren’i Princip, saingy voahelingelina izy ka ny vadin’ilay printsy no voatifiny.

[Efajoro/Sary, pejy 20]

 MIDIKA INONA NY ADY LEHIBE?

Milaza ny Baiboly fa anisan’ny famantarana ny andro faran’ity tontolo ratsy ity ny ady. (Matio 24:3, 7; Apokalypsy 6:4) Efa miseho io famantarana io izao, ka midika izany fa efa tena kely sisa dia hanjaka amin’ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra.—Daniela 2:44; Matio 6:9, 10.

Hesorin’io Fanjakana io ireo zavaboary tsy hita maso manan-kery amin’ny toe-draharaha eto amin’ity tontolo ity, dia i Satana Devoly sy ireo anjely ratsy tarihiny. Hoy ny 1 Jaona 5:19: ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ Vokatry ny fitaoman-dratsin’i Satana ny ankamaroan’ny loza, ary azo inoana fa vokatr’izy io koa ireo zava-nitranga nahatonga ny Ady Lehibe I.—Apokalypsy 12:9-12. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy fanazavana momba ny andro farany sy ireo anjely ratsy ireo, ao amin’ilay boky fianarana Baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. National Archives photo

[Sary, pejy 19]

Famonoana ny Printsy Ferdinand

[Sary nahazoan-dalana]

© Mary Evans Picture Library