Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Misy ny Fanavakavahana?

Nahoana no Misy ny Fanavakavahana?

Nahoana no Misy ny Fanavakavahana?

“Nateraka ho afaka sy hitovy ny olombelona rehetra na eo amin’ny zo na eo amin’ny hasina. Samy manan-tsaina sy fieritreretana, ka tokony hifampitondra am-pirahalahiana.” —Andininy Voalohany amin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona.

TENA tsara raha izany no tanteraka. Mampalahelo anefa fa mbola manjaka ny fanavakavahana. Hita tokoa fa mpanota isika, sady miaina amin’ny fotoan-tsarotra. (Salamo 51:5) Tsy midika anefa izany hoe tsy misy ny vahaolana. Marina fa tsy afaka manafoana ny fanavakavahana isika, nefa afaka miezaka mba tsy hanavakavaka.

Mila miaiky aloha isika rehetra fa tsy misy an’izany olona tsy manavakavaka izany. Hoy ny boky iray momba ny fanavakavahana: ‘Rehefa natao ny fandinihana, dia ireto no zavatra tena voamarika: 1) manavakavaka daholo rehefa olona misaina sy miteny, 2) mila miady mafy izy vao mahavita mampihena an’ilay izy, ary 3) vitany izany raha tena manana finiavana izy.’

Inona àry no fomba tsara indrindra hiadiana amin’ny fanavakavahana? Tokony hofantarintsika aloha ny anton’izy io. Mila mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra isika avy eo. Tokony ho haintsika koa izay hatao raha isika no avakavahan’ny olona.

Inona no antony?

Mazàna ny mpanavakavaka no efa manana hevi-diso momba izay olona tsy tiany. Rehefa milaza na mahavita zavatra tsara àry ilay olona, dia raisiny ho zavatra hafa izany, na tsy raharahainy tsotra izao. Mety tsy ho tandrintandrin’ny ray aman-dreny akory, fa avy aminy ihany no mahatonga ny zanany hanavakavaka. Ny olona sasany indray manavakavaka, satria nilazan’ny namany lainga momba ny firazanana hafa, na manindrahindra tanindrazana, na nampianarin’ny fivavahany hevi-diso, na manambony tena. Andeha hodinihintsika ny sasany amin’ireo sy izay lazain’ny Baiboly momba izany, ary diniho raha mila miova ianao.

Namana. Efa natao hana-namana ny olona, ary tsara izany. Ny Baiboly mihitsy no milaza fa “izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany”, sady manohitra ny hevitra feno fahendrena. (Ohabolana 18:1) Mila mahay mifidy namana anefa isika, satria misy vokany lehibe eo amintsika izy ireny. Tokony hojeren’ny ray aman-dreny àry hoe iza no naman-janany. Hita tamin’ny fanadihadiana natao fa misy zaza vao telo taona dia efa manavakavaka, satria mahita ny hafa manao izany amin’ny fihetsika na amin’ny teny. Mila miezaka mafy koa anefa ny ray aman-dreny mba ho modely. Ny toe-tsainy mantsy no tena mifindra amin’ny zanany.

Inona no lazain’ny Baiboly? “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6) “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” (Ohabolana 13:20) Raha manan-janaka àry ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Mitaiza ny zanako araka ny lalana atoron’Andriamanitra ve aho? Olona tsy manavakavaka ve no ataoko namana? Tsy manavakavaka ve aho, ka modely ho an’ny hafa?’—Ohabolana 2:1-9.

Fanindrahindrana tanindrazana. Izao no amaritan’ny diksionera iray an’izany: “Fahatsapana fa mila manandratra ny tanindrazana ho ambonin’ny hafa rehetra, ary mampandroso ny kolontsain’izy io sy ny tombontsoany alohan’ny an’ny hafa.” Hoy i Ivo Duchacek, manam-pahaizana momba ny politika, tao amin’ilay boky hoe Ady sy Fiaraha-miasa eo Amin’ny Samy Firenena (anglisy): “Mahatonga ny olona tsy hifandefitra ny fanindrahindrana tanindrazana. Mirehareha erỳ izy ireo hoe Amerikanina, Rosianina, Sinoa, Ejipsianina, na Perovianina. Hamaivaniny na tsy raharahainy mihitsy ny hoe samy olombelona daholo ny rehetra.” Hoy koa ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana taloha: ‘Vokatry ny toe-tsaina tsy mety ny ankamaroan’ny olana misy ankehitriny. Tsy tandrintandrin’ny olona akory, ohatra, dia lasa manindrahindra tanindrazana tafahoatra izy, ka mieritreritra hoe: “Tanindrazako foana io, na manana ny rariny na tsia.” ’

Inona no lazain’ny Baiboly? “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao [ny olona rehetra], ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Mieritrereta hoe: ‘Raha Andriamanitra aza tsy manavakavaka, fa tia ny olona avy amin’ny firenena rehetra, anisan’izany aho, moa ve aho tsy tokony hiezaka hanahaka azy, indrindra raha milaza fa mpivavaka?’

Firazanana. Resahin’ny diksionera iray fa mino ny mpanavakavaka hoe ‘misy firazanana ambony noho ny hafa, ka arakaraka ny firazanan’ny olona no mahatonga azy ho tsara toetra sy mahay na tsia.’ Hoy anefa Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Mbola tsy voaporofo ara-tsiansa mihitsy hoe misy [firazanana] ambony.” Voaporofo kosa aza fa tsy tsara toetra mihitsy ny olona mihevitra ho ambony firazanana, rehefa jerena ny tsy rariny goavana vitany. Misy karazan’olona tsy omeny tombontsoa mihitsy, ohatra, na dia manan-jo hahazo izany aza. Lainga fotsiny àry ny hoe misy firazanana ambony.

Inona no lazain’ny Baiboly? “Ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) ‘Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovana ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Asan’ny Apostoly 17:26) “Tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Mieritrereta àry hoe: ‘Mitovy amin’ny an’Andriamanitra ve ny fiheverako ny olon-drehetra? Miezaka hifankahalala amin’ny olona hafa firazanana na kolontsaina ve aho, mba hahalalako ny tena toetrany?’ Rehefa mahalala tsara an’ilay olona mantsy isika, dia hiova ny fiheverantsika azy.

Fivavahana. Hoy ny boky Inona no Atao hoe Fanavakavahana? (anglisy): “Zava-doza foana no mitranga rehefa ampiasain’ny olona hahazoana [tombontsoa ho an’ny tenany] na ny foko niaviany ny fivavahany. Lasa manjaka eo anivon’ilay fivavahana ny fanavakavahana.” Ny tena mahagaga aza, dia “toa lasa mpanavakavaka hatramin’ny mpivavaka be.” Tena marina ny voalazan’io boky io. Tsy natao afa-tsy ho an’ny firazanana iray, ohatra, ny fiangonana sasany. Misy koa fivavahana mifankahala sy mifamono, na manao asa fampihorohoroana.

Inona no lazain’ny Baiboly? ‘Ny fahendrena [avy amin’Andriamanitra] dia tia fihavanana, mahay mandanjalanja, ary tsy manavakavaka na miangatra.’ (Jakoba 3:17) “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana [ara-pivavahana].” (Jaona 4:23) ‘Tiavo ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.’ (Matio 5:44) Mieritrereta àry hoe: ‘Moa ve ny fivavahako mampirisika ahy ho tia ny olon-drehetra, na dia ireo te hanisy ratsy ahy aza? Raisina tsara ve ny olon-drehetra, na inona na inona fiaviany, volon-kodiny, fari-piainany, na sarangany?’

Fiheveran-tena ho ambony. Mora manavakavaka ny olona, rehefa manambony tena. Mety hanjary hanambany na hankahala ny mahantra na ny tsy dia nahita fianarana izy. Mety ho faly koa izy rehefa dokadokafana ny fireneny na ny foko niaviany. Nahay nandokadoka ny Alemà, ohatra, i Adolf Hitler, mpitondra jadona nazia. Nataony izay hiheveran’izy ireo fa ambony ny fireneny sy ny firazanany. Nitady vahoaka hanohana azy fotsiny anefa i Hitler, ary te hanaratsy ny olona halany na hitany fa miavaka.

Inona no lazain’ny Baiboly? “Maharikoriko an’i Jehovah izay rehetra manana fo mirehareha.” (Ohabolana 16:5) “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (Filipianina 2:3) Mieritrereta àry hoe: ‘Faly ve aho any anatiko any, rehefa misy mandokadoka ny firazanako na ny foko niaviako, na rehefa misy manaratsy firazanana na foko hafa? Mialona aho sa faly, rehefa mba misy olona manana talenta tsy ananako?’

Mampitandrina tokoa ny Baiboly hoe: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Ohabolana 4:23) Hevero ho tena sarobidy àry ny fonao, ka arovy amin’ny ratsy! Fahendrena avy amin’Andriamanitra no ampidiro ao. Amin’izay ihany vao “hiambina anao ny fahaiza-misaina, ary hiaro anao ny fahaiza-manavaka. Hanafaka anao amin’ny ratsy izany, sy amin’ny olona miresaka zava-dratsy.”—Ohabolana 2:10-12.

Ary ahoana raha ianao no misy manavakavaka? Vakio ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Rehefa mahalala tsara an’ilay olona isika, dia hiova ny fiheverantsika azy