Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fitiavana no Vahaolana

Ny Fitiavana no Vahaolana

Ny Fitiavana no Vahaolana

“Nisy fivavahana hafakely niforona. Tsy manindrahindra tanindrazana izy io, ary an-tsitrapo no idirana ao aminy. Tsy misy saranga na firazanana na firenena heverina ho ambony ao, fa mitovy ny rehetra, na lahy na vavy. Ny hivavaka amin’ny andriamaniny no zava-dehibe aminy.”—Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (anglisy), nosoratan’i Paul Johnson.

NAHAVARIANA ny olona tokoa ny fivavahana kristianina voalohany, rehefa nanomboka niely eran’ny Fanjakana Romanina. Olona avy amin’ny firenena maro no tao amin’io fivavahana io, nefa nihavana tsara sy niray saina toy ny fianakaviana iray. Nahoana? Tena nifankatia izy ireo, ary tsy hoe sendra nitsiry tao am-pony ilay izy, fa nampianarin’Andriamanitra azy mihitsy.

Nampianatra ny olona hifankatia koa i Jesosy Kristy, tamin’ny teniny sy ny nataony, na dia nankahalaina sy navakavahana aza. (1 Petera 2:21-23) Nanambany azy, ohatra, ny mpitondra fivavahana jiosy, satria avy any Galilia izy. Tantsaha sy mpanjono mantsy ny ankamaroan’ny Galilianina. (Jaona 7:45-52) Nialona azy koa izy ireo, ka nanaratsy azy, ary niray tetika hamono azy mihitsy aza! Tena nahay nampianatra mantsy izy, ka tian’ny vahoaka sy nohajainy.—Marka 15:9, 10; Jaona 9:16, 22; 11:45-53.

Tsy ‘namaly ratsy ny ratsy’ anefa i Jesosy. (Romanina 12:17) Nankahala azy, ohatra, ny Fariseo. Tsy nasiaka anefa izy, rehefa nisy Fariseo tso-po mba te hanontany zavatra taminy. (Jaona 3:1-21) Nanaiky hisakafo tany amin’ny Fariseo mihitsy aza izy, anisan’izany ny Fariseo iray somary nanavakavaka azy. Tsy nosasany mantsy ny tongotr’i Jesosy, nefa izany no fomban’ny Jiosy rehefa nanam-bahiny. Tezitra ve i Jesosy? Tsia! Nanararaotra nampianatra lesona tena tsara momba ny fangorahana sy famelan-keloka kosa izy.—Lioka 7:36-50; 11:37.

Tian’i Jesosy ireo natao tsinontsinona

Anisan’ny fanoharana tsara indrindra nataon’i Jesosy ilay fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy. Nikarakara Jiosy iray nisy namono sy nanendaka io Samaritanina io. (Lioka 10:30-37) Nahoana no tena niavaka ny zavatra nataony? Sakay sy maso ny Jiosy sy ny Samaritanina. Lasa teny fanambaniana mihitsy aza ny hoe “Samaritanina”, teo amin’ny Jiosy, ary nantsoiny hoe Samaritanina hatramin’i Jesosy. (Jaona 8:48) Tena nety àry ny nampiasan’i Jesosy an’ilay fanoharana, mba hampianarana azy ireo fa tokony ho tiana daholo ny mpiara-belona.

Nampihatra izay nolazainy koa i Jesosy. Nanasitrana Samaritanina boka, ohatra, izy. (Lioka 17:11-19) Nampianatra Samaritanina koa izy, anisan’izany ny vehivavy samaritanina iray. Niresaka ela be izy sy ilay vehivavy. (Jaona 4:7-30, 39-42) Tena niavaka izany satria fady tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy ny niresaka ampahibemaso tamim-behivavy, na dia havany akaiky aza, ka mainka moa hoe vehivavy samaritanina!

Ary ahoana no fahitan’Andriamanitra ny olona efa zatra nanavakavaka, nefa miezaka mafy mba hiova? Manome valiny mampahery momba izany koa ny Baiboly.

Manam-paharetana Andriamanitra

Be dia be fahiny ny olona tsy Jiosy lasa Kristianina. Maro anefa ny Kristianina jiosy nanavakavaka azy ireo tamin’ny voalohany, satria mbola diso hevitra momba azy ireo. Ahoana no nataon’i Jehovah Andriamanitra nanoloana an’io olana mety hampisara-bazana io? Nampiany tsikelikely hiova ny Kristianina. (Asan’ny Apostoly 15:1-5) Nisy vokany tsara ny faharetany. ‘Tsy nisy saranga na firazanana na firenena noheverina ho ambony’ intsony mantsy teo amin’izy ireo, araka ny voalaza teny aloha. “Koa nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.”—Asan’ny Apostoly 16:5.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aza kivy, fa miantehera foana amin’Andriamanitra. Omeny fahendrena sy hery hampiharana ny teniny isika, raha ‘mangataka amim-pinoana hatrany.’ (Jakoba 1:5, 6) Tsaroanao ve i Jennifer, Timothy, John, ary Olga, izay noresahina tany am-piandohana? Lasa Kristianina matotra i Jennifer, rehefa nihalehibe, ka tsy dia nahataitra azy intsony ny tenin’ny ankizy momba ny firazanany sy ny halavany. Nahavita niaro sy nampahery ankizivavy iray hafa mihitsy aza izy, rehefa nompan’ny ankizy izy io.

Nahoana i Timothy no nahafehy tena rehefa nompan’ny ankizy noho izy mainty hoditra? Hoy izy: “Notadidiko hoe ho afa-baraka i Jehovah Andriamanitra raha tsy mifehy tena aho. Nataoko an-tsaina koa hoe tsy maintsy ‘resena amin’ny tsara foana ny ratsy’, fa tsy azo avela handresy.”—Romanina 12:21.

Tsy nanavakavaka intsony i John, rehefa nandeha ny fotoana. Hoy izy: “Mbola niara-nianatra tamin’ny Haoussa aho, tatỳ aoriana. Lasa namako anefa ry zareo. Nasaina niara-nanomana famelabelarana, ohatra, izahay sy ny Haoussa iray, nefa nahay nifanaraka tsara. Miezaka mamantatra ny tena toetran’ny olona aho izao, na inona na inona firazanany na foko niaviany, fa tsy tonga dia manavakavaka azy.”

Tsy natahotra i Olga sy ilay misionera namany, na dia nenjehina sy nankahalaina aza. Nitory ny vaovao tsara foana izy ireo, satria nino fa tsy maintsy mbola hisy hihaino azy. Maro tokoa no nihaino. Hoy i Olga: “Nisy mpivady nanome ahy kitapo tsara tarehy, dimampolo taona tatỳ aoriana. Nisy vatokely maromaro tao anatiny, ary nisy toetra tsara nisoratra teo amin’izy ireo, toy ny hatsaran-toetra, hatsaram-panahy, fitiavana, ary fiadanana. Nohazavain’ilay lehilahy hoe anisan’ny nitora-bato ahy izy taloha, fa efa anadahiko ara-panahy kosa izao. Nomen’izy roa raozy fotsy maromaro aho niaraka tamin’ilay kitapo.”

Mbola ho foana ny fanavakavahana!

Tsy ho ela dia ho foana ny fanavakavahana. Nahoana? Satria i Jesosy Kristy irery no hanjaka eran-tany. Efa nasehony fahiny fa “tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy.” (Isaia 11:1-5) Ho tsara toetra daholo koa ny olom-peheziny, satria samy efa nampianarin’izy sy Jehovah Andriamanitra Rainy.—Isaia 11:9.

Efa mampianatra ny vahoakany izao Andriamanitra, ka manomana azy ireo hiaina ao amin’ny tontolo iray vaovao tanteraka. Ny Baiboly no ampianarany azy ireo. Afaka mianatra koa ianao raha tianao, ary maimaim-poana ilay izy. * Tsy manavakavaka tokoa Andriamanitra. Sitrapony ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”—1 Timoty 2:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Afaka mifidy ny fotoana sy ny toerana mety aminao ianao. Miresaha fotsiny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na manorata any amin’iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5, na ny www.watchtower.org ao amin’ny Internet.

[Teny notsongaina, pejy 8]

Tsy ho ela dia ho foana ny fanavakavahana

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

TORO LALANA TSARA HARAHINA

‘Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.’ (Romanina 12:17-21) Rehefa misy olona ratsy fanahy aminao àry, dia miezaha ho tsara fanahy aminy. Nisy ‘nankahala tsy amin’antony’ i Jesosy Kristy. Tsy nankahala azy ireo anefa izy.—Jaona 15:25.

‘Aoka isika tsy hirehareha na hifampialona.’ (Galatianina 5:26) Lasa tsy dia miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra ny olona, rehefa mialona sy mirehareha, ka manjary mankahala na manavakavaka ny hafa.—Marka 7:20-23.

“Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Eritrereto àry hoe ahoana no tianao hitondran’ny olona anao, ary ataovy mitovy amin’izany daholo ny fomba itondranao ny olona, na inona na inona volon-kodiny, fiteniny, kolontsainy, na taonany.

“Nandray tsara antsika i Kristy, koa mifandraisa tsara tahaka izany koa ianareo.” (Romanina 15:7) Miezaka ve ianao mba hifankahalala amin’ny olona tsy mitovy fiaviana na fari-piainana na kolontsaina aminao, indrindra fa ny mpiara-mivavaka aminao?—2 Korintianina 6:11.

“Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” (Salamo 27:10) Ratsy fanahy aminao ve ny olona? Tadidio fa tsy handao anao mihitsy Andriamanitra raha tsy mivadika aminy ianao.

[Sary, pejy 7]

Nanampy Jiosy nisy nanendaka ilay Samaritanina tsara fanahy