Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Misy roa arivo tapitrisa taonina eo ho eo izao ny fako mahafaty manerana an’i Rosia, nefa tsy tena misy azo atao mba handevonana azy ireny.”—RIA NOVOSTI, ROSIA.

Niakatra tampoka ny isan’ny fandrobana sambo tamin’ity taonjato faha-21 ity. Tamin’ny 2007, ohatra, dia “sambo 263 no norobaina na saika voaroba.”—THE WALL STREET JOURNAL, ETAZONIA.

Ny Alkaola sy ny Vehivavy Bevohoka

Milaza ny gazety alemà iray fa zaza 10 000 eo ho eo isan-taona, any Alemaina, no manan-takaitra hatramin’ny nahaterahany, vokatry ny alkaola. Ny 4 000 amin’ireo dia nahazo takaitra lehibe hoentiny mandra-maty. “Tsy misy afaka milaza hoe toy inona ny fatrana alkaola tsy atahorana hanimba ny zaza ao am-bohoka”, hoy i Sabine Bätzing, mpiandraikitra ny fanafody. “Mila antitranterintsika amin’ny dokotera sy ny mpampivelona ary ny vehivavy bevohoka, fa na dia tsindraindray aza [ny bevohoka] no misotro, dia mety ho sembana ara-tsaina na ara-batana ny zanany, na ho hafahafa toetra.”

Mahasalama ny Mambolimboly Kely

“Tsy araka ny anampoizana azy fa ho salama kokoa ianao, raha ianao ihany no mamboly ny sakafonao, na kely na be no ambolenao.” Izany no hitan’ny mpikaroka, araka ny gazety Psychology Today. Hitan’izy ireo fa “lasa matanjaka ny hery fanefitra ao amin’ny olombelona, noho ny bakteria sasany ao amin’ny tany”, izay manaraka ny sakafontsika na ao amin’ny rivotra fohintsika. “Toy ny hoe iankinan’ny fahasalamana koa ny mihinana zavatra anisan’ny tany, ankoatra ny voankazo sy ny legioma mahasalama ambolena eo amin’ilay tany.”

Vorona Manidina Lavitra Indrindra Tsy An-kiato

Niresaka momba ny karazam-borona iray ny mpahay siansa any Etazonia. Io no vorona an-tanety “nahavita nanidina lavitra indrindra, nefa tsy niato mihitsy.” Mifindra monina isan-taona izy ireo, ary nojerena tamin’ny zanabolana ny lalany teny ambonin’ny Ranomasina Pasifika. Hita fa nisy vorona vavy iray nanidina tsy an-kiato nandritra ny valo andro, ka namita 11 650 kilaometatra avy tany Alaska nankany Nouvelle-Zélande. Milaza ny gazety The Week fa “700 grama ny lanjan’izy io, ary ny antsasak’io lanjany io no nampiasainy” hahatongavana tany. Miala any Nouvelle-Zélande indray izy ireo ka mankany Chine, ary miverina any Alaska. Mahatratra 29 000 kilaometatra àry ny lalany mandroso sy miverina. “Raha izany foana no ataony isan-taona”, dia voalaza fa “mahavita 463 000 kilaometatra io karazam-borona io mandra-pahafatiny.”

Mpangalatra Raketa

Angalarin’ny sasany ireo raketa mampiavaka ny Valan-javaboary Saguaro any Arizona, Etazonia. “Te hanana raketa ao an-tokotaniny ny rehetra”, hoy i Jim McGinnis, avy ao amin’ny birao iray ao amin’ny Minisiteran’ny Fambolena any Arizona. Fahita any amin’io tany ngazana io àry ny fiara mitondra raketa. Ny raketa iray ka hatramin’ny roa metatra no tena tian’ny mpangalatra, satria roa tapitrisa ariary eo ho eo na maherin’izany no ivarotany ny iray. Mikasa ny hanisy fitaovana elektronika bitika ao anaty raketa ny tompon’andraikitra, mba hiadiana amin’io halatra io. Any aoriana any, dia ho hita amin’ny fitiliana raha nangalarina tao amin’ny valan-javaboary ilay raketa amidy eny amin’ny mpivaro-boninkazo na tsia.