Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Vatasarihana Iray Hosokafan’i Jehovah’

‘Vatasarihana Iray Hosokafan’i Jehovah’

‘Vatasarihana Iray Hosokafan’i Jehovah’

◼ Maty ny dadan’i Erika, enin-taona, sy Mattia, efa-taona, tamin’ny 2007. Nampionona azy ireo anefa ny fanantenana fa mbola hatsangana ny maty.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Mipetraka any Sisila i Erika. Tiany ny mizara an’io fanantenany io amin’ny hafa, indrindra any an-tsekoly. Nilaza taminy, ohatra, i Beatrice namany fa any an-danitra izao ny dadany. Namaly azy tamin-katsaram-panahy anefa i Erika, fa tsy mampianatra an’izany ny Baiboly. “Dia aiza izany ny dadanareo?”, hoy i Beatrice.

“Any am-pasana”, hoy i Erika. Tian’i Beatrice ho fantatra anefa ny atao hoe fasana.

Nohazavain’i Erika taminy àry fa “toy ny vatasarihana iray izy io, izay afaka misokatra sy mihidy. Raha vao mihidy anefa ilay izy, dia tsy misy afaka manokatra azy afa-tsy i Jehovah ihany. Ao amin’ny tontolo vaovao izy no hanao izany.”

Nohazavainy avy eo fa i Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary hanova ny tany ho paradisa izy. Tsy hisy intsony ny aretina amin’izay ary hovelomina indray ny maty. Nasain’i Erika niera tamin’ny reniny i Beatrice, avy eo, raha avelany handray boky iray manazava an’ilay resak’izy roa teo.

Rehefa fantatr’i Erika fa nanaiky ny renin’i Beatrice, dia nomeny an’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe io namany io. Mbola miresaka amin’ny hafa momba izay ianarany ao amin’ny Baiboly foana i Erika. Nomeny tamin’ilay boky voaresaka tetsy ambony koa aza ny mpampianatra azy.

Marina fa mbola malahelo an-drainy ihany i Erika sy ny anadahiny, indraindray. Tsy kivy be anefa izy ireo noho ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Misaotra an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny tena fampiononana, izy ireo sy ny ankizy maro hafa eran-tany, noho izany fanantenana izany.—Matio 21:16; 2 Korintianina 1:3, 4.

Mitovy velarana amin’ity gazety ity io boky 256 pejy io, sady feno sary tsara tarehy. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’io boky io aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.