Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hataoko fa Mora Misafoaka Aho?

Ahoana no Hataoko fa Mora Misafoaka Aho?

Manontany ny Tanora Hoe

Ahoana no Hataoko fa Mora Misafoaka Aho?

Isaky ny inona ianao no misafoaka?

□ Tsy misafoaka mihitsy

□ Isam-bolana

□ Isan-kerinandro

□ Isan’andro

Iza no tena mahatonga anao hisafoaka?

□ Tsy misy

□ Mpiara-mianatra

□ Ray aman-dreny

□ Mpiray tam-po

□ Olon-kafa

Soraty eto ny toe-javatra mampahatezitra anao matetika.

□ ․․․․․

NASIANAO ✔ ve teo amin’ilay hoe “Tsy misafoaka mihitsy” sy ilay hoe “Tsy misy”? Tsy nanoratra na inona na inona ve ianao teo amin’ilay faritra banga? Tena tsara! Midika izany fa tsy mora misafoaka ianao.

Samihafa anefa ny fihetsiky ny olona rehefa misy zavatra manorisory azy. Samy manao diso koa ny tsirairay. Hoy i Jakoba mpanoratra Baiboly: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Jakoba 3:2) Mitovy amin’i Seheno, * 17 taona, angamba ianao rehefa tezitra. Hoy izy: “Koboniko aloha ny hatezerako, fa izay manorisory ahy aorian’izay, matetika, no hanalako vonkina. Ohatra hoe i Dada sy Neny, na ny rahavaviko, ary na ny alikanay aza!”

Inona no tena marina?

Sarotra aminao ve ny mifehy tena mba tsy hisafoaka? Azo ampiana ianao raha izany no izy. Andeha anefa aloha isika hijery hevi-diso vitsivitsy ananan’ny olona.

Hevi-diso: “Tsy ho vitako mihitsy ny mifehy ny hatezerako. Izahay mianakavy mantsy efa saro-po hoatr’izany mihitsy!”

Ny tena marina: “Mora misafoaka” angamba ianao, satria mety ho toy izany ny fianakavianao, na ny manodidina anao, na koa mety hisy antony hafa. (Ohabolana 29:22) Azonao fehezina anefa ny hatezeranao. Ataovy toy ny hoe ao anaty fiara ianao. Afaka mifehy an’ilay fiara ianao raha mpamily. Raha mpandeha kosa ianao, dia hoentin’ilay fiara any amin’izay tiany fotsiny. Inona àry no tianao? Ho toa an’ilay mpamily ve ka hifehy ny hatezeranao? Sa ho toa an’ilay mpandeha, ka hanaiky hofehezin’izy io fotsiny? Ho vitanao ny hifehy ny hatezeranao, satria efa nahavita izany ny hafa!—Kolosianina 3:8-10.

Andinin-teny mahasoa: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.”—Efesianina 4:31.

Hevi-diso: “Mety amiko kokoa ny manapoaka ny hatezerako, toy izay hitazona azy io.”

Ny tena marina: Samy tsy hahatsara ny fahasalamanao ireo. Marina fa misy fotoana ‘hamoahana’ ny fitarainana. (Joba 10:1) Tsy voatery ho toy ny vanja milevina anefa ianao, ka vao voahitsaka dia hipoaka. Afaka miezaka ny tsy hisafoaka ianao, na dia tezitra aza.

Andinin-teny mahasoa: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, ... sy hahafehy tena rehefa misy mahasosotra.”—2 Timoty 2:24.

Hevi-diso: “Tsy hisy hanaja aho raha ‘malemy fanahy amin’ny rehetra.’ ”

Ny tena marina: Tsapan’ny olona fa ilana ezaka be ny mifehy tena. Vao mainka àry ianao hohajainy, raha manao izany.

Andinin-teny mahasoa: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—Romanina 12:18.

Fehezo ny hatezeranao

Ny hafa foana angamba hatramin’izay no nomenao tsiny, raha saro-po ianao. Tsy efa nisy fotoana ve, ohatra, nitenenanao hoe “Izy ihany no nanomboka teo” na hoe “Nataony izay hahatezitra ahy”? Toy ny milaza àry ianao fa ny hafa no mifehy ny fihetseham-ponao. Inona àry no azonao atao? Ampiharo ireto toromarika ireto:

Ekeo fa tompon’andraikitra amin’izay ataonao ianao. Tsy maintsy ekenao aloha fa miankina aminao ihany, fa tsy amin’olon-kafa, ny hoe ho tezitra ianao sa tsia. Aza manome tsiny ny hafa intsony àry. Aleo miaiky hoe ‘Izaho no nanaiky ho tezitra’, toy izay milaza hoe “Izy ihany no nanomboka teo.” Aza miteny hoe “Nataony izay hahatezitra ahy”, fa ekeo hoe ‘Izaho mihitsy no te ho tezitra.’ Ho voafehinao ny hatezeranao, raha ekenao fa ianao no tompon’andraikitra amin’izay ataonao.—Galatianina 6:5.

Fantaro mialoha ny antony. Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” (Ohabolana 22:3) Fantaro mialoha àry izay mety hahatezitra anao. Diniho hoe amin’ny fotoana toy inona ianao no tena mora misafoaka. Hoy, ohatra, i Nadia: “Miasa alina aho ka reraka be rehefa avy miasa. Amin’io aho no tena mora misafoaka.”

Fanontaniana: Rehefa inona ianao no tena mora misafoaka?

․․․․․

Mitadiava fomba tsara kokoa hamaliana. Rehefa misy mampahatezitra anao, dia miezaha hifoka rivotra tsara, aza mampiaka-peo, ary mitenena miadana. Aza manome tsiny an’ilay olona. (Ohatra hoe: “Ilay mpangalatra ity! Nalainao ny akanjoko nefa ianao tsy niera!”) Asehoy aminy kosa hoe nampalahelo anao ny nataony. (“Sosotra be aho fa nindraminao ilay akanjo saika hanaovako, nefa ianao tsy niteny akory.”)

Andramo izao: Tadidio hoe oviana ianao no nisafoaka farany.

1. Inona no nahatonga an’ilay izy?

․․․․․

2. Inona no nataonao sy/na nolazainao?

․․․․․

3. Inona no tokony ho nataonao sy/na nolazainao?

․․․․․

Eritrereto izay ho vokany. Ireto misy toro lalan’ny Baiboly vitsivitsy hanampy anao:

Ohabolana 12:18: “Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.” Mety handratra ny teny lazainao. Mety ho efa fantapantatrao koa fa hilaza zavatra hanenenanao ianao, rehefa misafoaka.

Ohabolana 29:11: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.” Ho toy ny adala ianao raha mimenomenona tsisy farany.

Ohabolana 14:30: “Mamelombelona ny vatana ny fo tony.” Harary ianao raha tsy mahafehy hatezerana! Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Anja: “Mieritreritra tsara aho dieny mbola tsy misafoaka. Maro mantsy ny havanay miakatra tosidra, ary izaho rahateo mora miady saina.”

Inona no dikan’izany? Eritrereto ny ho vokatry ny teninao sy ny ataonao. Hoy i Ony, 18 taona: “Mieritreritra aho hoe: ‘Ahoana re raha misafoaka amin’iny olona iny aho e? Ahoana no ho fahitany ahy? Hanao ahoana ny fifandraisanay? Hanao ahoana aho raha ataon’ny olona an’izany koa?’ ” Afaka mieritreritra fanontaniana toa an’ireo koa ianao alohan’ny hamaliana an’ilay olona, na handefasana hafatra aminy an-taratasy na amin’ny finday na amin’ny ordinatera.

Fanontaniana: Inona no ho vokany raha mampahatezitra anao ny olona iray, ka valianao teny masiaka?

․․․․․

Mangataha fanampiana. Hoy ny Ohabolana 27:17: “Ny vy no andranitana ny vy; dia toy izany koa ny olona ihany no andranitana ny sain’olon-kafa.” (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Maninona raha manontany ny ray aman-dreninao na ny namanao matotra hoe ahoana no ataony mba tsy hampisafoaka azy?

Jereo ny ezaka vitanao. Raiso an-tsoratra ny ezaka vitanao. Isaky ny misafoaka ianao, dia soraty 1) izay nitranga, sy 2) izay nataonao, ary 3) ny zavatra tsara kokoa tokony ho nataonao. Ho hitanao rehefa mandeha ny fotoana, fa ilay zavatra tsara kokoa tokony ho nataonao no tonga dia nataonao!

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany.

ERITRERETO IZAO:

Efa mba nisafoaka na dia ny olona tsy eritreretina hisafoaka mihitsy aza. Inona no ianaranao avy amin’ireto fitantarana ireto?

◼ Mosesy.—Nomery 20:1-12; Salamo 106:32, 33.

◼ Paoly sy Barnabasy.—Asan’ny Apostoly 15:36-40.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Soratako ao amin’ny diary izay tsapako, na resahiko amin’ny mamanay. Mampitony ahy izany.—Alexis, Etazonia.

Manao dia maika any ivelan’ny trano aho rehefa tezitra be. Misokatra tsara ny saiko avy eo, ary misinda ny hatezerako.—Elizabeth, Irlandy.

Saintsainiko tsara aloha ilay zava-mitranga, ary dinihiko hoe inona no mety hitranga raha mivazavaza aho. Hitako hoe tsy tsara mihitsy izany!—Graeme, Aostralia.

[Efajoro, pejy 18]

FANTATRAO VE?

Na Andriamanitra aza indraindray mba tezitra. Ara-drariny foana anefa ny hatezerany, sady voafehiny tsara. Tsy mba manao zavatra tafahoatra mihitsy izy!—Jereo ny Eksodosy 34:6; Deoteronomia 32:4; ary ny Isaia 48:9.

[Sary, pejy 19]

Toy ny fatana gazy ny hatezerana. Ianao ihany no mifidy raha hampiakatra ny hafanany na tsia