Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hataoko fa Namono Tena ny Mpiray Tam-po Amiko? (Jona 2008) Kivy be foana ny zokiko vavy nandritra ny dimy taona, ary maty izy avy eo. Hitako tsara ny fahoriany, ka nieritreritra aho hoe: ‘Nampahonena ny fiainany!’ Nanoro hevitra anefa io lahatsoratra io hoe zavatra mahafinaritra no tokony hahatsiarovana azy. Hitako avy eo fa nahafinaritra ny fiainany, fa tsy hoe “nampahonena.” Betsaka kokoa noho ny fotoan-tsarotra mantsy ny fotoana mamy teo amin’ny fiainany.

S. Y., Japon

Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana no Tsy Matoky Ahy i Dada sy Neny? (Aprily 2008) Namaky an’io Mifohaza! io aho ary nampihatra ny toro lalana ara-baiboly tao. Fantatro avy eo fa toy ny miakatra tsikelikely amin’ny tohatra ny hoe lasa olona matotra sy mendri-pitokisana, fa tsy toy ny miditra amin’ny varavarana. Nila nanaporofo tamin-dry Dada sy Neny aho fa azo itokisana, mba hahazoako fahafahana bebe kokoa. Tsy maintsy namita ny raharahako sy ny entimodiko àry aho. Misaotra anareo amin’ny lahatsoratra toy ireny!

T. L., Etazonia

Fanampiana ho An’ireo Bobo (Jolay 2008) Tratran’io aretina io aho, ka faly erỳ raha vao nahita an’ilay lahatsoratra. Sosotra anefa aho satria miverimberina be ilay teny hoe “bobo.” Teny mampiseho fankahalana ampiasain’ny olona mba hanambaniana anay mantsy izy io.

A. L., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Miala tsiny indrindra izahay raha nanafintohina ny mpamaky. Fampiasan’ny mpitsabo io teny io, ka izany no nampiasanay azy. Ekenay fa misy mampiasa azy io mba hanambaniana olona. Tsy mampaninona ny olona maro tratran’io aretina io koa anefa ilay teny. Tsy nieritreritra ny hanao tsinontsinona an’iza na iza mihitsy izahay.

Misaotra anareo namoaka an’iny lahatsoratra iny. Bobo hoatran’i John aho. Tena tiako ilay lahatsoratra satria marina, araka ny zava-misy, voahevitra tsara, ary hianaran-javatra. Lasa takatry ny namako kokoa izao ny mahazo ahy.

T. M., Etazonia

Fitiavana Mahery Noho ny Rivo-doza! (Aogositra 2008) Mampahatsiahy ahy ny lahatsoratra toa an’io hoe tsy tokony hanahy ny amin’ny hoavy aho, fa hitoky tanteraka amin’Andriamanitra. Nahita ny atao hoe fitiavan-drahalahy aho, telo taona lasa izay. Ravan’ny tondra-drano ny tranon’ny ray aman-dreniko tsy Kristianina, ka tonga nanampy azy ireo avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana. Misaotra an’i Jehovah aho satria anisan’ny fandaminany.

D. W., Polonina

Mahavariana ny Katsaka (Aogositra 2008) Namboly katsaka teo an-jaridainanay izahay, nefa tsy nitovy ny haben’ireo voan-katsaka rehefa matoy. Fantatray izao ny antony, noho iny lahatsoratra iny. Fotony dimy na enina monja mantsy no azonay nambolena, ka tsy toy ny fanirin’ny katsaka eny amin’ny saha lehibe ny faniriny. Nafindranay teo amin’ireo ‘volon-katsaka’ tsirairay àry ireo vovobony, tamin’ny herintaona, ka nahazo katsaka mamy sy mitovy habe izahay. Misaotra betsaka!

R. W., Japon