Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana ho An’ny Tanora

Fanampiana ho An’ny Tanora

Fanampiana ho An’ny Tanora

Hitarika sy hampiofana amim-pitiavana an-janany foana ny ray aman-dreny filamatra. Hiresaka amin-janany izy, hamaky teny ho azy, hiara-misakafo aminy, ary hahatakatra ny manjo azy. Tsy lavorary anefa ny ray aman-dreny. Hoy ny Baiboly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”—Romanina 3:23.

Raha tanora ianao, dia mety hahatsapa fa tsy filamatra mihitsy ny fiainanareo ao an-trano, ary mety ho marina ny anao. Maro anefa ny zavatra azonao atao mba tsy hahakivy anao sy hahafalifaly anao foana. Hanampy anao ireto toro lalana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly ireto raha ampiharinao.

Soso-kevitra voalohany

Miaraha amin’ny hafa fa aza mitokantokana

“Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” (Ohabolana 18:1) Tsy mahazo aina ny tanora sasany rehefa be olona manodidina azy, ka aleony mijery tele na manao lalao video. Misy indray saro-kenatra be ka lasa mitokantokana. Milaza, ohatra, ny tovovavy atao hoe Elizabeth fa “menatra lava” izy. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe matahotra aho. Sarotra be amiko ny hanatona olona sy hiresaka aminy.”

Ahoana no nataon’i Elizabeth? Vavolombelon’i Jehovah izy, ka manatrika fivoriana kristianina foana. Hoy izy: “Na dia menatra aza aho, dia ataoko izay iresahana amin’olona iray isaky ny mivory. Raha tsy mahavita aho dia miezaka ny tsy ho kivy, fa hifantoka amin’izay ezaka efa vitako. Hitako fa tena nandray soa aho, rehefa niezaka ny hahalala ny hafa.”

Nahoana raha manoratra anaran’olona roa na telo tianao ho fantatra misimisy kokoa? Miezaha hahafantatra zavatra mbola tsy fantatrao momba ny iray aminy, ao anatin’ny herinandro eo ho eo. Soraty, avy eo, izay zavatra tsara azonao atao ho an’ny tsirairay aminy mandra-pahatongan’ny volana manaraka, ary ataovy izany.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Lasa mieritreritra be loatra momba ny tenanao ianao raha tsy mitady vahaolana fa mitokantokana. Manoro hevitra antsika anefa ny Baiboly hoe: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” (Filipianina 2:4) Raha mampihatra an’io toro lalana io ianao rehefa mifandray amin’ny fianakavianao sy ny olon-kafa, dia tsy hieritreritra be loatra momba ny olana mahazo anao. Ho mora aminao koa ny handamina azy ireny.

Soso-kevitra faharoa

Andosiro ny fijangajangana

“Andosiro ny fijangajangana. Izay fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin’ny vatany ihany.” (1 Korintianina 6:18) Mahazatra ny tanora maro ny mijangajanga. Inona anefa no hanampy anao tsy ho voatarika hanao izany?

Voalohany, mieritrereta tsara dieny mbola tsy misy maka fanahy anao na mampirisika anao hanao firaisana. ‘Ny malina mandinika ny diany’, hoy ny ohabolana iray. (Ohabolana 14:15) Mitantara toy izao i Mbali, tovovavy atsy Afrika Atsimo: “Nisy ankizilahy iray nanadala ahy foana tany amin’ny lise. Nampirisika ahy hiaraka taminy ny ankizivavy, satria bôgôsy be izy sady mpilalao baolina tao amin’ny ekipan’ny lise. Nokaramaina hanao akanjo hatao dokam-barotra koa izy. Nahafinaritra ahy izy, nefa efa tapa-kevitra aho fa tsy hampandefitra ny fitsipika arahiko mihitsy. Niteny ny ankizy hoe tsy mampaninona ny manao firaisana amin’olona tsy mifankatia aminao akory. Fantatro anefa fa ratsy izany, ka efa ela aho no nahalala an’izay hataoko amin’ny toe-javatra toa an’iny.”

Faharoa, mivavaha amin’Andriamanitra mba hanampiany anao hankatò foana ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. Hoy i Maggie, tovovavy any Angletera: “Lasa manana herim-po handavana tsy hanao firaisana aho rehefa mivavaka. Fantatro fa tsy ho vitako mihitsy ny hiatrika irery an’ilay izy. Resahiko amin’ny ray aman-dreniko koa ilay izy, ary amin’ny namako matotra hafa indraindray.”

Soso-kevitra fahatelo

Fantaro izay tsapan’ny ray aman-dreninao

“Miraisa saina ianareo rehetra ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana.” (1 Petera 3:8) Tsy misy azonao atao raha misaraka ny ray aman-dreninao, na raha tsy maintsy miasa manontolo andro izy ireo. Miankina aminao kosa anefa ny hoe havelanao hanapaka ny fifandraisanao aminy ve izany sa tsia. Fantaro àry izay olana mahazo ny ray aman-dreninao ary mahaiza mangoraka. Tsy ho mora kivy ianao amin’izay, ary ho falifaly foana. 

Nampihatra an’io torohevitra io i Amber. Miaiky izy hoe tsy mifankahazo resaka izy sy ny reniny indraindray, ka mifamaly sy mifanorisory. Hoy anefa izy: “Niaritra ny mafy i Neny teo amin’ny fiainany. Izy irery no nitaiza anay efatra mianadahy. Nataony foana anefa izay hanananay trano hipetrahana, sakafo hohanina, ary akanjo hanaovana. Mampiaiky ahy ny herim-pony, ary tiako raha mba manana herim-po toa azy koa aho rehefa miatrika olana.”

Tsy hieritreritra be loatra momba ny olana mahazo anao ianao, raha miezaka ny hahatsapa izay manjo ny ray aman-dreninao. Mety hanampy anao hahafantatra sy hanahaka ny toetra tsaran’izy ireo koa izany.

Torohevitra azo itokisana

Santionany fotsiny amin’ireo torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo hitantsika teo ireo. Arakaraka ny ianaranao an’io boky io no hahitanao fa azo itokisana ny torohevitra ao anatiny. *

Hahafantatra bebe kokoa momba ny Baiboly ianao raha mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy mianatra Baiboly miaraka amin’izy ireo. Hahazo namana tsara ianao amin’izay. Hanohana anao izy ireo rehefa manana olana ianao, ary hanampy anao hampihatra ny torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly. Tsy mora ny mampihatra azy ireny, nefa handray soa maharitra ianao raha manao izany.—Isaia 48:17, 18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy torohevitra ara-baiboly hanampy ny tanora hiatrika olana, ao amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hita ao amin’ny www.watchtower.org/ypf koa izany torohevitra izany.

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Inona no Ilain’ny Ankizy Amin’ny Ray Aman-dreniny?

Fotoana iarahana: Nilazan’i Jehovah Andriamanitra ny ray aman-dreny israelita mba hiresaka matetika amin-janany, ‘na mipetraka ao an-tranony izy ireo, na mandeha eny an-dalana.’ (Deoteronomia 6:6, 7) Nila nanokana fotoana niarahana tamin-janany àry izy ireo. Tsapan’i Jesosy tsara koa fa nila an’izany ny ankizy. Inona, ohatra, no nataony rehefa ‘nisy zaza nentin’ny olona teo aminy mba hokasihiny’? “Nitrotro an’ireo zaza izy ka nitso-drano azy.” (Marka 10:13, 16) Izany ka modely ho an’ny ray aman-dreny!

Resaka amim-pahatsorana: Hoy ny Baiboly: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana.” (Ohabolana 15:22) Nila niresaka tamim-pahatsorana tamin’ny zanakao ianao, tamin’izy mbola kely. Vao mainka ilaina izany rehefa mihalehibe izy. Lasa tsy mipetraka an-trano mihitsy mantsy izy, fa raha tsy miaraka amin’ny mpiara-mianatra aminy dia miaraka amin’ny namany. Mety hihafahafa àry ny ankizy rehefa ao an-tranony, raha tsy miresaka amim-pahatsorana izy sy ny ray aman-dreniny.

Fifehezana amin’ny antonony: Fanitsiana sy fampiofanana no dikan’ny hoe fifehezana, na dia mety ho tonga ao an-tsaina koa aza ny sazy. Hoy ny Ohabolana 15:5: “Adala izay tsy miraharaha ny anatry ny rainy, fa malina kosa izay mihaino fananarana.” Tsy afaka ‘hihaino’ fananarana ny ankizy, raha tsy omena azy izany. Mila mahay mandanjalanja anefa ny ray aman-dreny rehefa mifehy ny zanany. Tsy tokony ho hentitra loatra izy ireo ka hampahatezitra ny zanany, na mety hahatonga azy ireo tsy hatoky tena mihitsy. (Kolosianina 3:21) Ho ratsy be anefa ny vokany raha milefitra loatra ny ray aman-dreny, ka tsy manome ny fampiofanana tena ilain’ny zanany tanora. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny toko faha-5 sy faha-6 amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.