Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijaly any Amin’ny Afobe ve ny Ratsy Fanahy?

Hijaly any Amin’ny Afobe ve ny Ratsy Fanahy?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Hijaly any Amin’ny Afobe ve ny Ratsy Fanahy?

NINO mafy i Gertrude, pasitera pentekotista, fa misy ny afobe mirehitra. Nihevitra izy fa tsy rariny raha tsy misy izy io. Tsy ho voasazy mantsy, hono, ireo mpanao heloka bevava mahatsiravina, raha tsy misy ny afobe mirehitra. Niziriziry tamin’ny heviny i Gertrude. Hoy izy: “Tsy ho nanompo an’Andriamanitra aho, raha tsy sazina any amin’ny afobe ny ratsy fanahy.”

Hampijalina any amin’ny afobe ve ny ratsy fanahy, araka ny ampianarin’ny fivavahana maro? Raha tsy izany, inona no sazy ho azon’izy ireo?

Ny fotoana voalohany nanasazian’Andriamanitra ny olona

Lazain’ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra lavorary i Adama sy Eva, mpivady voalohany. (Genesisy 1:27; Deoteronomia 32:4) Napetrany tao amin’ny paradisa izy ireo ary nomeny fahafahana hiaina mandrakizay. Zavatra iray ihany no tsy azon’izy ireo natao. Hoy Andriamanitra: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.”—Genesisy 2:16, 17.

Nampalahelo fa tsy nankatò an’io didy io ireo ray aman-drenintsika voalohany, fa nivadika. Tsy maintsy nanameloka azy ireo ho faty àry ny Mpamorona. Hoy izy: “Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”—Genesisy 3:19.

Tsy ho nilaza tamin’i Adama sy Eva ve Andriamanitra raha hosaziny any amin’ny afobe izy ireo? Tsy niresaka mihitsy izy hoe hijaly ny olombelona aorian’ny fahafatesana. Ahoana moa no hijalian’izy ireo? Izy aza tsy manana fanahy tsy mety maty afaka miaina aorian’ny fahafatesana.

Mpanome aina ilay Mpamorona antsika, ka mahafantatra ny zava-drehetra momba ny fiainana sy ny fahafatesana. Hoy izy ao amin’ny Teniny: ‘Tsy mahalala na inona na inona ny maty.’ (Mpitoriteny 9:5) Tsy nijaly tany amin’ny afobe àry i Adama sy Eva, taorian’ny nahafatesany. Niverina ho vovoka fotsiny izy ireo, ary tsy nisy intsony. ‘Tsy nahalala na inona na inona’ izy ireo.

Hijaly ve isika aorian’ny fahafatesana?

Hoy ny Baiboly ao amin’ny Romanina 5:12: ‘Niditra tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.’ Ara-dalàna ve ny ieritreretana hoe hijaly any amin’ny afobe ny olona noho ny fahotany, nefa i Adama izay nahatonga ny olona rehetra ho faty aza lasa vovoka fotsiny rehefa maty?—1 Korintianina 15:22.

Mitovy ihany ny didy nampiharina tamin’i Adama sy ampiharina amintsika. “Fahafatesana no tambin’ny ota.” “Afaka madiodio amin’ny fahotany” koa ny olona rehefa maty. (Romanina 6:7, 23) Raha samy maty daholo ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy ary tsy misy mijaly aorian’ny fahafatesana, ahoana no ampiharan’Andriamanitra ny rariny?

Fomba ampiharan’Andriamanitra ny rariny

Tsy niova ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona mankatò, hatramin’ny namoronany ny mpivady voalohany sy ny nilazany tamin’izy ireo mba hiteraka sy hikarakara ny tany. (Genesisy 1:28) Mbola izany ihany no fikasany, araka ny nolazainy tatỳ aoriana hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.

Mariho fa hiaina eto amin’ity tany ity ny olo-marina. Ho salama sy ho sambatra izy ireo. “Hahomby” na ho tanteraka ny fikasany tany am-boalohany hoe ho feno olo-marina ny tany. Hitranga izany rehefa hosoloany tontolo vaovao ity tontolo ratsy ankehitriny ity.—Isaia 55:11; Daniela 2:44; Apokalypsy 21:4.

Ahoana ny amin’ireo olona an’arivony tapitrisa maty nefa tsy nahalala izay takin’Andriamanitra? Hatsangana izy ireo, ary hampianarina mba hahafahany hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. (Isaia 11:9; Jaona 5:28, 29) Hiharan’ny “fahafatesana faharoa” ireo tsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Tsy hifoha intsony izy ireo.—Apokalypsy 21:8; Jeremia 51:57.

Mazava àry fa tsy hampijaly ny olona any amin’ny afobe i Jehovah, satria Andriamanitra fitiavana izy. (1 Jaona 4:8) Tsy hilefitra amin’ny faharatsiana foana koa anefa izy. Hoy mantsy ny Salamo 145:20: “Miaro an’izay rehetra tia azy i Jehovah. Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.” Tsy hita avy amin’izany ve fa Andriamanitra be fitiavana sy manao ny rariny izy?

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika?—Genesisy 3:19.

◼ Manao ahoana ny olona rehefa maty?—Mpitoriteny 9:5.

◼ Ahoana no hanasazian’Andriamanitra ny ratsy fanahy?—Salamo 145:20.

[Teny notsongaina, pejy 11]

‘Tsy mahalala na inona na inona ny maty.’—Mpitoriteny 9:5

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sary: www.comstock.com