Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona avy Ireo Olana?

Inona avy Ireo Olana?

Inona avy Ireo Olana?

Ahoana ny hevitrao? Sarotra kokoa noho ny an’ny tanora taloha ve ny olana atrehin’ny tanora ankehitriny? Raha tsia no havalinao, dia ny tanora ankehitriny izany no hitanao fa sambatra indrindra amin’ny tanora rehetra hatramin’izay.

Tsy marary na matin’aretina toy ny tanora taloha ny tanora ankehitriny, satria mandroso ny fitsaboana any amin’ny tany maro. Efa misy koa izao ny fitaovana sy kilalao elektronika mba nirin’ny tanora taloha ho azo. Fianakaviana an-tapitrisany koa no tsy mahantra intsony, noho ny fandrosoana ara-toe-karena. Miasa mafy ny ray aman-dreny maro, satria tiany hiadana sy ho afaka hianatra tsara ny zanany. Tsy mba niainan’izy ireo mantsy izany.

Manana tombony maro tokoa ny tanora ankehitriny. Miatrika olana lehibe mbola tsy nisy toy izany koa anefa izy ireo. Anisan’ny mahatonga izany ny fotoana iainantsika. Antsoin’ny Baiboly hoe “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy io. (Matio 24:3) Efa nilaza mialoha i Jesosy Kristy fa hikorontana be ny fiainana amin’io fotoana io. (Matio 24:7, 8) Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” izy io ary “tsy [ho] mora setraina.” (2 Timoty 3:1) Andeha hojerentsika ny sasany amin’ireo olana tsy mora setraina mianjady amin’ny tanora.

Olana voalohany

Mihabetsaka ny tia mitokantokana

Hafa mihitsy ny fiainan’ny tanora asehon’ny filma sy ny fandaharana amin’ny tele ary ny gazetiboky. Be namana izy any am-pianarana ary mbola mpinamana foana ry zareo na efa lehibe aza. Tsy izany anefa ny zavatra tena iainan’ny tanora maro.

Nanadinadina tanora an’arivony tany Etazonia i Barbara Schneider sy David Stevenson, mpikaroka, ka hita fa “vitsy ihany ny ankizy efa mpinamana akaiky tany am-pianarana, ary mbola mpinamana foana atỳ aoriana.” Milaza i Schneider sy Stevenson fa maro ny tanora “tsy mahay mifandray aman’olona, sy tsy dia manana namana akaiky sahiny iresahana olana na zavatra hafa.”

Raha mana-namana indray ilay ankizy, dia toa zara raha miaraka izy ireo. Nasehon’ny fandinihana hafa natao tany Etazonia fa tsy dia miaraka amin’ny namany ny ankamaroan’ny tanora. Betsaka kokoa ny fotoana anaovany zavatra irery noho ny fotoana iarahany amin’ny fianakaviany na ny namany. Misakafo irery izy, mandeha irery, na miala voly irery.

Vao mainka mampitokantokana ny ankizy ny fielezan’ny fitaovana elektronika. Nilaza, ohatra, ny gazety Fotoana (anglisy), tamin’ny 2006, fa mandany adiny enina sy sasany eo ho eo isan’andro ny ankizy eo anelanelan’ny 8 sy 18 taona any Amerika, mba hijerena tele na hihainoana hira na hanaovana lalao video na hampiasana ordinatera. *

Marina fa tsy vao izao no nisy tanora nihaino hira sy nilalao. (Matio 11:16, 17) Raha be loatra anefa ny fotoana laniny hampiasana fitaovana elektronika irery, fa tsy mba hiarahany amin’ny fianakaviany, dia mety hanimba azy izany. Hoy ihany i Schneider sy Stevenson: “Milaza ny tanora fa rehefa irery izy ireo dia mihevi-tena ho tsy misy vidiny, sorisorena, tsy mankafy ny zavatra ataony, ary kamokamo.”

Olana faharoa

Ampirisihina hanao firaisana

Ampirisihina mafy ny tanora mba hanao firaisana, eny fa na dia ireo latsaka ny 13 taona aza. Hoy i Nathan, tanora any Aostralia: “Vao 12 ka hatramin’ny 15 taona ny ankamaroan’ny ankizy tany am-pianaranay dia efa nanomboka nanao firaisana.” Milaza koa i Vinbay, tovovavy any Meksika, fa fanaon’ny ankizy tany am-pianarany ny manao firaisana amin’olona tsy mifankatia aminy akory. Hoy izy: “Hafahafa ny fahitan’ny ankizy anao raha mbola tsy nanao firaisana ianao.” Hoy koa i Ana, 15 taona, any Brezila: “Tena mahazatra ny ankizy ny manao firaisana amin’olona tsy mifankatia aminy akory, ka tsy ampy raha indray mandeha fotsiny ianao no mandà, rehefa misy manasa anao hanao firaisana.”

Nanadihady tanora 1 000, teo anelanelan’ny 12 sy 19 taona, ny mpikaroka tany Royaume-Uni. Hitan’izy ireo fa efa ho ny antsasak’ireo tanora ireo no zatra manao firaisana tamin’ny fomba samihafa, ary vao 12 taona ny ampahadiminy! Hoy i Dylan Griffiths, manam-pahaizana nitarika an’ilay fanadihadiana: “Tsy manana ny lanjany intsony ny fianakaviana sy ny Fiangonana ary ny fikambanana hafa, ka voa mafy ny ankizy ankehitriny.”

“Voa mafy” tokoa ve ny ankizy manao firaisana? Nisy tatitra nataon’i Rector sy Noyes ary Johnson, tamin’ny 2003. Nilaza ireo mpikaroka ireo fa lasa ketraka sy te hamono tena ny ankizy mpanao firaisana. Nanadinadina tanora 6 500 izy ireo, ary nahita fa ‘mora ketraka ny ankizy mpanao firaisana, na lahy izany na vavy, raha oharina amin’ireo tsy mpanao. Ny ankizivavy anefa no tena mora voa amin’izany.’

Olana fahatelo

Tokantrano mikorontana

Nisy fiovana tampoka teo amin’ny firafitry ny fianakaviana sy ny kolontsaina tany Etazonia. Hoy ny boky iray momba ny tanora any Amerika: “Niova be ny firafitry ny fianakaviana tao anatin’ireo taona maromaro lasa, ary nisy fiantraikany mivantana teo amin’ny tanora izany. Nihanihena ny isan’ny mpianakavy, amin’ny ankapobeny, ka lasa vitsy ny mpiray tam-po. Mihabetsaka ny mpivady misaraka, ka mihamaro ny ankizy tezain’ny rainy na ny reniny irery. Miasa koa ny ankamaroan’ny reny manan-janaka latsaka ny 18 taona, ka matetika no tsy misy olon-dehibe ao an-trano.”

Ankizy maro no mahatsapa fa amin’ilay fotoana ilany azy iny indrindra ny ray aman-dreniny no toa lavitra azy. Nisy fandinihana natao tamin’ny tanora 7 000 nandritra ny taona maro, ary hita fa ny ankamaroany no mahatsapa hoe be fitiavana sy mora milefitra ny ray aman-dreniny. “Ny ampahatelony fotsiny [anefa] no nilaza fa tena niahy sy nanampy azy ny ray aman-dreniny rehefa nanana olana izy. Ho an’ny tanora maro, dia toa amin’ilay fotoana tsy ahafahan’ny ray aman-dreniny manampy iny mihitsy no mipoitra ny olana.”

Nifankatia be ny fianakaviana japoney taloha. Ny harena indray anefa izao no lasa zava-dehibe kokoa amin’izy ireo. Hoy i Yuko Kawanishi, mpampianatra: “Anisan’ireo zaza teraka taorian’ny Ady Lehibe II ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ankehitriny. Rehefa nihalehibe izy ireo, dia ny hahomby sy ny hanan-karena no lasa zava-dehibe taminy.” Inona àry no toe-tsaina namolavolan’izy ireo ny zanany? Hoy i Kawanishi: “Izay hahatafita an-janany amin’ny fianarana no tena imasoan’ny ray aman-dreny maro. Tsy mampaninona azy na tsy raharahainy mihitsy aza izay mitranga ao an-trano, raha mbola mianatra tsara ny zanany.”

Tafahoatra ny fampirisihana ny tanora mba hanan-karena sy ho tafita amin’ny fianarana. Inona no vokatr’izany eo aminy? Mampiasa ny teny hoe kireru ny fampahalalam-baovao any Japon, rehefa miresaka momba ny tanora terena hanao zavatra tsara ka kivy tampoka. Hoy i Kawanishi: “Raha hoatran’ny voa kely ny sain’ny ankizy iray rehefa manao zavatra, dia angamba satria hitany fa tsy mahafehy azy ny fianakaviany.”

Mbola misy fanantenana

Marina fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Efa nilaza tokoa ny Baiboly fa hihamaro ny olana atrehin’ny olona amin’io fotoana io. Tsy izay ihany anefa no voalaza ao.

Misy torohevitra mahasoa ny tanora, mba hanatsarany ny fiainany, ao amin’ny Baiboly. Tena te hanoro ny tanora ny fomba iatrehana olana i Jehovah Andriamanitra, ilay nanome ny Baiboly. (Ohabolana 2:1-6) Tiany ho sambatra ny tanora. Nanome ny Teniny izy, “mba ho malina ny tanora fanahy, ary hanam-pahalalana sy fahaiza-misaina ny zatovo.” (Ohabolana 1:4) Andeha àry hojerentsika ny toro lalana omen’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mihabetsaka ny ankizy japoney mitoka-monina ao an’efitranony, ka lasa nomena anarana hoe hikikomori. Eo anelanelan’ny 500 000 sy 1 000 000, hono, ny isan’izy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Mora ketraka ny ankizivavy mpanao firaisana raha oharina amin’ireo tsy mpanao, araka ny fanadihadiana iray

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Tanora Manimba Tena

Nisy tatitra natao tany Grande-Bretagne, tamin’ny 2006. Hita tamin’izany fa tao anatin’ny herintaona, dia nitombo avo roa heny ny ankizy 11 ka hatramin’ny 15 taona mampiasa kôkainina. Tanora 65 000 teo ho eo koa no nilaza fa efa nampiasa zava-mahadomelina. Maherin’ny ampahadimin’ny tanora eo anelanelan’ny 16 sy 24 taona kosa no fantatra fa somary miankin-doha amin’ny toaka na marary noho ny toaka, any Holandy.

Mbola ratsy kokoa ny fomba ampisehoan’ny tanora maro hoe miady saina izy. Didiany ny vatany, na kekeriny, na dorany. Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Len Austin sy Julie Kortum: “Tombanana ho telo tapitrisa ny Amerikanina mandratra tena, ary tanora iray isaky ny 200 no mitondra takaitra vokatr’izany.”

[Sary, pejy 3]

Tanora maro no tsy mana-namana akaiky mba hamborahany ny ao am-pony