Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihazona Mafy ny Tanana Ankavanan’Andriamanitra

Mihazona Mafy ny Tanana Ankavanan’Andriamanitra

Mihazona Mafy ny Tanana Ankavanan’Andriamanitra

◼ Vao teraka i Jezreel, any Meksika, dia efa nanana aretin-koditra tsy fahita firy. Miempaka sy mihamafy ny hodiny ka toy ny misy kirany. Hoy i Jezreel: “Tsy mifindra ilay aretiko nefa maharikoriko be ny mijery ahy.”

Hopitaly maro no efa nitsaboana an’i Jezreel hatramin’izy mbola kely. Natokan-toerana izy tany amin’ny hopitaly, tamin’izy roa taona, mba hiarovana azy amin’ny otrikaretina. Mbola tsy nisy fihatsarana ihany anefa. Nahatsiaro ho nailikiliky ny hafa izy, ka notsaboina koa ny sainy.

Matetika i Jezreel no ihatakatahan’ny olona satria heverin’izy ireo fa mifindra ilay aretiny. Mafy taminy izany, indrindra tamin’izy mbola kely, satria mba te hiara-hilalao amin’ny ankizy izy. Hoy i Jezreel: “Hihomehezan-dry zareo aho, sady petahany anarana. Nolazain-dry zareo, ohatra, hoe faty mitsangana aho, na olona avy any amin’ny planeta hafa.”

Misy mahatsara an’ilay aretin’i Jezreel ihany anefa. Ahafahany miresaka momba ny fanantenany ao amin’ny Baiboly ilay izy. Matetika ny olona no manatona azy ary manontany raha may izy. Rehefa avy mandà izy, dia manontany indray ny olona hoe nahoana no hafahafa ny hodiny. Hazavainy ilay aretiny, ary lazainy fa mbola tsy misy fanafany aloha ilay izy hatramin’izao.

Miteny izy avy eo hoe: “Manana fanantenana faran’izay tsara aho. Milaza mantsy i Jehovah Andriamanitra fa hiaina ao amin’ny tontolo vaovao tsy hisy aretina sy fijaliana ny olona mankatò ny lalàny.” (Apokalypsy 21:3, 4) Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’olona be dia be àry i Jezreel. Faly koa izy satria lasa Vavolombelon’i Jehovah toa azy ny maro tamin’izy ireny.

Hoy i Jezreel: “Tena faly aho fa teraka tao amin’ny fianakaviana kristianina. Vavolombelon’i Jehovah aho, ary mana-namana tsara. Tsy misy manilikilika ahy izy ireo, na dia hafahafa aza ny paoziko. Natao batisa aho, tamin’izaho 17 taona. Afaka nanompo ny Mpamorona aho ary nahazo andraikitra maro, nandritra an’izay 14 taona naha vita batisa ahy izay.”

Tadidin’i Jezreel foana ity teny mampahery nolazain’i Jehovah ao amin’ny Isaia 41:10, 13 ity: “Aza matahotra fa momba anao aho. ... Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana. Fa izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ”

Mihazona mafy ny tanana ankavanan’i Jehovah i Jezreel. Izany no nanampy azy tsy hanahy be loatra momba izay eritreretin’ny olona, sy hiatrika izay olana mifandray amin’ny aretiny. Miandry ny fampanantenan’Andriamanitra ho tanteraka izy, toy izay ataon’ny olona an-tapitrisany maro koa.