Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanova An’izao Tontolo Izao ny Fivoaran’ny Fambolena

Nanova An’izao Tontolo Izao ny Fivoaran’ny Fambolena

Nanova An’izao Tontolo Izao ny Fivoaran’ny Fambolena

AHOANA no ahazoanao sakafo? Mividy ianao sa mamboly? Samy namboly ny sakafo hohaniny ny ankamaroan’ny olona taloha. Olona 2 ao anatin’ny 100 ihany anefa izao no mivelona amin’ny fambolena, any amin’ny tany mandroso sasany. Inona no nahatonga izany?

Nanomboka nivoatra tsikelikely ny fambolena, ary nandroso haingana avy eo. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fianakaviana an-tapitrisany ny fiovana rehetra nitranga tamin’izany, ary mbola mitohy foana izany fiovana izany maneran-tany. Hodinihintsika àry ny vokatr’ilay fandrosoana, satria hanampy antsika hahalala ny zava-mitranga ankehitriny izany.

Nanomboka ny fiovana lehibe

Nisy fiovana lehibe nitranga taorian’ny taona 1100. Nanomboka nampiasa soavaly ny mpamboly tany Eoropa tamin’izay. Nasiana fehin-tenda hoditra izy ireny mba hahafahany hitarika angadinomby. Tsy kenda izy rehefa asiana azy io, ary afaka misintona mafy sy haingana ary maharitra kokoa raha oharina amin’ny omby. Nanjary azo nampiasana angadinomby na dia ny tany sarotra nasaina aza. Ankoatra izany, dia nanao voly manatsara ny nofon-tany ny olona. Anisan’izany ny tsaramaso sy ny pitipoà, izay mahatonga ny tany ho be azota.

Nitombo be ny vokatra noho izany fandrosoana izany, ka namidy tany an-tanàn-dehibe izay tsy natao sakafo. Nihabetsaka àry ny olona nifindra tany an-tanàn-dehibe. Nisy koa nanorina orinasa na fivarotana. Mpivarotra sy mpamboly ary tompona orinasa nanan-karena no namorona ireo milina voalohany nampiasaina tamin’ny fambolena.

Namorona milina famafazana tarihin-tsoavaly i Jethro Tull, mpamboly anglisy, tamin’ny 1700 tany ho any. Tsy be very ny voa rehefa mampiasa azy io. Namorona milina fijinjana tarihin-tsoavaly koa ilay Amerikanina atao hoe Cyrus McCormick, tamin’ny 1831. Mahavita mijinja vary haingana be izy io. Avo dimy heny noho ny vita amin’ny antsimbary no vitany. Nanomboka nitondra zezika simika avy tany Amerika Atsimo koa ny mpivarotra tonga tao Eoropa tamin’izany. Nitombo be àry ny vokatra noho ny fampiasana milina sy zezika. Inona kosa ny vokatr’izany teo amin’ny olona?

Voatery niakatra tany an-tanàn-dehibe ny fianakaviana an’arivony, satria olona vitsy monja dia nahavita ny asa fambolena sady namokatra sakafo be dia be sy mora. Niasa tamin’ny orinasa fitrandrahana arintany izy ireo, na fandrendrehana vy, na fanamboarana sambo, na fanamboaran-damba. Nihena koa ny tombony azon’ireo tantsaha madinika tsy nahavidy milina sy zezika. Nanjary tsy nahaloa hofan-tany izy ireo, ka voatery nandao ny tanimboliny sy nipetraka tany amin’ny tanàna mahantra, izay be olona sy feno aretina. Tsy maintsy nandao ny ankohonany ny lehilahy mba hitady asa, ka tsy niara-namboly intsony ny fianakaviana. Niasa tany amin’ny orinasa nandritra ny ora maro na dia ny ankizy aza. Tany Grande-Bretagne ireo fiovana ireo no nitranga voalohany, tamin’ny 1750 ka hatramin’ny 1850 tany ho any, ary tsy ela dia nitatra tany an-tany hafa koa.

Nampiova zavatra ny siansa

Nanan-karena ny firenena sasany tamin’ny 1850, ka nampanao fikarohana momba ny fambolena. Misy fiovana foana hatramin’izao, vokatry ny fikarohana toy izany. Nandalina ny toetoetran’ny zavamaniry, ohatra, ny mpahay siansa, ka nahita fomba hahazoana voa ngeza kokoa sady tsy mora andairan’aretina. Hainy koa ny fatrana nitirata sy fosifaty tokony hafangaro, mba hahazoana izay karazana voa sy tany ilaina. Navana foana ny voly taloha. Betsaka anefa no very asa rehefa nahita fanafody mampiadana ny fanirin’ny ahidratsy ny mpahay siansa. Saika efa misy fanafody famonoana azy daholo koa izao ny bibikely rehetra, anisan’izany ireo kankana sy voangory fahavalon’ny mpamboly hatry ny ela. *

Niova koa ny fiainan’ny mpiompy. Olona roa monja dia mahavita mikarakara ombivavy 200, rehefa mampiasa milina mpanome sakafo sy mpitery ronono. Mora matavy ny kisoa sy ny zanak’omby rehefa ompiana ao anaty trano, satria voara-maso ny hafanany sy ny sakafony.

Tena nahavariana ny vokatr’izany fandrosoana izany. Namokatra avo zato heny na arivo heny noho ny teo aloha ny tsirairay tamin’ny mpiasan’ny mpamboly sasany. Inona anefa no vokatr’izany teo amin’ny olona?

Niova ny fiainan’ny mpamboly

Nanova ny fiainan’ny mpamboly tany amin’ny toerana maro ny milina. Tsy maintsy nahay nampiasa sy nikojakoja milina be pitsiny ny ankamaroan’izy ireo sy ny olona nokaramainy. Nihabetsaka koa ny olona niasa irery. Tsy niara-namafy sy niava ary nijinja intsony ny olona, ka vita hatreo ny fiarahana nahafinaritra taloha.

Mpandraharaha mihitsy izao ny mpamboly any amin’ny tany maro, sady manam-pahaizana be. Karazam-boly vitsivitsy na iray monja no amboleny, ary ataony izay hamokarana be dia be. Manana tany sy trano ary milina izy ireny ary nandany vola be hividianana izany. Tsy mahaleo tena velively anefa izy ireny, satria ireo orinasa mpanodina sakafo sy fivarotana lehibe no manapaka ny karazan’ny vokatra ilaina, ny hangezany, ny lokony, ary ny ho vidiny. Ny injeniera no mamaritra ny zavatra rehetra atao mandritra ny fambolena, ary orinasa manokana no mamatsy ny zezika sy ny fanafody famonoana bibikely ary ny masomboly mety amin’ny taniny. Nihatsara ny fomba fambolen’izy ireo raha oharina amin’ny fanaon’ny razambeny, kanefa mbola misy ihany ny zava-tsarotra. Misy koa aza manahy sao hisy vokany ratsy ny fomba fambolena sasany.

Mbola misy ny olana

Mbola voatery mandao ny tanimboliny ny tantsaha maro any amin’ny firenena manankarena, satria tsy mahavita mifaninana amin’ny orinasa mpamboly. Ny hafa indray voatery manao vadin’asa, mba tsy hialana amin’ilay fomba fiaina mahafinaritra azy. Mampanofa trano ilasian’ny mpizaha tany izy, ohatra, na manokatra toerana fitsangantsanganana sy filalaovana golfa, na manao asa tanana mampiavaka ny taniny. Misy koa manao zavatra tsy dia be mpanao: Mamboly sy mivarotra voninkazo na zavamaniry tsy ampiasana zavatra simika, miompy sy mivarotra aotirisy sy karazan-drameva manana volo hafakely.

Ahoana kosa ny tany mahantra? Niova be koa ny fiainan’ny tantsaha, izay 80 isan-jaton’ny mponina. Lasan’ireo orinasa avy any ivelany mantsy ny ankamaroan’ny tany tsara indrindra. Mampiasa fomba fambolena maoderina izy ireny, ary aondrany any an-tany hafa ny vokatra. Tany kely na tany ngazana àry sisa no mba azon’ny tantsaha maro iasana sy ahazoana sakafo ho an’ny fianakaviany. Zara raha manana milina koa izy ireo na tsy manana mihitsy.

Mbola maro hatramin’izao ny olona mifindra any an-tanàn-dehibe, vokatr’ilay fiovana nanomboka taonjato maro lasa izay. Mahazo tombony ny sasany, fa mijaly ny sasany. Fitondram-panjakana vitsy monja no mba nangoraka sy nanampy ny olona nijaly. Tena mila ny Fanjakan’Andriamanitra tokoa ny olombelona! Izy io mantsy no hanova ny fiainana ho tsara kokoa.—Isaia 9:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy mampirisika ny olona hanaraka fomba fambolena sy fiompiana manokana ny Mifohaza!

[Efajoro/Sary, pejy 23]

FOMBA FIASA KARAZANY ROA

Hoy i Eusebio, any Andes: ‘Manana anarana daholo ny ombinay 14. Tiako koa ny mamboly. Izahay ihany no mamboly ny legioma rehetra ilainay. Manao valin-tanana izahay mivady sy ny mpiara-monina aminay rehefa hiasa tany sy hijinja ny vokatra. Tsy misy manana milina izahay fa omby no ampiasainay, ary asainay amin’ny angady ny tany eny amin’ny toerana mideza.

‘Matin’ny aretina ny ankamaroan’ny ombinay indray mandeha. Nianatra vetivety momba ny fitsaboana biby àry aho. Tsy nisy matin’ny aretina intsony ny biby fiompinay taorian’izay, ary afaka manampy ny mpiray tanàna aminay koa aho rehefa marary ny biby fiompiny. Mivarotra fromazy any an-tsena izahay saingy tsy mahazo tombony firy. Na izany aza, dia nanan-kohanina foana ny zanakay enina mianadahy.’

Mamboly amin’ny tany 500 hektara mahery kosa i Richard any Kanada. Miasa irery izy, fa rehefa hamafy sy hijinja ihany vao manakarama olona iray hanampy azy.

Hoy izy: “Ny saina indray izao no tena reraka rehefa mamboly. Voaro amin’ny vovoka sy ny bibikely sady mangatsiatsiaka erỳ aho rehefa mitondra ny trakterako sy ny milina fijinjana, satria arifomba ireo fitaovana ireo. Sivy metatra ny sakan’ny milina sasany, ka iray andro aho dia mahavita mamafy na mijinja 65 hektara. Miantehitra be loatra amin’ny milina anefa aho, ary izay no mandrera-tsaina! Tsy maintsy soloana mantsy izy ireny indraindray, ka midi-trosa aho. Tsy miankina amiko anefa ny ahafahako mamerina an’ilay trosa, fa miankina amin’ny orana, ny fanala, ny vidin’ny vokatra, ary ny zanabola. Nanana olana am-panambadiana ny mpamboly maro tetỳ noho ny adin-tsaina toy izany, ary nisy aza namono tena.”

[Sary, pejy 21]

Nanampy ny mpamboly hijinja haingana kokoa ny milina noforonin’i McCormick tamin’ny 1831

[Sary nahazoan-dalana]

Wisconsin Historical Society, WHi-24854