Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rambondanitra eny Ambony Ranomasina

Rambondanitra eny Ambony Ranomasina

Rambondanitra eny Ambony Ranomasina

◼ Efa nahita rambondanitra teny ambony rano ve ianao? Nisy iray niforona tany amin’ny morontsirak’i Tahiti, tamin’ny 25 Desambra 2005. Avo be nanakatra ny lanitra ilay izy. Rivotra sy rano no niara-nitambolimbolina nandritra ny antsasak’adiny. Nihalevona tsikelikely ilay izy, ary avy eo nanjavona.

Matetika no tsy mahery vaika toy ny rambondanitra etỳ an-tanety ny rambondanitra eny ambony rano. Folo minitra ny faharetany amin’ny ankapobeny, na dia maharitra adiny iray aza ny sasany. Any an-dranomasina izy no miforona, ka kisendrasendra fotsiny vao hita. Tsy tena azon’ny mpamantatra ny toetrandro àry ny momba azy ireny. Voalaza fa mamoaka feo mafy toy ny feona lamasinina izy ireny indraindray.

Hoy ny mpanao salamo rehefa nanazava ny fihetseham-pony nifamahofaho: “Ny rano lalina miantso ny rano lalina, rehefa re ny feon’ny rano mifantsitsitra.” (Salamo 42:7) Marina fa tsy afaka milaza isika hoe rambondanitra eny ambony rano no tian’ny mpanao salamo horesahina eo. Mety ho azo oharina amin’izy io anefa ny fihetseham-pony. Nilaza mantsy izy fa ‘namoy fo’ sy “sahiran-tsaina.” Nahazo fampiononana avy tamin’Andriamanitra anefa izy, ka nilaza hoe: “Hiandry an’Andriamanitra aho, satria mbola hidera azy, fa izy no famonjena lehibe ho ahy sady Andriamanitro.”—Salamo 42:11.

Toa an’ilay mpanao salamo, dia mety hiatrika olana toy ny rambondanitra eny ambony rano isika. Ho famonjena lehibe ho antsika anefa Andriamanitra, raha miandry azy isika.