Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Misy ifandraisany amin’ny toetrandro ny 90 isan-jaton’ny loza miseho ankehitriny. Nitombo avo roa heny izany tato anatin’ny 20 taona, izany hoe lasa 400 mahery isan-taona, raha 200 isan-taona teo aloha.”—JOHN HOLMES, SEKRETERA JENERALY LEFITRY NY FIRENENA MIKAMBANA MISAHANA NY FANAOVANA ASA SOA SADY MPANDRINDRA NY FANAMPIANA TRA-BOINA.

Zon’ny Teratany

Nolanina tamin’ny 2007 ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana Momba ny Zon’ny Teratany. Efa voadika amin’ny fitenin-drazana roa be mpampiasa indrindra any Meksika izao izy io, dia ny fiteny maya sy nahuatl. Milaza ny gazety El Universal fa Meksikanina “folo tapitrisa, fara fahakeliny, no tsy mahalala ny zony, ka matetika no tsy fantany akory hoe hararaotin’ny sasany izy.” Voalaza fa afaka ny ho voahaja ny zon’izy ireo, noho ilay fanambarana nadika tamin’ny fiteniny.

Mivarotra ny Maha Virjiny Azy

Milaza ny gazety Newsweek Polska fa manafintohina an’ireo manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, ny mahita tanora poloney mbola virjiny nefa vonona hanao firaisana mba hahazoam-bola. Hoy i Jacek Kurzępa, psikology ao amin’ny Oniversiten’i Zielona Góra: “Hatraiza hatraiza dia izao foana no ren’ny ankizy: ‘Azo atakalo vola ny zava-drehetra.’ ” Mihabetsaka mihitsy aza ny tanora manao lavanty ny maha virjiny azy, ao amin’ny Internet. Vidìny lafo anefa izany. Hoy i Kurzępa: “Hisy fiantraikany eo amin’ny fiainany manontolo izany, ary hisy vokany eo aminy sy izay ho vadiny any aoriana any.”

Efa Nisy Mponina Tany Amazonia

Nilaza ny manam-pahaizana avy ao amin’ny Oniversiten’i Floride, izay miasa ao Mato Grosso, Brezila, fa nety ho nisy tanàna “voahodidina manda” tany amin’ny faritra atsimon’i Amazonia. Ala midadasika noheverina fa mbola tsy nodiavin’olona mihitsy io faritra io. Nahita “tanàn-dehibe mifefy sy tanàna kely maromaro mifandray” izy ireo tao amin’io faritra rakotra ala io, izay mirefy 30 000 kilaometatra toradroa. Nirefy 60 hektara ny sasany tamin’ireo tanàna ireo. Araka ny tatitra nataon’ilay oniversite, dia nisy mponina tany, “tamin’ny 1250 tany ho any ka hatramin’ny 1650. Tamin’io taona io mantsy no tonga tany ny Eoropeanina mpanjana-tany. Namono ny ankamaroan’ny mponina tao izy ireo sy ny aretina nentiny.”

Manasitrana ny Zavamaniry

Efa ela ny olona no nihevitra fa mampihena ny adin-tsaina sy ny fanaintainan’ny marary ary mahafalifaly azy ny zavaboary. Manamarina izany ny fikarohana natao vao haingana. Hoy ny Science Daily: “Nisy zavamaniry ny efitrano sasany nametrahana olona avy nodidiana, fa tsy nisy kosa ny hafa.” Tsy dia nanaintaina noho ireo marary hafa ny marary tao amin’ireo efitrano nisy zavamaniry, ary kely lavitra ny fanafody fampitonena nilainy. Salama kokoa ny fony, ary mety tsara ny tosidrany. Nankafy kokoa ny efitranony izy ireo, raha ampitahaina amin’ny marary hafa. Ny 93 isan-jaton’izy ireo no nilaza fa ny zavamaniry tao amin’ny efitranony no “zavatra nahafinaritra indrindra” azy ireo.