Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voaroy Mahasoa Amin’ny Lafiny Maro

Voaroy Mahasoa Amin’ny Lafiny Maro

Voaroy Mahasoa Amin’ny Lafiny Maro

◼ Raha mankany ambanivohitr’i Rosia ianao eo am-piandohan’ny fararano, dia mety hahita karazana voaroy maniry eny amoron-tsiraka. * Hazo madinika izy io, ary feno voa mivolon-daoranjy kely be dia be. Ny sampany rehetra mihitsy no rakotra voa, ka mahavariana erỳ ny mijery azy.

Fihinana io karazam-boaroy io. Mitandrema anefa amin’ny tsilony rehefa mioty azy ianao! Tsy maintsy tangosana tsirairay izy ireo, ary mila tandremana koa sao potsitra. Toe-tany mangatsiaka no tena tiany. Izany no antony ahitana azy any amin’ireo faritra be tendrombohitra any avaratrandrefan’i Eoropa ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Altaï any Azia Afovoany, any amin’ny faritra andrefana sy avaratr’i Chine, ary ny faritra avaratry ny Tendrombohitra Himalaya. Efa hatramin’ny taonjato maro izy io no tian’ny olona tany Chine, Rosia, Tibet, ary tany an-toeran-kafa.

Hita ao amin’ireo boky momba ny fitsaboana nentim-paharazana any Tibet sy ireo boky nampiasain’i Grika fahiny ny anaran’io voaroy io. Midika hoe “soavaly tsara volo” ilay anarany amin’ny teny grika hoe Hippophaë. Nampiasa voaroy na ravim-boaroy mantsy ny Grika fahiny, mba hanatsarana ny volon’ireo soavaly mpihazakazaka.

Ireo Rosianina mpifindra monina tamin’ny taonjato faha-20 no nitondra an’io voaroy io tany Amerika Avaratra. Avy tany Siberia izy io no nentiny tany Kanada sy Etazonia mba hambolena ary hamidy avy eo. Maro ny firenena mamboly azy io ankehitriny, mba hatao sakafo sy hanamboarana fanafody.

Misy otrikaina maro ao anatin’io voaroy io, toy ny vitaminina A, B9, C, E. Ahitana asidra misy menaka sy taharon’alkaola koa ao amin’izy io. Vao haingana dia nisy fikarohana natao mba hahitana raha mety hitsaboana kansera izy io, sy hampihenana ny fihetsehan’ny aretim-po, hitsaboana fery ao amin’ny vavony sy tsinay, ary hitsaboana aretin-koditra sy aretin’aty. Azo anamboarana zava-pisotro koa izy io. Somary marikivy ilay izy ary sotroin’ny olona mba hanasitranana aretina maro.

Tena tian’ny olona koa ilay voany mainty kely ao amin’io voaroy io. Ny menaka ao amin’io voany io no ahitana ny ankamaroan’ireo otrikaina ao amin’ilay voaroy. Hita tamin’ny fikarohana fa mampitombo ny hery fanefitra io menaka io. Ampiasaina amin’ireo zavatra fanatsarana tarehy sy fikarakarana hoditra koa izy io, satria mahatanora kokoa, hono.

Mety hahita an’io voaroy mivolon-daoranjy io ianao sady hankafy ny hakantony, raha sendra mitsidika an’i Rosia. Tsy hoe mahafinaritra fotsiny anefa izy io, araka ny hitantsika teo, fa mahasoa amin’ny lafiny maro koa. Iray amin’ireo zavamaniry manaporofo ny fahendrena sy ny hatsaram-panahin’ny Mpamorona tokoa izy io!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Eny amin’ny morontsirak’i Eoropa sy Azia no tena ahitana azy io.