Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ahafantarako Bebe Kokoa ny Ray Aman-dreniko?

Ahoana no Ahafantarako Bebe Kokoa ny Ray Aman-dreniko?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Ahafantarako Bebe Kokoa ny Ray Aman-dreniko?

Nanam-bahiny ry Jessica ary niara-nisakafo ry zareo. Hoy ny iray tamin’ireo olon-dehibe tamin’ny renin’i Jessica: “Iza, hoy ianao, no hitako indray mandeha izay? I Richard, ilay sipanao tany amin’ny lise!”

Taitra be i Jessica. Mbola tsy henony mihitsy ny momba an’izany Richard izany.

“Hay ve i Neny efa niaraka tamin’olon-kafa, tamin’ny mbola tsy niaraka tamin’i Dada e!”

NAHALALA zavatra tsy nampoizinao momba ny ray aman-dreninao koa ve ianao? Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Inona koa no mbola tsy fantatro?’

Nahoana no misy zavatra tsy fantatrao momba ny ray aman-dreninao? Inona no soa ho azonao raha fantatrao izany? Ary ahoana no hahafantaranao izany?

Misy zavatra tokony hofantarinao

Nahoana no misy zavatra tsy fantatrao momba ny ray aman-dreninao? Mifanalavitra angamba ny misy anareo. Hoy i Tsiaro, * 22 taona: “Nisaraka ny ray aman-dreniko tamin’izaho valo taona. Tsindraindray fotsiny no nahitako an’i dadanay taorian’izay. Betsaka anefa ny tiako ho fantatra momba azy.”

Tsy nilaza taminao ny zava-drehetra momba azy angamba ny ray aman-dreninao, na dia efa niara-nipetraka hatramin’ny ela aza ianareo. Nahoana? Toy ny olon-drehetra ihany, dia mba menatra noho ny fahadisoana nataony taloha izy indraindray. (Romanina 3:23) Mety hatahotra koa izy hoe ho lasa sahisahy ratsy ianao na tsy hanaja azy intsony, raha tantarainy aminao ny fahadisoany.

Angamba koa tsy voaresaky ny ray aman-dreninao taminao fotsiny ny zavatra sasany. Hoy ny tovolahy atao hoe Tojo: “Mahagaga hoe efa an-taonany maro ianao no niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreninao, nefa mbola misy zavatra tsy fantatrao ihany momba azy.” Maninona raha anontaniana ry zareo? Hitondra soa ho anao izany. Ireto ny soa sasany horaisinao:

Soa #1: Ho faly ny ray aman-dreninao. Azo antoka fa ho faly izy ireo noho ianao mba te hahafantatra ny fiainany. Ary iza no mahita raha hahatonga azy hiombom-pihetseham-po kokoa aminao izany?—Matio 7:12.

Soa #2: Ho azonao ny fomba fiheviny. Nahantra ve, ohatra, ry zareo taloha? Izany angamba no mahatonga azy ireo hitsitsy be izao, na dia toa tsy ilaina aza izany, araka ny fahitanao azy.

Mety hahasoa anao ny mahalala ny fomba fihevitry ny ray aman-dreninao. Hoy i Mahenina: “Afaka mieritreritra tsara aho izao hoe inona no ho vokatry ny teniko eo amin-dry zareo, satria azoko ny fomba fiheviny.”—Ohabolana 15:23.

Soa #3: Tsy ho menamenatra ianao hiresaka momba ny fiainanao. Hoy i Léa, 18 taona: “Tsy nahazo aina aho rehefa niresaka tamin’i Dada momba an’ilay ankizilahy tiako. Notantarainy tamiko daholo anefa izay tsapany tamin’izy raiki-pitia voalohany. Notantarainy koa ny nisarahany tamin’ny sipany sy ny alahelony tamin’izay. Vao mainka aho te hitantara aminy ny momba ahy.”

Soa #4: Mety hiana-javatra ianao. Mety hanampy anao hiatrika fanahiana sy olana ny zavatra niainan’ny ray aman-dreninao. Hoy i Justin, 16 taona: “Maro mianadahy izahay ka samihafa ny zavatra ilainay, na teo amin’ny ara-batana izany, na ara-pihetseham-po, na ara-panahy. Tiako ho fantatra àry hoe ahoana no ataon’i Dada sy Neny mba hikarakarana anay rehetra. Misy zavatra tsara azo ianarana avy amin’izany.” Hoy ny Baiboly: “Tsy manam-pahendrena ve ny be taona, ary tsy mahira-tsaina ve izay efa ela niainana?”—Joba 12:12.

Manaova zavatra amin’izay

Tianao ho fantatra bebe kokoa ve ny ray aman-dreninao? Inona no azonao atao? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy:

Fidio tsara ny toerana sy fotoana iresahana. Tsy voatery homanina be ilay resaka, fa aleo manararaotra ny toe-javatra mahazatra, toy ny rehefa miara-milalao, na miara-manao zavatra, na mandehandeha. Hoy i Mahenina, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tiako ny miresaka amin’i Dada sy Neny rehefa manao dia lavitra izahay. Azoko atao tsara ny matory na mihaino hira irery, nefa hitako hoe aleo foana manombo-dresaka.”

Mametraha fanontaniana. Mety hoe efa nifidy tsara ny toerana sy ny fotoana iresahana ianao. Tsy voatery hitantara avy hatrany ny fotoana voalohany naharaiki-pitia azy anefa ny neninao, ary mety tsy hilaza ny nanimbany ny fiaran-dry zareo ny dadanao. Raha manontany anefa ianao dia mety hitantara zavatra mitovitovy amin’izany izy.—Misy soso-kevitra eo amin’ny  efajoro, pejy 12.

Aza misisika amin’ny hevitrao. Mitatra be ny resaka indraindray ka mety halaim-panahy hamerina an’ilay fanontanianao ianao. Mitandrema anefa! Tadidio fa tsy ny hahalala zavatra fotsiny no tanjonao, fa ny hifandray bebe kokoa amin’ny ray aman-dreninao. Fomba tsara anaovana izany ny firesahana zavatra mahaliana azy ireo.Filipianina 2:4.

Mahaiza manavaka. “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.” (Ohabolana 20:5) Mila mahay manavaka ianao, indrindra raha mahasanganehana ilay zavatra tianao hanontaniana, ohatra hoe ny hadalana nataon’ny dadanao tamin’izy hoatr’anao, sy izay ho nataony raha azony naverina ilay zava-niseho. Alohan’ny hanontanianao anefa, dia tsara raha miteny ianao hoe: “Tsy mampaninona anao ve aho raha manontany momba ny...?”

Tandremo izay lazainao. Rehefa mitantara ny fiainany ny ray aman-dreninao, dia aoka ianao ho “mailaka hihaino [sy] tsy ho maika hiteny.” (Jakoba 1:19) Mitandrema sao manambany na maneso azy noho izay vao avy notantarainy. Tsy hitantara na inona na inona aminao intsony izy raha tantarainao amin’olona ny fiainany, na koa raha ilazanao izy hoe: ‘Andray, nahavita an’izany ve i Neny!’ na hoe: ‘Izany kay no mahatonga an’i Dada hasiaka be aminay!’

Afaka manontany foana ianao

Hanampy anao hahafantatra kokoa ny ray aman-dreninao ireo soso-kevitra ireo, raha mbola miara-mipetraka ianareo. Mbola azonao ampiharina ihany anefa ireo, na tsy ao an-trano intsony aza ianao. Mety hanampy anao mihitsy aza ireo mba hanomboka hifandray amin’ny rainao na ny reninao, izay tsy tena fantatrao. Izany no tsapan’i Tsiaro, ilay voaresaka terỳ aloha. Tsy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny intsony izy, nefa nilaza hoe: “Nihanahalala an’i Dada aho tato ho ato, ary tiako be izany.”

Mbola afaka ny hahafantatra bebe kokoa ny ray aman-dreninao ianao, na miara-mipetraka aminy na tsia. Andramo àry ireo soso-kevitra noresahina tato.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany.

ERITRERETO IZAO:

◼ Inona tamin’ny foto-kevitra noresahina tato amin’ity lahatsoratra ity no tianao hanontaniana ny ray aman-dreninao?

◼ Ho fantatrao kokoa ny tenanao raha mahafantatra bebe kokoa ny ray aman-dreninao ianao. Nahoana?

[Efajoro/Sary, pejy 12]

  Apetraho amin’ny ray aman-dreninao ny fanontaniana toy ireto:

FANAMBADIANA: Ahoana no nihaonanareo sy Neny (na Dada)? Inona no nampifankatia anareo? Taiza ianareo no nipetraka taorian’ny mariazinareo?

FAHAZAZANA: Taiza i Dada (na Neny) no teraka? Nanao ahoana ny fifandraisanao tamin’ny mpiray tam-po aminao? Nasiaka sa tsara fanahy ny ray aman-dreninareo?

FIANARANA: Inona no taranja tena hainao tany am-pianarana? Inona no tsy hainao indrindra? Nisy mpampianatra tianao be ve? Inona no tena nitiavanao azy?

ASA: Inona no asa nataonao voalohany? Tianao ve ilay izy? Inona no asa tianao hatao raha afaka nifidy ianao?

ZAVATRA TIANA: Aiza no tianao haleha, raha afaka mitsidika an’izao tontolo izao ianao? Inona no tianao hianarana na hanalana andro?

FIVAVAHANA: Notezain’ny fianakaviana kristianina ve ianao? Raha tsy izany, inona no nahatonga anao ho liana amin’ny Baiboly? Inona no olana natrehinao rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

TOETRA: Inona no toetra tena ilaina raha te hahazo namana tsara, na te ho sambatra, na te hiadana am-panambadiana? Inona no torohevitra tsara indrindra azonao hatramin’izay?

Andramo izao: Mifidiana fanontaniana amin’ireo, ary eritrereto mialoha izay mety havalin’ny ray aman-dreninao. Anontanio izy avy eo, ary ampitahao amin’ilay efa noeritreretinao ny valin-teniny.

[Efajoro, pejy 13]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Miara-misakafo amin’ny namana vitsivitsy ianao sy ny vadinao ary ny zanakareo vavy. Nandeha ny resaka, ka voatenin’ilay namanao ny momba ny sipanao tamin’ianao mbola tsy nanambady. Mbola tsy noresahinao tamin’ny zanakao mihitsy izany teo aloha. Te hanadihady anefa izy izao. Ahoana no hataonao?

Matetika no tsara ny mihaino ny fanontanian’ny zanakao. Efa mifampiresaka mantsy ianareo raha vao mamaly ny fanontaniany ianao, ary izany no tadiavin’ny ray aman-dreny maro.

Hotantarainao aminy daholo ve anefa ny fiainanao taloha? Mazava ho azy fa tsy hitantara zavatra mahasanganehana anao ianao. Raha mety anefa, dia tantarao aminy ny sasany amin’ny fahadisoana nataonao sy ny olana natrehinao. Mety handraisany soa izany. Nahoana?

Hoy, ohatra, ny apostoly Paoly momba ny tenany: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy. ... Indrisy! Olo-mahantra aho!” (Romanina 7:21-24) Nasain’i Jehovah Andriamanitra nosoratana sy notehirizina ao amin’ny Baiboly ireo teny ireo mba hahasoa antsika. (2 Timoty 3:16) Mandray soa tokoa isika, satria mitovy amin’izay tsapan’i Paoly ihany no tsapantsika rehetra.

Afaka mandray soa koa ny zanakao raha fantany ny safidy tsara nataonao sy ny fahadisoanao. Marina fa hafa ny fiainana tamin’ny andronao. Tsy miova anefa ny toetra maha izy ny olona na mandroso aza ny fotoana. Tsy miova koa ny toro lalan’ny Soratra Masina. (Salamo 119:144) Hahavita handresy ny olana mahazo azy ny zanakao raha resahinao aminy ny fomba nandresenao ny olana nahazo anao. Hoy ilay tovolahy atao hoe Tojo: “Lasa hitanao fa tsy hoe lavorary ny ray aman-dreninao fa hoatr’anao ihany, rehefa fantatrao fa efa niatrika olana mitovy amin’ny anao izy. Rehefa manana olana ianao, dia lasa mieritreritra hoe: ‘Efa mba nandalo an’izao koa ve ry zareo?’ ”

Tandremo anefa! Tsy voatery hofaranana amin’ny torohevitra foana ny resaka. Marina fa mety hanahy ianao hoe ho diso fandray an’izay lazainao ny zanakao, na izy hieritreritra fa tsy mampaninona ny manao fahadisoana mitovy amin’ilay nataonao. Aza mamintina an’izay zavatra tianao hampianarina ny zanakao anefa. (“Izany no mahatonga anao tsy mahazo manao an’izao sy izao!”) Izay tsapanao kosa lazaina. (“Rehefa nandinika aho, dia tahaka izay tsy nanao an’izao sy izao satria...”) Handray fianarana sarobidy ny zanakao amin’izay, nefa tsy toy ny hoe nanaovana kabary.—Efesianina 6:4.

[Efajoro, pejy 13]

“Nolazaiko tamin’i Neny, indray mandeha, fa tiako kokoa ny miaraka amin’ny mpiara-mianatra amiko noho ny miaraka amin’ny Kristianina hafa. Nisy taratasy avy tany amin’i Neny teo ambony latabatro, ny ampitson’iny. Nolazainy tao fa tsy nanana namana kristianina koa izy taloha. Nampahatsiahiviny ahy ireo olona ao amin’ny Baiboly, izay nanompo an’Andriamanitra na dia tsy nana-namana hampahery azy aza. Noderainy koa aho satria niezaka ny hanana namana tsara. Gaga aho hoe tsy izaho irery no manana olana hoatr’izany, fa hay i Neny koa. Faly loatra aho nahafantatra an’izany, ka latsaka ny ranomasoko. Tena nampahery ahy izay nolazain’i Neny sady nandrisika ahy hanao ny tsara.”—Junko, 17 taona, Japon.

[Sary, pejy 11]

Asaivo mampiseho sary na zavatra hafa mampahatsiahy azy ny taloha ny ray aman-dreninao. Mitarika ho amin’ny resadresaka mahafinaritra izany matetika