Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanao Ahoana ny Ankizy Raha Misaraka Ianareo?

Hanao Ahoana ny Ankizy Raha Misaraka Ianareo?

Hanao Ahoana ny Ankizy Raha Misaraka Ianareo?

‘IZAY hahasambatra anao eritreretina. Aza manahy momba ny ankizy. Tsy haharitra ela ny alahelon’izy ireo. Aleony mahita anareo misaraka toy izay mahita anareo miady lava.’ Izany no heverin’ny manam-pahaizana fa mety, ka asainy hataon’ny mpivady tsy mifanaraka.

Niova hevitra anefa ny manam-pahaizana sasany, ka tsy mampirisika ny mpivady hisaraka intsony. Hoy izy ireo: ‘Ady ny fisaraham-panambadiana, ka samy mitondra takaitra na izy mivady na ny ankizy.’

Toy ny hoe mora erỳ ny misaraka

Misy tantara mitohy mampihomehy ao amin’ny tele, ary izao no hita amin’izany indraindray: Nisaraka izy mivady. Ilay vehivavy no mitaiza ny ankizy. Nanambady indray izy. Lehilahy maty vady sy efa manan-janaka no vadiny. Misy olana foana ao an-trano, nefa antsasak’adiny monja dia voalamina ilay izy. Feno zavatra mampihomehy ao anatin’izany rehetra izany.

Mety hahatsikaiky tokoa ny tantara toy ireny. Tsy mampihomehy anefa ny fisaraham-panambadiana, fa mampalahelo kosa aza. Hoy i Gary Neuman ao amin’ny boky iray momba ny fisarahana: “Tsy maintsy miakatra fitsarana ny mpivady rehefa hisaraka. Mitory ny andaniny ny ankilany. Raha vao manapa-kevitra ny hisaraka ianareo, dia manampoiza fa mety tsy ho ianao intsony no hitaiza ny zanakao. Mety tsy ho ny karamanao rehetra intsony koa no horaisinao. Mety tsy ho fantatrao akory aza hoe aiza ianao no hipetraka. Tsy voatery ho voalaminareo mandritra ny fitsarana ireo. Olona tsy fantatrao akory àry amin’ny farany no hamoaka didim-pitsarana momba izany, ary mety tsy ho azoazonao ny fanapahan-keviny.”

Aza mihevitra hoe ho foana ny olana, rehefa misaraka ianareo. Vao mainka aza mety hanahirana ny fiainanareo, satria mety hiova ny zava-drehetra, anisan’izany ny trano hipetrahana sy ny vola miditra. Hijaly koa anefa ny ankizy.

Vokany eo amin’ny tanora

Misy vokany ratsy eo amin’ny ankizy ny fisarahan’ny ray aman-dreniny, na mbola kely izy na efa lehibe. Misy milaza fa tsy dia mampaninona ny tanora izany, satria efa matotra kokoa izy ireny sady efa hahaleo tena. Hitan’ny mpikaroka anefa fa tsy izany no izy. Izy ireny indrindra aza no tena mizaka ny mafy, rehefa misaraka ny ray aman-dreniny. * Diniho izao:

◼ Efa mihalehibe izy ka manjary miovaova ny fihetseham-pony, tsy toy ny tamin’izy mbola kely. Marina fa asehony indraindray hoe te hahaleo tena izy, nefa aza sodokan’izany. Izao no fotoana tena ilany tari-dalana, ary eo anivon’ny fianakaviana milamina no ahazoany izany.

◼ Mianatra mifandray tsara amin’ny namany ny tanora. Raha misaraka anefa ny ray aman-dreniny, dia tsy hoheveriny ho zava-dehibe intsony ny fifampitokisana sy ny tsy fivadihana ary ny fitiavana. Mety tsy hifandray akaiky amin’olona intsony izy rehefa lehibe.

◼ Samy mampiseho ny alahelony daholo ny ankizy, fa ny tanora kosa mahavita zavatra mampidi-doza. Misotro toaka be izy ireo, na mifoka rongony, na manao ditra hafa.

Tsy midika anefa izany hoe tsy hilamina intsony ny fiainan’ny tanora, rehefa misaraka ny ray aman-dreniny. Mety tsara ihany ny fiainan’ny ankamaroany, indrindra fa ireo mifandray amin’ny rainy sy ny reniny. * Diso hevitra anefa izay milaza fa tsy misy vokany ratsy amin’ny ankizy mihitsy raha misaraka ny ray aman-dreniny, na koa hoe tsy hisy olana intsony eo amin’ny mpivady rehefa misaraka izy ireo. Milaza ny olona sasany fa vao mainka izy nahita olana taorian’ny nisarahany tamin’ny vadiny, satria tsy maintsy nifampiresaka matetika momba ny ankizy sy ny vola izy ireo. Mora mampiady anefa izany, sady ilay vadiny efa mahasosotra azy rahateo. Tsy hoe foana àry ny olana rehefa misaraka ny mpivady. Vao mainka manahirana kosa aza ny mandamina azy.

Maninona raha alamina ny olana?

Ahoana raha tsy mifanaraka ianareo ka mieritreritra ny hisaraka? Mandiniha tsara aloha. Maro ny zavatra mila saintsainina, araka ny hitantsika teo. Tsy mandamina ny olana rehetra mantsy ny fisarahana.

Tsy midika anefa izany hoe mila mihafy fotsiny ianao rehefa misy olana. Nahoana raha iezahana halamina ilay izy? Aza tonga dia manao hoe tsy misy azo atao intsony. Mieritrereta kosa hoe:

◼ ‘Inona avy no toetra tena nanintona ahy tamin’ny vadiko? Tsy mbola toy izany ihany ve izy izao?’—Ohabolana 31:10, 29.

◼ ‘Afaka miezaka ho tia azy toy ny tamin’ny voalohany ve aho?’—Tononkiran’i Solomona 2:2; 4:7.

◼ ‘Inona no azoko atao mba hampiharana ireo soso-kevitra eo amin’ny pejy faha-3 ka hatramin’ny faha-9, na dia eo aza ny fahadisoan’ny vadiko?’—Romanina 12:18.

◼ ‘Azoko hazavaina mivantana na an-tsoratra aminy ve izay hevitra hitako fa hanatsara ny fifandraisanay?’—Joba 10:1.

◼ ‘Afaka miantso namana matotra ve izahay mba hanampy anay hahita vahaolana?’—Ohabolana 27:17.

Hoy ny Baiboly: ‘Ny malina mandinika ny diany.’ (Ohabolana 14:15) Tsy rehefa mitady vady ihany no ilaina hatao izany, fa rehefa misy olana koa ao an-tokantrano. Hitantsika tao amin’ny pejy faha-9 fa manana olana ny tokantrano rehetra. Sambatra anefa ny tokantrano rehefa mahay mandamina izany.

Intỳ misy ohatra: Eritrereto hoe mandeha lavitra ianao. Azo antoka fa tsy maintsy hisy olana eny an-dalana. Mety ho ratsy, ohatra, ny andro. Mety hokaikerin’ny kiraro koa ianao, na ho lany vatsy, na ho very mihitsy aza. Inona no hataonao? Hiverin-dalana ve ianao, sa hitady vahaolana ary hanohy ny dia? Azo oharina amin’ny dia lavitra ny fanambadiana. Manomboka ilay dia, amin’ny andro fampakaram-bady. Tsy maintsy hisy olana aorian’izay, satria milaza ny Baiboly fa ‘hanam-pahoriana amin’ny nofony ireo manambady.’ (1 Korintianina 7:28) Tsara kokoa àry ny mieritreritra hoe ahoana no hamahana ireny olana ireny. Nahoana raha mitady vahaolana, toy izay hisaraka? Nahoana raha mitady fanampiana, na dia toa tsy ho avotra intsony aza ny tokantranonao?—Jakoba 5:14.

Avy amin’Andriamanitra

Avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana ka tokony hoheverina ho zava-dehibe. (Genesisy 2:24) Tadidio ireo soso-kevitra tato, rehefa hitanao fa toa tsy ho avotra intsony ny tokantranonao.

1. Miezaha ho tia ny vadinao toy ny tamin’ny voalohany.—Tononkiran’i Solomona 8:6.

2. Eritrereto izay azonao atao mba hanatsarana ny fifandraisanareo, ary ataovy izany.—Jakoba 1:22.

3. Miresaha amim-panajana na manorata amin’ny vadinao hoe inona no heverinao fa azo atao mba hanatsarana ny fifandraisanareo.—Joba 7:11.

4. Aza miady irery fa mitadiava fanampiana mba hanavotana ny tokantranonao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy vokany eo amin’ny ankizy kely koa anefa ny fisarahana. Vakio Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2002, pejy 3, sy ny Mifohaza! 8 Mey 2003, pejy 18.

^ Mety tsy ho azo atao anefa izany, indrindra raha nandao ny ankohonany ilay ray na reny, na tsy miraharaha azy ireo, na mahery setra mihitsy aza.—1 Timoty 5:8.

[Efajoro/Sary, pejy 19]

‘ITY AMIN’IZAY NO METY AMIKO!’

Hita tamin’ny fandinihana fa mora rava kokoa ny tokantranon’ny olona manambady fanindroany. Vao mainka aza atahorana kokoa ny an’ireo manambady fanintelony. Manazava antony iray i Gary Neuman, ao amin’ilay bokiny. Hoy izy: “Raha vao sambany ianao no nanambady ka tsy mandeha tsara ny tokantranonao, dia tsy hoe tsy nahay nifidy vady ianao. Avy aminao kosa ny olana. Tia azy mantsy ianao tamin’ny voalohany, ary na mety na tsy mety ny tokantranonareo izao, dia tsy io olona io irery no nahatonga izany, fa ianao koa.” Inona no tian’i Neuman holazaina? “Aleo ilay olana no alamina toy izay ny vady no ariana. Mbola ho eo ihany mantsy ilay olana, na dia arianao aza ny vadinao.”

[Efajoro, pejy 21]

AHOANA RAHA NISARAKA IANAREO?

Afaka misaraka ny mpivady saingy antony tena lehibe ihany no ahazoany manao izany, araka ny Baiboly. * Nisaraka àry ve ianareo roa? Ahoana no hanampianao ny zanakao tanora hiatrika izany?

Ampahafantaro ny zanakao ny zava-misy. Ianareo roa mihitsy no tokony hanao izany, raha azo atao. Tokony hiara-milaza aminy ianareo fa efa tapa-kevitra ny hisaraka. Omeo toky anefa izy fa tsy izy no nahatonga izany. Ilazao koa izy fa mbola ho tia azy foana ianareo.

Aza miady amin’ilay vadinao taloha intsony. Mbola miady ny sasany, na dia efa ela aza no nisaraka. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Efa nisaraka ara-dalàna izy ireo, nefa mbola miady ihany satria samy mitana lolompo, ary tsy mahay mifandamina.” Lasa hadino àry ny ankizy, satria toa variana miady lava i Dada sy Neny. Tsy vitan’izay fa hararaotin’ny ankizy izany, ka vao mainka ampiadiany izy ireo mba hahazoany izay tadiaviny. Mety hilaza amin’ny reniny, ohatra, izy hoe: “Izaho avelan’i Dada hody alina. Koa maninona ianao no tsy mamela ahy?” Matahotra àry ilay reny sao ilay rainy no lasa tian-janany kokoa, ka milefitra izy.

Avelao ilay ankizy hamboraka ny ao am-pony. Mety hieritreritra izy hoe: ‘Angamba tsy ho tia ahy intsony i Dada sy Neny satria izy ireo aza tsy mifankatia intsony’, na koa hoe: ‘I Dada sy Neny aza manao zavatra tsy mety, dia izaho koa izany afaka manao.’ Ho mora aminao ny hanitsy ny fisainany sy hanampy azy tsy hanahy be loatra, raha avelanao hamboraka ny ao am-pony izy. Tandremo anefa sao ianao indray no mamboraka olana aminy. Tadidio fa zanakao izy, fa tsy olona firesahanao ny manjo anao.

Ampirisiho ny zanakao hifandray tsara amin’ilay vadinao taloha. Mbola rainy na reniny foana iny, na dia tsy vadinao intsony aza. Tsy tokony hanaratsy azy àry ianao. Hoy ny boky iray: “Raha ampidirin’izy roa amin’ny adiny ny zanany, dia tsy maintsy hisy vokany ratsy izany.”

Hevero koa ny momba anao. Mety ho kivy ianao, nefa aza mamoy fo. Tohizo foana ny zavatra tsara fanaonao. Raha Kristianina ianao, dia tohizo ny fanompoana an’Andriamanitra. Hanampy anao sy ny zanakao tsy ho kivy loatra izany.—Salamo 18:2; Matio 28:19, 20; Hebreo 10:24, 25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Milaza ny Baiboly fa ny fanitsakitsaham-bady ihany no ahafahana misaraka sy manambady olon-kafa. (Matio 19:9) Anjaran’ilay vady tsy diso anefa ny manapa-kevitra raha hisaraka izy na tsia. Tsy tokony hiditra amin’izany ny havana na ny olon-kafa.—Galatianina 6:5.

[Sary, pejy 20]

Miezaha hitana ny voady nataonao tamin’ny andro fampakaram-bady

[Sary, pejy 21]

Ampirisiho ny zanakao hifandray tsara amin’ilay vadinao taloha