Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve Raha Miray Trano Aloha vao Misoratra?

Mety ve Raha Miray Trano Aloha vao Misoratra?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mety ve Raha Miray Trano Aloha vao Misoratra?

HIVIDY akanjo tsy nandramanao akory ve ianao? Azo antoka fa tsia. Ho very fotsiny ny fotoananao sy ny volanao raha tsy antonona anao ilay izy.

Olona maro no mampitaha ny fanambadiana amin’izany. Tsara kokoa, hoy izy ireo, raha miray trano aloha vao misoratra ny lehilahy sy vehivavy. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Raha misy ny olana, dia afaka misaraka fotsiny, fa tsy voatery ho lany vola sy hisahirana hikarakara taratasim-pisaraham-panambadiana.’

Mana-namana ampijalin’ny vadiny angamba ny sasany amin’ireo mihevitra toy izany, na mahita ny fahorian’ireo mpivady tsy mifankatia intsony. Mety hieritreritra àry izy ireo fa tsara kokoa raha miray trano aloha vao misoratra.

Inona no lazain’ny Baiboly momba izany? Andeha aloha hojerentsika izay lazainy momba ny fanambadiana.

“Nofo iray ihany”

Tena manome hasina ny fanambadiana ny Baiboly. Tsy mahagaga izany satria i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nanorina azy io. (Genesisy 2:21-24) Fikasany hatramin’ny voalohany ny hoe ho “nofo iray ihany” ny lehilahy sy vehivavy rehefa mivady. (Genesisy 2:24) Namerina niteny izany i Jesosy, ary hoy izy avy eo: “Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”—Matio 19:6.

Marina fa misy mpivady misaraka. * Tsy ilay fandaharan’Andriamanitra momba ny fanambadiana anefa no nisy tsy nety, fa izy roa na ny iray aminy no tsy nanaja ny voadim-panambadiany.

Aoka hatao hoe misy mpivady manana fiara nefa tsy mikojakoja azy io araka ny toromariky ny mpanamboatra azy. Iza no diso raha simba ilay fiara? Ilay orinasa mpanamboatra fiara ve, sa ireo tompony izay tsy nikojakoja tsara an’ilay fiara?

Toy izany koa ny fanambadiana. Azo inoana hoe tsy hisaraka ny mpivady raha kojakojainy, izany hoe kolokoloiny tsara, ny fifandraisany, sady tapa-kevitra ny hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy rehefa misy olana. Lasa mifampatoky izy ireo satria efa nifanao voady, ka izany no mampifankatia azy ireo.

‘Fadio ny fijangajangana’

Mety mbola hisy hieritreritra anefa hoe: ‘Maninona moa raha miray trano aloha e? Ho voahaja tsara ny fahamasinan’ny fanambadiana raha manandrana miaraka aloha vao mifanaiky hivady.’

Mazava anefa ny lazain’ny Baiboly. Hoy i Paoly: ‘Fadio ny fijangajangana.’ (1 Tesalonianina 4:3) Manondro ny firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady ny hoe “fijangajangana.” Tafiditra amin’izany ny firaisan’ny olon-droa tsy mpivady nefa miray trano, na dia mikasa ny hisoratra aza. Araka ny Baiboly àry, dia tsy tokony hiray trano ny olon-droa, na dia mikasa ny hisoratra aza.

Efa lany andro ve izany fiheveran’ny Baiboly izany? Mety hisy hiteny an’izany. Heverina ho ara-dalàna tokoa, any amin’ny tany sasany, ny lehilahy sy vehivavy miray trano, na mikasa ny hisoratra izy na tsia. Eritrereto anefa ny vokatr’izany. Tena sambatra ve izy ireo? Sambatra kokoa noho ny mpivady ara-dalàna ve izy ireo? Azo antoka kokoa ve fa tsy hifanitsakitsaka izy ireo aorian’ny fampakaram-badiny? Tsy izany no asehon’ny fandinihana. Voamarika fa betsaka kokoa ny olana atrehin’ireo efa niray trano talohan’ny nanambadiany, ary mora misaraka izy ireo.

Misy manam-pahaizana milaza fa tsy marina izany. Nanoratra, ohatra, ny psikology iray fa tsy mitovy ireo olona niray trano talohan’ny nanambadiany sy ireo mivady avy hatrany. Toa te hilaza izy fa tsy hoe noho izy ireo niray trano no nahatonga azy ireo hisaraka. Ny olana, hoy izy, dia hoe “nanome hasina ny fanambadiana” ve izy ireo sa tsia.

Na atao hoe marina aza izany, dia mbola manamafy ihany fa zava-dehibe ny hananana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny fanambadiana. Hoy ny Baiboly: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana.” (Hebreo 13:4) Tsy ho mora rava ny fifandraisan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, raha nivoady izy ireo fa ho nofo iray foana ary manaja ny fanambadiany avy eo.—Mpitoriteny 4:12.

Araka ilay fanoharana terỳ aloha, dia tokony handramana ny akanjo alohan’ny hividianana azy. Tsy ny miray trano alohan’ny fanambadiana anefa no mifanitsy amin’izany, fa ny fakana fotoana ampy hijerena an’ilay olona kasainao halaina vady. Anisan’ny tena hahasambatra ny fianakaviana izany, nefa matetika no tsy raharahain’ny olona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mamela ny mpivady hisaraka sy hanambady indray ny Baiboly raha nanao firaisana tamin’olon-kafa ny iray amin’izy ireo.—Matio 19:9.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Ny mpivady ihany no avelan’ny Baiboly hanao firaisana. Nahoana?—Salamo 84:11; 1 Korintianina 6:18.

◼ Inona avy no toetra tokony hotadiavinao amin’ny olona kasainao halaina vady? —Rota 1:16, 17; Ohabolana 31:10-31.

[Efajoro, pejy 29]

“MANOTA AMIN’NY VATANY IHANY”

Hoy ny Baiboly: ‘Manota amin’ny vatany ihany ny mpijangajanga.’ (1 Korintianina 6:18) Tena marina izany, raha jerena ny zava-niseho tao anatin’ireo taona faramparany. An-tapitrisany no matin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, toy ny SIDA. Tsy izay ihany anefa. Asehon’ny fandinihana fa kivy lava sy manandrana mamono tena ny tanora zatra manao firaisana. Misy koa manao firaisana amin’olona maro, ka bevohoka tsy fidiny ary mitady hanala zaza. Raha jerena amin’izany rehetra izany àry, dia tsy lany andro mihitsy ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.