Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambatra na dia Manana Olana Aza—Fizarana Voalohany

Sambatra na dia Manana Olana Aza—Fizarana Voalohany

Sambatra na dia Manana Olana Aza​—Fizarana Voalohany

Hitantsika tao amin’ireo lahatsoratra teo aloha, fa manana olana na dia ny tokantrano sambatra aza. Tsy mahagaga izany satria milaza ny Baiboly fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Tsy maintsy misy olana àry eo anivon’ny fianakaviana.

Tadidio koa fa tsy izay tokantrano rehetra miadana sy finaritra no sambatra. Hoy kosa i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Maro ny tokantrano sambatra, satria mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Mankatò izay lazain’ny Baiboly izy ireo, na dia manana olana aza. Ireto misy fianakaviana nanao izany:

Manan-janaka sembana. Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy karakaraina ny ankohonana, anisan’izany ny mpianakavy sembana na manana aretina mitaiza. Izao no voalaza ao: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.”—1 Timoty 5:8.

Manan-janaka sembana i Victor, atsy Afrika Atsimo. Tantarainy ao amin’ny pejy faha-15 izay nataon’izy mivady mba hikarakarana azy io, efa 40 taona mahery izao.

Zaza natsangana. Manampy ny olona hahatsiaro tena ho misy vidiny ny Baiboly, na dia narian’ny ray aman-dreniny aza izy. Voalaza ao mantsy fa ‘manampy’ ny kamboty i Jehovah Andriamanitra, anisan’izany ny kamboty velon-dray aman-dreny.—Salamo 10:14.

Tsy mbola nahita ny tena ray aman-dreniny mihitsy i Kenyatta, tovovavy any Etazonia. Mafy aminy izany. Resahiny ao amin’ny pejy faha-16 hoe inona no nanampy azy.

Namoy ray na reny. Mety halahelo be foana ianao, na dia efa ela aza no maty ny ray na ny reninao. Afaka manampy anao ny Baiboly. Tadidio fa “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah, ilay nampanoratra azy io.—2 Korintianina 1:3.

Maty ny rain’i Angela, tovovavy any Aostralia. Manampy azy hiatrika ny alahelony ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Hazavainy ao amin’ny pejy faha-17 izany.

Manana olana daholo ny fianakaviana rehetra. Mahita fomba mahomby iatrehana izany anefa ireo fianakaviana etsy ambony ireo, satria mampihatra ny Baiboly. Vakio ireo pejy manaraka.

[Efajoro/Sary, pejy 15]

Tiako ny Zanako na dia Sembana Aza

Notantarain’i Victor Maynes, Afrika Atsimo

“Izahay foana no mampiakanjo sy mampandro an’i Andrew, nanomboka tamin’ny nahaterahany hatramin’izao izy 44 taona izao. Mamahana azy mihitsy aza izahay indraindray.”

NAHATSIKARITRA zavatra hafahafa izahay, tamin’i Andrew mbola kely. Efa herintaona mahery izy, nefa mbola tsy nandeha foana. Nifanintona koa izy, ka nentinay haingana tany amin’ny hopitaly. Nolazaina taminay fa voan’ny androbe izy. Hita koa tatỳ aoriana fa sembana ara-tsaina izy.

Nanandrana fitsaboana isan-karazany izahay, ary nandaitra ihany ny sasany. Nisy fotoana, ohatra, izy nomena fanafody efatra samy hafa, intelo isan’andro, ka tsy dia nifanintona intsony. Tsy nahitana fanafany kosa ny aretin-tsainy. Mbola toy ny an’ny zaza 5 na 6 taona ny fisainany, amin’izao izy 44 taona izao.

Nasain’ny dokotera natao tany amin’ny fitaizana marary saina izy, nefa naleonay nitazona azy tao an-trano. Afaka nikarakara azy mantsy izahay, na dia fantatray aza fa ho sarotra izany.

Niara-nikarakara azy izahay mianakavy. Manan-joky telo mianadahy i Andrew, ary tena mbola ankasitrahako ny nataon’izy ireo! Tena nanampy anay koa ny mpiray finoana. Vavolombelon’i Jehovah mantsy izahay. Nanome sakafo anay izy ireo indraindray, na nikarakara an’i Andrew rehefa nandeha nitory izahay na nanao zavatra hafa.

Eritreretinay foana ny Isaia 33:24. Mampanantena Andriamanitra ao, fa indray andro any dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ” Tena mino izahay fa hotanterahin’Andriamanitra ilay fampanantenany hoe hisy tontolo vaovao, ary ho foana ny aretina rehetra. (2 Petera 3:13) Tsy andrinay àry izay hahasitrana an’i Andrew. Mandra-pahatongan’izany, dia mino ny tenin’i Jesosy izahay hoe hanome izay ilainay Andriamanitra raha ataonay laharam-pahamehana ny fanompoana azy. (Matio 6:33) Izany tokoa no mitranga. Tsy ory na inona na inona izahay.

Tsy ny rehetra no afaka mitazona ny zanany sembana ao an-trano. Raha nanapa-kevitra ny hanao izany anefa ianao, dia izao no mba torohevitro: Mivavaha mafy foana. (1 Petera 5:6, 7) Anehoy fitiavana be dia be koa ilay zanakao, ary aza hadinoina fa afaka mianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ho tia azy izy. (Efesianina 6:4) Asaivo mifarimbona mikarakara azy ny rehetra ao an-trano. Tadidio fa ao an-tranonao ihany ny zanakao no hahatsapa hoe tena tiana. Marina aloha fa tsy voatery ho afaka hanao toa anay daholo ny olona. Tsy nanenenanay mihitsy anefa ny nikarakara an’i Andrew tao an-trano. Mbola tsy nahita ankizy nahafinaritra toa azy mihitsy aho, ary mbola mahafinaritra ahy foana izy, na dia izao efa lehibe izao aza.

[Efajoro/Sary, pejy 16]

Faly na dia Zaza Natsangana Aza

Notantarain’i Kenyatta Young, Etazonia

“Sambatra kokoa ny ankizy taizan-draikely na renikely, raha oharina amiko, satria mbola eo ny tena rainy na ny reniny. Izaho kosa tsy mba toy izany. Zaza natsangana mantsy aho. Tsy fantatro akory aza hoe iza no havako mba mitovy endrika amiko.”

TSY fantatro mihitsy hoe iza no raiko, ary mbola tsy hitako ny reniko. Mamo lava sy mpifoka rongony, hono, io reniko io, tamin’izy bevohoka ahy. Naterina tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty àry aho, rehefa teraka, ary nafindrafindra foana avy eo. Nisy olona nanangana aho, rehefa roa taona latsaka.

Nitantara ilay raiko nanangana ahy fa tonga dia tia ahy izy raha vao nahita ny sariko. Avy hatrany koa aho dia tia an’ilay reniko vaovao. Niteny taminy aho hoe izy no mamako ary hiara-hody aminy aho.

Nitebiteby foana anefa aho tamin’ny mbola kely, sao haverina any amin’ny trano fitaizana, raha manao zavatra tsy mety. Tsy sahy nidongidongy aho, na nanao toy ny ankizy hafa rehefa narary. Nataoko mihitsy aza izay tsy hahavoan’ny sery ahy! Nanome toky ahy foana anefa ny ray aman-dreniko fa tia ahy, ary tsy hanary ahy mihitsy.

Efa lehibe aho izao, nefa mbola mieritreritra indraindray fa ambany noho ny olona notezain’ny ray aman-dreny niteraka azy. Tonga saina ihany anefa aho avy eo fa tsy marina izany. Ny mampalahelo ahy fotsiny dia amin’izay indrindra no misy miteny amiko hoe: “Tokony mba hisaotra an’ireo ray aman-dreninao ireo ianao, satria zaranao aza izy ireo mba nanangana anao!” Tsy zakako izany satria toa te hilaza fa ankizy tsy mendrika hotiavina aho. Sady izaho ange tsy hoe tsy mankasitraka ny ray aman-dreniko e!

Mafy amiko ny mieritreritra hoe mety tsy hahalala ny tena raiko mihitsy aho. Indraindray aho tezitra amin’ny reniko satria tsy mba niala tamin’ny toaka sy ny rongony izy mba hahafahany hitaiza ahy. Toy ny hoe tsy mendrika ny hanaovana ezaka aho. Indraindray koa anefa mampalahelo ahy izy. Matetika aho mieritreritra hoe raha mihaona izahay dia hilazako izy fa mety tsara ny fiainako, ka tsy tokony hanenina izy nanary ahy.

Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko nanangana ahy. Nampianariny Baiboly aho, ary anisan’ny fanomezana tsara indrindra nomeny ahy izany. Mampahery ahy ny Salamo 27:10 hoe: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” Izany mihitsy no niainako. Misy lafy tsarany koa ny hoe zaza natsangana. Tena tiako, ohatra, ny mamantatra momba ny olona sy ny fianakaviany. Noho izaho tsy mahalala ny fianakaviako angamba no mahatonga izany. Tia olona koa aho, ary tena ilaiko izany satria Vavolombelon’i Jehovah aho ka mitory sy mampianatra Baiboly. Manjary mahatsiaro tena ho misy vidiny àry aho sady manana tanjona. Mandeha mampianatra Baiboly aho, isaky ny kivy. Lasa mifandray tsara amin’ny olona aho rehefa mampianatra azy. Samy mitantara ny fiainany amiko mantsy izy rehetra.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

Namoy ny Raiko Aho Nefa Tsy Kivy

“Tsaroako ho nisy banga lehibe ny fiainako, rehefa maty i Dada. Tsy nisy zavatra tsy hainy mantsy, sady nahita vahaolana foana izy isaky ny nanana olana aho.”

Notantarain’i Angela Rutgers, Aostralia

MATY i Dada, folo taona lasa izay. Nodidiana izy enim-bolana talohan’izay. Raha mbola tao amin’ny efitra famelomana aina izy, dia nilaza ny dokotera fa tsy ho avotra intsony izy. Tsy nisy farany ny fanontanian’i Neny. Ny anadahiko kosa safotra, ary izaho indray nikorontan-tsaina tanteraka. Maty i Dada, enim-bolana tatỳ aoriana.

Te hanafina ny fihetseham-poko aho, nefa koa nalahelo rehefa tsy noraharahaina. Tiako hiara-miory amiko ny namako, nefa koa tsy tiako hanambitamby be ahy. Niezaka nanafina ny alaheloko àry aho. Tetsy an-danin’izany anefa dia tsy te hiaraka tamin’izy ireo aho, sao eritreretiny hoe efa mety tsara ny fiainako. Mino aho fa tena sahiran-tsaina izy ireo tamin’izany.

Manenjika ahy ny eritreritro noho ny nahafatesan’i Dada. Manenina aho hoe: ‘Tahaka izay mba niteny taminy imbetsaka kokoa hoe tiako izy. Tahaka izay namihina azy matetika kokoa sy niaraka taminy imbetsaka kokoa.’ Fantatro fa raha mbola teo izy, dia tsy ho tiany ny hieritreretako izany. Tsy mety mihitsy anefa ny saiko.

Vavolombelon’i Jehovah aho, ka tena mampionona ahy ny fampanantenan’ny Baiboly hoe hitsangana ny maty. (Jaona 5:28, 29) Eritreretiko ho toy ny lasa any andafy i Dada, ary mbola hiverina, fa tsy fantatro fotsiny hoe rahoviana. Tsy nampahery ahy tamin’ny voalohany ny nandre olona nilaza hoe: “Ho velona indray ny dadanao amin’ny fitsanganana amin’ny maty.” Hoy aho anakampo: ‘Izao dia izao izy no tiako ho velona.’ Nampahery ahy anefa ny nieritreritra hoe toy ny any andafy izy. Nampionona ahy izany, sady nanamafy ny fanantenako fa hitsangana ny maty.

Nampahery be ahy koa ny mpiray finoana. Nisy nilaza tamiko, ohatra, fa te hampionona ahy nefa tsy hitany izay holazaina. Nanome toky anefa izy fa mahatsiaro anay rehetra foana. Noeritreretiko foana izany, ka nampionona ahy rehefa tsy misy miresaka amiko. Fantatro mantsy fa mieritreritra anay foana ny mpiray finoana, na dia tsy miteny aza. Tena zava-dehibe tamiko izany!

Efa-bolana taorian’ny nahafatesan’i Dada, dia nitory bebe kokoa i Neny. Tena faly izy. Nanao toa azy koa àry aho. Tena mampionona ahy ny manampy ny hafa. Lasa natoky kokoa ny Tenin’i Jehovah sy ny fampanantenany mantsy aho, sady tsy nifantoka be intsony tamin’ny alaheloko.