Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

◼ “Ny ampahatelony eo ho eo amin’ny ankizivavy any Etazonia no bevohoka alohan’ny faharoapolo taonany.”—FOIBE MIADY AMIN’NY ARETINA, ETAZONIA.

◼ Tany Etazonia, dia lehilahy 420 “iharan’ny herisetra an-tokantrano” no nanaovana fandinihana, ka hita fa “efa ho telo isaky ny folo no voavono na nampijalina tamin’ny fomba hafa.”—GAZETY AMERIKANINA MOMBA NY FITSABOANA.

Afaka Mianatra Fiteny Maro ve ny Ankizy?

Maro ny ray aman-dreny manahy hoe tsy hahay tsara ny fitenin-drazany ny zanany raha zatra mandre teny vahiny. Tsy izany anefa no hitan’ireo ekipana mpikaroka any Toronto, Kanada, notarihin’i Laura-Ann Petitto, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra. Hoy izy: “Efa vonona hianatra fiteny samihafa ireo selan’ny atidohantsika raha vao teraka isika.” Matetika no mahira-tsaina kokoa noho ny ankizy hafa ny ankizy mahay fiteny roa, any am-pianarana. Milaza ny Toronto Star fa “ny ray aman-dreny aloha no tokony hampianatra ny zanany kely hiteny vahiny, raha tiany handray soa avy amin’izany ny zanany.”

Manimba Sain’ankizy ny Sary Mamoafady

Mihabetsaka ny ankizy kely mahita sary mamoafady sy feno herisetra amin’ny Internet. Milaza i Heinz-Peter Meidinger, filohan’ny Fikambanana Alemà Momba ny Fiteny, fa matetika no mahay mitady sary mamoafady na feno herisetra ao amin’ny Internet ny ankizilahy 12 taona no ho miakatra. Maro ny ankizy mikorontan-tsaina be rehefa mahita sary toy izany, na dia toa tsy miraika sy tsy mihontsina aza no fahitana azy. Mampirisika ny ray aman-dreny i Meidinger mba hanara-maso an’izay jeren-janany ao amin’ny ordinatera sy izay eritreretiny.

Miomana ny Hisaraka Sahady

Milaza ny Sunday Telegraph any Sydney fa mbola tsy nisy toy izany ny habetsahan’ny Aostralianina manao fifanarahana alohan’ny fanambadiany. Hita ao amin’ilay fifanarahana ny fomba fiaina takina amin’ilay ho vady. Efa voafaritra ao koa ny fomba hizarana fananana rehefa hisaraka. Maro amin’ireny fifanarahana ireny no milaza izay ho fomba fiaina ao an-tokantrano mba hampaharitra azy io. Faritany, ohatra, hoe tokony ho firy kilao avy izy roa, hiompy biby sa tsia, iza no hanary fako, hahandro, hanadio, hitondra ny fiara, ary hitondra ny alika mandehandeha. Nilaza i Christine Jeffress, mpahay lalàna, fa “tsy dia mieritreritra [ny olona] hoe haharitra mandrakizay ny fanambadiany.”

Ray Aman-dreny Tsy Mahay Maneho Fitiavana

Lazain’ny gazety poloney Newsweek Polska fa “mihabetsaka ny ray aman-dreny mila boky hanoro azy ny fomba hitaizany ny zanany kely, satria hita hoe tsy mahay maneho fitiavana an-janany izy ireo.” Mila ampianarina azy ireo ny zavatra tsotra, toy ny hoe mamihina ny zanany, miara-milalao aminy, ary mihira ho azy ireo. Tena ilain’ny ankizy ireo mba hitomboany tsara. Asehon’ny fikarohana anefa fa raha alahatra ny zavatra “fanaon’ny ray aman-dreny poloney miaraka amin-janany, dia ny mijery tele sy ny miantsena no voalohany indrindra.” Any amin’ny fahenina kosa vao misy hoe miara-milalao.