Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Faha-2: Aza Mieritreritra ny Hisaraka Mihitsy

Torohevitra Faha-2: Aza Mieritreritra ny Hisaraka Mihitsy

Torohevitra Faha-2: Aza Mieritreritra ny Hisaraka Mihitsy

‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:6.

Ahoana izany? Tadidio fa toy ny lamban’akoho ny fanambadiana ka faty no isarahana. Alamino àry ny olana, fa aza mieritreritra ny hisaraka. Hilamin-tsaina sy ho sambatra ianareo amin’izay. Samy matoky mantsy ianareo fa tsy hifandao mihitsy.

Nahoana izany no ilaina? Mateza ny tokantrano, rehefa tsy mieritreritra ny hisaraka mihitsy ny mpivady. Rehefa miady lava anefa izy ireo, dia lasa tsy fidiny sisa ny fiarahany. Tsy vokatry ny fo intsony ilay hoe “faty no isarahana”, ka satry aza hahita fomba hialana. Misy tsy sahy misaraka, fa samy maka ho azy fotsiny. Tsy mifampiteny, ohatra, izy ireo rehefa misy olana, fa mifampimonjomonjo fotsiny.

Andramo izao: Fantaro raha tena vonona hiaraka mandrakizay amin’ny vadinao ianao, ka mieritrereta hoe:

Rehefa miady izahay, manenina ve aho nanambady azy?

Manonofinofy miaraka amin’olon-kafa ve aho matetika?

Miteny amin’ny vadiko ve aho indraindray hoe: “Andao hisaraka”, na: “Hitady olona tena tia ahy aho”?

Ahitsio izay tsy mety. Mitadiava fomba iray na roa hanamafisana ny fifankatiavanareo. Anoraty na ilazao teny mamy, ohatra, izy, na asio sariny eo amin’ny toerana mora tazana any am-piasana, na antsoy an-telefaonina izy isan’andro.

Mitadiava hevitra maromaro, ary anontanio azy izay hitany hoe tena mety.

[Sary, pejy 4]

Aza mieritreritra ny hisaraka mihitsy. Toy ny fefy miaro ny tokantranonareo izany

[Sary nahazoan-dalana]

© Corbis/age fotostock