Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Faha-3: Aza Tia Tena

Torohevitra Faha-3: Aza Tia Tena

Torohevitra Faha-3: Aza Tia Tena

Tsara ny roa noho ny iray, fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany.’—Mpitoriteny 4:9, 10.

Ahoana izany? Milaza ny Baiboly hoe ny lahy no lohan’ny vavy. Mila manaiky izany ianareo mivady. (Efesianina 5:22-24) Tsy midika anefa izany hoe izay tian’ny iray foana no atao. Mila miara-mihevitra izay hahasoa ny tokantranonareo ianareo. Raha zatra manao izany ianareo, dia tsy hanao izay tianareo intsony, toy ny tamin’ny mbola mpitovo. Ho lasa “nofo iray” kosa ianareo, izany hoe hifankatia be ary tsy hieritreritra ny hisaraka mihitsy.—Genesisy 2:24.

Nahoana izany no ilaina? Azo oharina amin’ny fiaramanidina ny tokantrano. Olona roa no miara-miasa mba hampandeha azy io. Tsy iharan-doza ny fiaramanidina, raha miara-miasa tsara izy ireo. Raha samy miezaka koa ny mpivady mba tsy hanao izay tiany fotsiny, dia tsy ho lasa olana goavana ny olana madinika. Miara-mitady vahaolana mantsy izy roa, fa tsy ilaozany mifanome tsiny fotsiny.

Andramo izao: Fantaro raha mbola tia tena ianao na tsia, ka mieritrereta hoe:

Ahoana no fiheverako ny karamako? Miteny foana ve aho hoe “volako” ilay izy?

Tsy dia mifanerasera amin’ny havam-badiko ve aho, na dia tiany be aza izy ireo?

Aleoko ve tsy miaraka amin’ny vadiko rehefa miala voly?

Ahitsio izay tsy mety. Mahatsapa ve ianao fa manao izay tianao fotsiny indraindray? Mitadiava fomba iray na roa hanitsiana izany.

Mangataha hevitra amin’ny vadinao.

[Sary, pejy 5]

Miezaha hifanampy toy ny mpanamory fiaramanidina