Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Faha-4: Aoka Ianareo Hifanaja

Torohevitra Faha-4: Aoka Ianareo Hifanaja

Torohevitra Faha-4: Aoka Ianareo Hifanaja

‘Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.’—Efesianina 4:31.

Ahoana izany? Tsy maintsy misy ny tsy fifanarahana ao amin’ny tokantrano rehetra. Aza manompa na maneso na masiaka anefa, rehefa mifanazava. Raha te hohajain’ny vady aman-janakao ianao, dia hajao koa izy ireo. Ho sambatra ny tokantranonareo amin’izay.—Matio 7:12.

Nahoana izany no ilaina? Mandratra ny teny, indraindray. Hoy ny Baiboly: “Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miray trano amin’ny vehivavy mahay vava sy tezi-dava.” (Ohabolana 21:19, Ny Baiboly Amin’ny Teny Anglisy Tsotra) Tsy mahafinaritra koa ny miray trano amin’ny lehilahy toy izany. Mananatra ny ray aman-dreny koa ny Baiboly hoe: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.” (Kolosianina 3:21) Raha bedy lava ny ankizy, dia mety hihevitra fa sarotiny loatra ny ray aman-dreniny. Mety tsy hankatò azy ireo intsony izy.

Andramo izao: Fantaro raha tena mifanaja ianareo ao an-trano, ka mieritrereta hoe:

Rehefa mifamaly izahay, tsy maintsy misy iray mirintona mivoaka ve?

Miteny ratsy ve aho, na manao teny manambany toy ny hoe “vendrana” na “tsisy saina”, rehefa miresaka amin’ny vadiko na ny zanako?

Mpanao teny mahery ve ny olona nanodidina ahy, tamin’izaho mbola kely?

Ahitsio izay tsy mety. Miezaha hanaja kokoa rehefa miteny, ka mitadiava fomba iray na roa hanaovana izany. Aza manakiana, ohatra, fa lazao fotsiny izay tsapanao. Aza miteny hoe: “Ianao tsy...!”, fa hoe: “Malahelo aho rehefa...”

Lazao amin’ny vadinao ny ezaka tianao hatao. Rehefa afaka telo volana, dia anontanio azy raha efa mba niova ianao.

Eritrereto hoe inona no azonao atao isaky ny mitady haneso na hanao teny mahery amin’ny zanakao ianao.

Raha sendra tsy mahafehy ny vavanao ianao, dia mialà tsiny aminy.

[Sary, pejy 6]

Simba na dia ny vatolampy aza, rehefa tratran’ny onja foana. Ho simba koa ny fifandraisanareo raha mifanao teny mahery foana ianareo