Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Faha-5: Mahaiza Mandanjalanja

Torohevitra Faha-5: Mahaiza Mandanjalanja

Torohevitra Faha-5: Mahaiza Mandanjalanja

‘Aoka ho fantatra fa mahay mandanjalanja ianareo.’—Filipianina 4:5.

Ahoana izany? Aoka ianareo mivady hifandefitra, rehefa manao fahadisoana ny iray. (Romanina 3:23) Aza masiaka loatra na milefitra loatra amin’ny ankizy. Aza manome fitsipika be loatra. Sazio “araka ny antonony” izy, rehefa maditra. Ho sambatra ny tokantranonareo amin’izay.—Jeremia 30:11.

Nahoana izany no ilaina? Hoy ny Baiboly: ‘Mahay mandanjalanja ny fahendrena avy any ambony.’ (Jakoba 3:17) Tsy sarotiny loatra amintsika Andriamanitra, satria fantany fa tsy lavorary isika. Aza sarotiny loatra amin’ny vadinao àry. Aza kianina lava izy, satria tsy hampiova azy izany, fa hahatezitra azy kosa aza. Tadidio fa samy ‘manao fahadisoana imbetsaka isika.’—Jakoba 3:2.

Lanjalanjao tsara ny fomba itaizanao ny zanakao. Aza hentitra loatra na “sarotiny.” (1 Petera 2:18) Avelao izy hanao ny zavatra sasany tiany, raha efa hita fa azo atokisana. Aza idirana ny tsipiriany madinika amin’ny fiainany. Ho reraka fotsiny mantsy ianao, fa tsy hisy vokany izany.

Andramo izao: Fantaro raha mahay mandanjalanja ianao, ka mieritrereta hoe:

Oviana aho no nidera farany ny vadiko?

Oviana aho no nanakiana azy farany?

Ahitsio izay tsy mety. Sarotra taminao ve ny namaly ilay fanontaniana voalohany etsy ankavia, fa mora kosa ilay faharoa? Mitadiava àry hevitra mba tsy hahatonga anao hanakiana be loatra ny vadinao.

Nahoana raha miara-mitady hevitra ianareo roa?

Ary ahoana indray ny amin’ny zanakareo? Avelao izy hanao ny zavatra sasany tiany, raha hita fa efa azo atokisana.

Mifampiresaha rehefa misy olana. Iaraho midinika, ohatra, hoe amin’ny firy izy no tokony hody.

[Sary, pejy 7]

Mandefera toy ny mpamily malina