Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Voalohany: Aza Atao Tsirambina ny Vady Aman-janakao

Torohevitra Voalohany: Aza Atao Tsirambina ny Vady Aman-janakao

Torohevitra Voalohany: Aza Atao Tsirambina ny Vady Aman-janakao

‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

Ahoana izany? Ataovy aloha izay hahasoa ny vadinao vao mieritreritra ny tenanao, ny fanananao, ny asanao, ny namanao, na ny havanao ianao. Miaraha matetika, nefa aza hadinoina koa ny ankizy. Aoka ianareo roa ho vonona handefitra mba hahasoa ny ankohonana. Sambatra ny mpivady manao izany.—Filipianina 2:4.

Nahoana izany no ilaina? Milaza ny Baiboly fa tsy azo atao tsirambina ny ankohonana. Voalaza ao, ohatra, fa “ratsy noho ny tsy mino” izay tsy miraharaha ankohonana. (1 Timoty 5:8) Toa ny asany anefa no lasa zava-dehibe kokoa amin’ny olona maro, rehefa ela ny ela. Izany no hitan’ny mpanolo-tsaina iray momba ny fianakaviana. Nilaza izy fa toa mitady vahaolana maimaika fotsiny ny olona rehefa mikorontana ny tokantranony, sitrany ahay afaka mifantoka indray amin’ny asany. Mora àry ny miteny hoe: ‘Izaho tsy manao tsirambina ny ankohonako.’ Sarotra kosa ny manatanteraka izany.

Andramo izao: Fantaro raha manao tsirambina ny ankohonanao ianao na tsia, ka mieritrereta hoe:

Vonona hihaino ve aho, rehefa te hiresaka amiko ny vadiko na ny zanako?

Hita amin’ny resaka ataoko ve fa miara-manao zavatra matetika amin’ny ankohonako aho?

Vonona handa andraikitra sasany any am-piasana na any an-kafa ve aho, mba hananako fotoana kokoa ho an’ny ankohonako?

Eny daholo ve ny valin-teninao? Raha izany, dia mety hihevitra ianao fa tsy manao tsirambina. Tsy ampy hahalalana ny tena marina anefa izany. Anontanio koa ny vady aman-janakao. Manaova koa toy izany, rehefa avy mamaly an’ireo fanontaniana ao amin’ireo lahatsoratra manaraka.

Ahitsio izay tsy mety. Mitadiava fomba iray na roa hanarenana ny tsy mety. Sao dia azonao ahena, ohatra, ny fotoana anaovanao zavatra hafa mba hanananao fotoana kokoa hiarahana amin’izy ireo?

Lazao aminy avy eo ny hevitra hitanao. Mety ho vonona hiova koa ry zareo, rehefa mahita anao vonona hiova.

[Sary, pejy 3]

Aza atao tsirambina ny vady aman-janakao, fa izay no tena fandresena!