Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Inona Ihany àry no Azoko Anaovana?

Fa Inona Ihany àry no Azoko Anaovana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Fa Inona Ihany àry no Azoko Anaovana?

Ndeha hivoaka ny trano i Heather. Taitra be ny ray aman-dreniny nahita ny akanjo nanaovany.

Hoy ny dadany: “Iny ve no hanaovanao?”

“Fa maninona?”, hoy i Heather gagagaga. “Handehandeha hiaraka amin’ny ankizy fotsiny aho.”

“Fa tsy amin’izao akanjo izao kosa an!”, hoy ny reniny.

Hoy indray i Heather: “Neny ko! Hoatran’izao daholo ange ny akanjo anaovan’ny ankizy e! ... Sady izao koa no tiako!”

“Ka tsy tia an’iny izahay e!”, hoy ny rainy sady hentitra. “Lasa ianao misolo akanjo, raha tsy izany ianao tsy mahazo mivoaka eo!”

TSY zava-baovao akory ny fifamaliana amin’ny resaka fitafiana. Efa nisy an’izany koa angamba teo amin’ny ray aman-dreninao sy ny ray aman-dreniny, tamin’izy ireo mbola tanora. Mety hitovy amin’izay tsapanao koa ny fihetseham-pon’izy ireo tamin’izany. Mivadika anefa ny rasa ankehitriny, ary lasa disadisa eo aminareo foana io resaka fitafiana io.

Hoy ianao: Mahazo aina tsara aho amin’ity.

Hoy izy ireo: Misavoritaka be iny.

Hoy ianao: Mahafinaritra ahy ity!

Hoy izy ireo: Mampihanjahanja loatra iny.

Hoy ianao: Mora be ity.

Hoy izy ireo: Tsy mahagaga. ... Jereo ity hafohiny!

Mety hijanona ihany ve ity fifamaliana lava ity? Eny! Mahita vahaolana amin’izany i Megan, 23 taona. Hoy izy: “Tsy voatery hifamaly ianareo, fa afaka mifanaraka tsara.” Mifanaraka? Midika ve izany fa tsy maintsy hanao an’ireny akanjona rafotsy ireny ianao? Tsy voatery! Mila resahinareo fotsiny ireo zavatra tsy mampitovy hevitra anareo. Avy eo ianareo manapaka hoe karazana fitafiana manao ahoana no mety aminao sy mety amin-dry zareo. Inona no soa azo avy amin’izany?

1. Na ny tanora namanao aza hahita hoe mahafatifaty ianao.

2. Tsy dia atahorana hitsikera ny akanjo anaovanao ny ray aman-dreninao.

3. Mety homen’ny ray aman-dreninao fahalalahana bebe kokoa ianao, rehefa hitany hoe mahay mifidy akanjo.

Raha vao mahita akanjo tianao hovidina àry ianao ao amin’ny tele na eny amin’ny mpivarotra, dia izao aloha atao...

Diniho ny toro lalan’ny Baiboly

Mahagaga fa tsy dia miresaka momba ny fitafiana ny Baiboly. Ho voavakinao ao anatin’ny minitra vitsy monja ny toro lalana ara-baiboly mifandray amin’ny fitafiana! Hahita tari-dalana sarobidy sy azo ianteherana anefa ianao rehefa manao izany. Ireto misy ohatra:

◼ Mampirisika ny vehivavy hihaingo “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” ny Baiboly. *1 Timoty 2:9, 10.

Mampanahy anao angamba ilay teny hoe “maotina.” Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy maintsy hanao an’ireny akanjo tsotra be sy tsy misy endriny ireny ve aho?’ Tsy izany mihitsy! Asehon’ilay teny hoe maotina, fa hita taratra amin’ny akanjo anaovanao hoe manaja tena ianao sady mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa. (2 Korintianina 6:3) Betsaka ny akanjo mifanaraka amin’izany. Hoy i Danielle, 23 taona: “Mety ho sarotra aloha ilay izy e! Mbola afaka ny haharaka ihany anefa ianao, na dia tsy manara-damaody be aza.”

◼ Milaza ny Baiboly fa ny “toetra miafina ao am-po” no tokony hifantohantsika, fa tsy ny fisehoantsika ivelany.—1 Petera 3:4.

Mety hitodika kely any aminao ny olona, raha manao fitafiana tsy maotina ianao. Ny hatsaran-toetranao anefa no tena hanajan’ny olona anao, eny fa na dia ny tanora toa anao aza. Ry zareo koa ve? Eny! Na izy ireo aza mahita fa hadalana ny manara-damaody loatra. Hoy i Brittany, 16 taona: “Tsiravina ianao rehefa mahita vehivavy manao izay hanintonana lehilahy amin’ny fomba fitafiny!” Izany koa no tsapan’i Kay, isaky ny nahita an’ilay namany taloha. Hoy izy: “Hoatran’ny tiany haseho tamin’ny akanjo nanaovany hoe ‘atỳ jerena!’ Te hisarika ny sain’ny ankizilahy izy, ka izay akanjo manaitra ny maso indrindra no nanaovany.”

Torohevitra momba ny fitafiana: Aza manao akanjo manaitra ny filan’ny nofo. Hoatran’ny olona mamoy fo sy tia tena be ianao raha manao an’ireny. Mety hadalain’ny ankizilahy koa ianao, na mbola ratsy kokoa noho izany aza. Manatsara ny bikanao kosa ny akanjo maotina, sady mampiharihary ny toetra tsaranao.

Anontanio ny hevitry ny ray aman-dreninao

Tsy fahendrena ny manafina akanjo tsy maotina any anaty kitapo mba hanaovana rehefa any am-pianarana. Hatoky kokoa anao ny ray aman-dreninao raha mitsotra aminy ianao, na dia amin-javatra heverinao fa tsy ho fantany aza. Tsara raha maka torohevitra amin’izy ireo ianao, rehefa misy akanjo tianao hovidina.—Ohabolana 15:22.

Nahoana ianao no tokony hanao izany? Fa angaha moa tsy ny hanakana anao tsy hanao izay heverinao fa mety foana no ataon’izy ireo raharaha? Tsy voatery ho izany. Marina aloha fa mety ho hafa mihitsy ny fomba fijerin’ny ray aman-dreninao. Izany anefa no ilainao indraindray. Hoy i Nataleine, 17 taona: “Tiako ny manaraka ny torohevitry ny ray aman-dreniko. Tsy tiako mantsy ny ho menatra rehefa mivoaka ny trano, na hofosain’ny olona amin’ny fomba fitafiko.”

Tadidio koa fa eo ambany fahefan’ny ray aman-dreninao foana ianao, raha mbola miara-mipetraka aminy. (Kolosianina 3:20) Raha takatrao tsara anefa ny fomba fiheviny, ary azon’izy ireo koa izay ao an-tsainao, dia mety ho gaga ianao fa hay afaka mifanaraka amin-javatra maro ianareo. Tsy hifamaly amin’ny resaka akanjo intsony ianareo amin’izay!

Torohevitra momba ny fitafiana: Tsy tokony hianina amin’izay hitanao eo amin’ny fitaratra ianao, rehefa manandrana akanjo. Na toa maotina aza mantsy ny fahitanao azy, dia mety tsy ho izany akory no izy rehefa mipetraka ianao na miondrika. Anontanio ny hevitry ny rainao na ny reninao, na ny namana matotra iray, raha azo atao.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mihatra amin’ny lehilahy koa io fampirisihina io, na dia mivantana amin’ny vehivavy aza. Jereo ilay efajoro hoe  “Ary ny Ankizilahy?

ERITRERETO IZAO:

Saintsaino ilay akanjo tianao hovidina ary mieritrereta hoe:

◼ Ahoana no ho fiheveran’ny olona ahy raha manao an’iny aho?

◼ Raha manao an’iny aho, inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny hafa?

◼ Izay fihetsiky ny olona izay mihitsy ve no tena tadiaviko? Te hizaka ny vokatr’izany ve aho?

[Efajoro/Sary, pejy 19]

Fanampiana hisaintsaina

Toromarika: Manaova kopia roa amin’ity pejy ity, ka omeo iray ny ray aman-dreninao. Asaivo fenoiny ny banga eo ankavanana, fa ianao kosa hameno ny eo ankavia. Ampifamadiho ny taratasinareo avy eo, ary iaraho midinika ny valin-teninareo. Misy zavatra tsy nampoizinareo ve? Inona no fomba fijery ananan’ny ankilany, nefa tsy fantatry ny andaniny mihitsy taloha?

HO ANAO HO AN’NY RAY AMAN-DRENINAO

Eritrereto ilay akanjo Eritrereto ilay akanjo

tianao hanaovana tian’ny zanakao

na hovidina. hanaovana na hovidina.

◼ Inona no antony itiavanao ◼ Inona no antony itiavan’ny

azy io? Alaharo ireto lisitra zanakao azy io, araka ny

ireto, arakaraka izay heverinao hevitrao? Alaharo ireto

ho manan-danja kokoa. lisitra ireto, arakaraka

izay heverinao ho

manan-danja kokoa aminy.

․․․․․ Manintona ny ankizilahy ․․․․․ Manintona ny ankizilahy

na ankizivavy na ankizivavy

․․․․․ Mba ho tian’ny ankizy hafa ․․․․․ Mba ho tian’ny ankizy

hafa

․․․․․ Ahazoana aina tsara ․․․․․ Ahazoana aina tsara

․․․․․ Vidiny ․․․․․ Vidiny

․․․․․ Antony hafa ․․․․․ ․․․․․ Antony hafa ․․․․․

◼ Ny mety holazain’ny ray ◼ Izao no holazaiko raha

aman-dreniko raha vao mahita vao mahita azy io

azy io

“Tsy mahazo mividy “Tsy mahazo mividy

an’io ianao!” an’io ianao!”

“Tsy dia maninona.” “Tsy dia maninona.”

“Mety tsara!” “Mety tsara!”

◼ Ny tena antony tsy amelany ◼ Ny antony tsy amelako

ahy hividy an’ilay izy azy hividy an’ilay izy

“Mampihanjahanja loatra.” “Mampihanjahanja loatra.

“Misavoritaka be.” “Misavoritaka be.”

“Ara-damaody loatra.” “Ara-damaody loatra.”

“Manala baraka anay “Manala baraka anay

ray aman-dreninao.” ray aman-dreninao.”

“Lafo loatra.” “Lafo loatra.”

Antony hafa ․․․․․ Antony hafa ․․․․․

MARIMARITRA IRAISANA

◼ Inona no mahatsara ny hevitry ◼ Sao dia mba tsy tiatianay

ny ray aman-dreniko? fotsiny ilay akanjo, dia

․․․․․ izany no tsy amelanay

azy hividy an’ilay izy?

Eny Angamba Tsia

◼ Ahoana raha azo amboarina ◼ Ahoana raha azo amboarina

kely ilay akanjo kely ilay akanjo

mba ho lasa maotina? mba ho lasa maotina?

․․․․․ ․․․․․

FANAPAHAN-KEVITRA

․․․․․

[Efajoro/Sary, pejy 20]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Tsy mampaninona ny manao akanjo ara-damaody, raha mbola mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ilay izy. Betsaka ny akanjo tsara sy tsy manafintohina azo vidina.”—Derrick.

Te hanao izay tiako aho tamin’izaho mbola kely kokoa. Tsy tiako ny tenitenenina tamin’ny akanjoko. Tsapako anefa tatỳ aoriana fa tsy nohajain’ny olona akory aho. Rehefa nanaraka ny tenin’ny ray aman-dreniko sy ny olon-dehibe hafa aho vao nohajain’ny olona.” —Megan.

Raha vao mahita ankizivavy manao akanjo tsy maotina aho, dia lasa tsy te hanaja azy. Izao kosa no tonga ao an-tsaiko raha vao mahita olona manao akanjo tsara nefa maotina: ‘Hoatran’izao no tiako hahitan’ny olona ahy.’ ”—Nataleine.

[Efajoro/Sary, pejy 21]

ARY NY ANKIZILAHY?

  Mihatra amin’ny ankizilahy koa ireo toro lalan’ny Baiboly noresahina tato. Tokony ho maotina ianao. Aoka hiharihary amin’ny fitafianao ny toetra miafina ao am-ponao, izany hoe ny maha ianao anao. Rehefa misy akanjo tianao hovidina, dia mieritrereta hoe: ‘Ahoana no ho fiheveran’ny olona ahy raha manao an’io aho? Tena hampiseho ny maha izy ahy ve io akanjo io?’ Tadidio fa ahalalana ny momba anao ny fomba fitafinao. Ataovy azo antoka hoe mifanaraka amin’ny toro lalana arahinao izany!

[Efajoro, pejy 21]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Ndeha hatao hoe zanakao i Heather, ilay voaresaka terỳ am-piandohana. Hitanao fa mampihanjahanja ny akanjo anaovany. Miteny avy hatrany ianao hoe: “Lasa ianao misolo akanjo, raha tsy izany ianao tsy mahazo mivoaka eo!” Lasa tokoa ilay zaza. Izy koa moa tsy maintsy mankatò anao rahateo. Ahoana anefa no azonao anampiana azy hanova ny toe-tsainy, fa tsy ny akanjony fotsiny?

◼ Voalohany, tadidio fa tsy ianao irery no mahafantatra hoe misy vokany ratsy ny manao fitafiana tsy maotina. Mety hanahy kokoa noho ianao aza ny zanakao. Tsy te hoheverina ho olona tsy misy dikany izy, raha ny marina, sady tsy dia hoe te hisarika ny sain’ny olona. Resaho aminy amim-pahatoniana fa tsy tena manintona ny akanjo tsy maotina. * Atoroy azy ny karazana akanjo tokony hanaovany.

◼ Faharoa, tokony ‘ho fantatra fa mahay mandanjalanja ianareo.’ (Filipianina 4:5) Saintsaino izao: ‘Tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ve ilay akanjo, sa izahay fotsiny no tsy tia an’ilay izy?’ (2 Korintianina 1:24) Raha ianareo no tsy tia an’ilay akanjo, maninona raha mba mandefitra kely?

◼ Fahatelo, aza lazaina aminy fotsiny hoe inona no tsy azony anaovana. Ampio izy hahita an’izay akanjo mety aminy. Mitaky fotoana izany sady ilana ezaka be, nefa tena hitondra soa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mety ho fantatry ny zanakao tsara ny toe-batany. Mitandrema àry amin’izay lazainao, sao dia mitady hanakiana azy amin’izany ianao.