Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita any Danemark ny Anaran’Andriamanitra

Hita any Danemark ny Anaran’Andriamanitra

Hita any Danemark ny Anaran’Andriamanitra

MPIZAHA tany an’arivony isan-taona no mitsidika an’i Copenhague, renivohitr’i Danemark. Gaga ny ankamaroany satria hita eny amin’ireo lapa sy trano hafa ao an-tanàna sy ny manodidina, ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah na יהוה (amin’ny teny hebreo). * Misy anaran’Andriamanitra vita amin’ny volamena, ohatra, eo amin’ny vavahadin’ny fiangonana iray atao hoe Holmens Kirke. Misy takelaka fahatsiarovana ahitana an’ilay anarana koa, ao ambadik’ilay vavahady. Vita tamin’ny 1661 io takelaka io.

Misy trano atao hoe Tilikambo Boribory (Rundetårn), tsy lavitra an’ilay fiangonana. Hita mibaribary eo amin’ny rindrina ivelan’izy io ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo. Fehezanteny amin’ny teny latinina no ahitana azy io, ary izao no dikany: “Enga anie mba hataon’i Jehovah ao am-pon’ny Mpanjaka Christian Fahefatra ny foto-pinoana marina sy ny rariny.” Ahoana no nahatonga ny anaran’Andriamanitra halaza toy izany tany Danemark?

Ny Fanavaozana Protestanta sy ny fandikana Baiboly

Nahatonga ny anaran’Andriamanitra halaza tany Eoropa ny Fanavaozana Protestanta, notarihin’i Martin Luther sy Jean Calvin ary Ulrich Zwingli. Nandalina ny Baiboly sy ny fiteny nanoratana azy io izy ireo, anisan’izany ny teny hebreo sy aramianina ary koine, na teny grika tsotra. Nanjary fantany tsara àry ny anaran’Andriamanitra. Hoy i Martin Luther, tao amin’ny toriteniny: ‘Anaran’ilay tena Andriamanitra irery ihany ny hoe Jehovah.’

Nanaraka finoanoam-poana anefa i Luther, rehefa nandika ny Baiboly ho amin’ny teny alemà, ka tsy nampiasa ny hoe Jehovah, fa nanolo izany tamin’ny anaram-boninahitra hoe “Tompo” sy “Andriamanitra.” Tatỳ aoriana, dia niangaviany i Johannes Bugenhagen, mpiara-miasa taminy, mba handika an’ilay Baiboly ho amin’ny tenim-paritra alemà ampiasaina any amin’ny faritra avaratr’i Alemaina sy ny faritra atsimon’i Danemark. Nanonona imbetsaka ny anaran’Andriamanitra i Bugenhagen ao amin’ny sasin-tenin’ilay Baiboly navoakany tamin’ny 1541 (tamin’ny 1533 ny fanontana voalohany). Izao, ohatra, no teniny: “Jehovah no anarana masin’Andriamanitra.”

Tamin’ny 1604, dia niresaka tamin’ny Mpanjaka Christian Faha-4 ny teolojianina iray atao hoe Hans Resen fa nisy diso tao amin’ny Baiboly danoà nadikan’i Luther. Nangataka alalana àry i Resen mba handika Baiboly vaovao avy amin’ny teny hebreo sy grika tany am-boalohany. Neken’ilay mpanjaka izany. Hoy i Resen tao amin’ny fanamarihany momba ny Genesisy 2:4: “I Jehovah [no] Avo Indrindra. Izy irery no Tompo.” *

Nanomboka hita teny rehetra teny ny anaran’Andriamanitra, rehefa lasa be mpahalala. Nasain’i Hans Resen nasiana takelaka nisy ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny danoà, ohatra, teo amin’ny Fiangonana Bronshoj, rehefa lasa eveka izy, tamin’ny 1624. Natao tamin’ny volamena ilay soratra, ary teo an-tampon’ilay takelaka no nisy azy. Maro tamin’ny taratasin’i Resen koa no nisy teny toy izao teo akaikin’ny soniany: “Mahita i Jehovah.”

Voadika tamin’ny teny danoà ny Baiboly amin’ny teny alemà nadikan’i Johann Michaelis, tamin’ny faran’ny taonjato faha-18. Misy andininy maro ahitana ny anaran’Andriamanitra koa ao. Toy izany koa ny Baiboly nadikan’i Christian Kalkar sy ny hafa. Nataon’izy ireo tao amin’ny Baiboly nadikany ny anaran’Andriamanitra, saika tamin’ny andininy rehetra nisy azy io tany am-boalohany. Namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny danoà koa ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1985. Faly ireo olona tia ny Baiboly, satria miseho im-7 000 mahery ao ny anarana hoe Jehovah, mifanaraka amin’ny Baiboly tany am-boalohany.

Nivavaka tamin’Andriamanitra i Jesosy hoe: “Ny anaranao efa nampahafantariko.” (Jaona 17:6) Hoy koa izy tao amin’ilay vavaka nampianariny: “Hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Maro no nanamasina azy io, rehefa jerena ny tantaran’ny fivavahana tany Danemark.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Renisoratra ireo litera efatra amin’ny teny hebreo ireo, ary vakina avy any ankavanana miankavia. Adika hoe YHWH na JHVH izy ireo matetika. Fahiny dia ny mpamaky no nanisy zanatsoratra tamin’izy ireo, toy ny atao amin’ireo fanafohezan-teny ankehitriny.

^ Ao amin’ny Genesisy 2:4 no ahitana voalohany ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany. Miseho im-7 000 eo ho eo io anarana io ao. Izao no dikany: “Manao Izay Hahatonga Izy.” Midika izany fa mahatanteraka ny fikasany foana i Jehovah. Izy irery àry no afaka mitondra an’io anarana io.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

TYCHO BRAHE SY NY ANARAN’ANDRIAMANITRA

Astronoma danoà nalaza i Tycho Brahe. Niala tany Danemark izy tamin’ny 1597, satria tsy nifankahazo tamin’ny olona ambony sy ny Mpanjaka Christian Faha-4. Nanoratra tononkalo tamin’ny teny latinina izy, ho fanaovam-beloma an’i Danemark. Izao no hita tao amin’ilay izy: “Ho tsara fanahy amiko ny olona any an-tany hafa, satria izany no sitrapon’i Jehovah.”

[Sary, pejy 24, 25]

Vavahadin’ny Holmens Kirke

[Sary, pejy 24, 25]

Tilikambo Boribory

[Sary, pejy 25]

Hans Resen

[Sary, pejy 25]

Nanonona ny anaran’Andriamanitra i Johannes Bugenhagen ao amin’ny sasin-tenin’ilay Baiboly nadikany, 1541

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Hans Resen sy Tycho Brahe: Kobberstiksamlingen, Det Kongelige Bibliotek, København