Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita ao Amin’ny Baiboly Izay Ilainao!

Hita ao Amin’ny Baiboly Izay Ilainao!

Hita ao Amin’ny Baiboly Izay Ilainao!

◼ Nisy mpivady niditra tao amin’ny trano be iray any Ajaccio, any Corse, nosy any amin’ny Ranomasina Mediterane. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nahita valopy latsaka tamin’ny tany izy mivady, fa tsy nahita adiresy teo amin’ilay izy. Nisy vola 400 euros (Ar 1 090 400 eo ho eo) anefa tao anatiny. Hoy ilay vehivavy: “Nanoratra taratasy kely izahay hoe afaka mitelefaonina anay izay tompon’ilay valopy. Napetakay teo amin’ny tabilao misy filazana tao amin’ny fidirana tamin’ilay trano izany.”

Nisy vehivavy nitelefaonina azy mivady, ny ampitso hariva. Rehefa avy noporofoin’io vehivavy io fa izy ilay very vola, dia nifanao fotoana izy ireo. Gaga izy hoe nisy namerina ny volany, ka nitondra fehezam-boninkazo izy. Karamany io vola very io, ary hanainga hanao vakansy iray volana izy ny ampitson’iny.

Nandefa karta ho azy mivady ilay vehivavy, tany am-panaovana vakansy, mba hisaorana azy ireo indray. Nitsidika azy ilay mpivady Vavolombelona rehefa tafaverina izy. Noresahin’izy ireo taminy fa misy torohevitra mahasoa sy azo ampiharina momba ny fiainam-pianakaviana sy ny fitondran-tena, ao amin’ny Baiboly. Nahaliana azy izany.

Nampiasa ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? izy mivady, mba hiresahana hevitra vitsivitsy tao amin’ilay toko hoe: “Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?” Talanjona ilay vehivavy ka niteny hoe: “Ary toa hita ao amin’ny Baiboly daholo izay ilaiko rehetra!” Nanaiky hianatra Baiboly maimaim-poana izy avy eo.

Tsy momba ny fiainam-pianakaviana ihany no resahin’ny boky Ampianarina. Resahin’izy io koa ny marina momba an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ny hoe aiza no misy ny maty, nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy, ary hevitra maro hafa mampanahy ny olona. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.