Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa sa Manimba?

Mahasoa sa Manimba?

Mahasoa sa Manimba?

Tsy voafehin’ny mpamily iray ny fiarany, ka nidona tamin’ny andrin-jiro. Naratra mafy ny mpandeha iray. Nitelefaonina avy hatrany ilay mpamily mba hahazoana fanampiana. Fa nahoana moa izy no tsy nahafehy ny fiarany? Tsy nijery lalana vetivety izy, fa nilaozany namaly antso an-telefaonina.

HITA amin’izany fa mety hahasoa na hanimba ny fitaovana maoderina, arakaraka ny hampiasantsika azy. Tena manampy anefa ny fitaovana maoderina, ka tsy te hampiasa fitaovana tranainy sy tsotra be intsony ny ankamaroan’ny olona. Eritrereto, ohatra, ny ordinatera. Ahafahana manao ireo asa mandreraka tokony hataontsika izy io, ahafahana mivarotra, mifampiraharaha amin’ny banky, ahafahana mifanoratra na mifampiresaka amin’olona, ka azo atao mihitsy ny mahita ny endrik’ilay olona.

Tsy nihaona mihitsy ny mpianakavy taloha raha tsy amin’ny hariva, ary izay vao nifampiresaka. Hoy anefa ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy): “Mifampiantsoantso kely amin’ny telefaonina isan’andro ny 70 isan-jaton’ny mpivady samy manana telefaonina, ary mifampiantso mba handamina fandaharam-potoana ny 64 isan-jato. Mitelefaonina ny zanany isan’andro ny 42 isan-jaton’ny ray aman-dreny.”

Mitandrema amin’ny fitaovana maoderina

Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny saina sy ny fahasalamana ve raha be loatra ny fotoana lany amin’ny telefaonina sy ny ordinatera, na raha amin’ny fotoana tsy mety no ampiasana an’ilay izy? Eritrereto, ohatra, izay voalazan’ny gazety momba ny mpivady vao iray, tany amin’ny tany tandrefana: “Nitelefaonina foana izy ireo na tany anaty fiara, na tany amin’ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena. Nifampitelefaonina koa izy ireo na dia tao an-trano aza.” Nampiasa telefaonina nandritra ny 4 000 minitra (66 ora mahery) isam-bolana izy ireo indraindray. Nilaza izy ireo fa tsy tantiny ny hoe tsy manana telefaonina. Hoy i Harris Stratyner, mpitsabo aretin-tsaina: ‘Izany no famantarana fa miankin-doha amin’ny telefaonina izy ireo. Toy ny hoe tsy afaka mifandray izy mivady raha tsy misy mpanelanelana.’

Tafahoatra angamba ny nataon’ireo mpivady ireo, nefa hita amin’izany fa mampanahy ny zava-misy. Tsy tantin’ny olona maro ny hoe tsy mifandray amin’iza na iza, na dia ao anatin’ny adiny iray aza. Hoy ny vehivavy iray, 25 taona eo ho eo: “Tsy maintsy mampiasa Internet foana izahay, ary tsy maintsy mijery hafatra sy mifandefa hafatra amin’ny namanay.”

Hoy ny Dr. Brian Yeo tao amin’ny gazety Vidy Varotr’i Singapour (anglisy): ‘Izao no famantarana fa misy zavatra hafahafa: Be dia be ny fotoana laninao ampiasana Internet, ary izany no lasa zavatra tianao indrindra, ka tsy manao na inona na inona afa-tsy izany ianao.’ Tsy dia manao fanatanjahan-tena firy na tsy manao mihitsy ny olona mandany ora maro ijerena tele na ampiasana ordinatera na telefaonina, ka mety ho voan’ny aretim-po, diabeta, na aretina lehibe hafa.

Mety hisy voka-dratsiny eo no ho eo koa anefa. Asehon’ny fandinihana iray vao haingana, fa toy ny mpamily mamo ihany ny olona mitondra fiara sady mitelefaonina, na tazoniny ilay telefaonina na tsia. Mampidi-doza koa ny mandefa hafatra eo am-pitondrana fiara. Hita anefa fa 40 isan-jaton’ny mpamily latsaka ny 27 taona no manao izany. Tadidio izao raha alaim-panahy hampiasa telefaonina ianao eo am-pitondrana fiara: Raha sendra misy loza, dia mety hijery ny telefaoninao ny polisy sy ny kompaniam-piantohana, mba hahitany raha nitelefaonina ianao talohan’ny nitrangan’ilay loza. Mety ho vidinao lafo ny antso an-telefaonina iray na ny hafatra kely iray. * Niharan-doza, ohatra, ny lamasinina iray tany Kalifornia, any Etazonia, tamin’ny 2008. Olona 25 no namoy ny ainy. Hita tamin’ny fanadihadiana fa nandefa hafatra an-telefaonina ilay mpamily, segondra vitsivitsy talohan’ilay loza, ka tsy nahavita nanajanona an’ilay lamasinina.

Mihamaro ny ankizy mampiasa telefaonina sy ordinatera ary fitaovana hafa mampiala voly. Tokony hianatra hampiasa azy ireny amim-pahendrena àry izy ireo. Ahoana no azo anampiana azy ireny? Diniho ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tokony hitandrina izay rehetra miezaka manaraka ny fampianaran’ny Baiboly, mba tsy hisy na inona na inona hahavarimbariana azy, amin’ny toe-javatra rehetra mety hampidi-doza.—Genesisy 9:5, 6; Romanina 13:1.

[Sary, pejy 5]

Mandany fotoana be loatra amin’ny telefaonina na Internet ve ianao?