Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Mihevitra ny Hafa ary Mahaiza Mitsitsy

Miezaha Mihevitra ny Hafa ary Mahaiza Mitsitsy

Miezaha Mihevitra ny Hafa ary Mahaiza Mitsitsy

Miasa amin’ny ordinatera i Katherine, 25 taona eo ho eo. Mampiasa Internet foana koa anefa izy any an-trano: Mikarokaroka ao, mividy zavatra ao, ary mandefa hafatra be dia be. Mbola mihoatra noho izany anefa ny ataon’ny mpiara-miasa aminy tanora kokoa. Hoy izy: “Mandefa hafatra tsisy dikany amin’ny telefaonina foana ry zareo. Mandrebireby! Maninona izao raha miantso?”

MAHATSIKAIKY ihany izany, satria na miantso azy an-telefaonina aza ny namany dia tsy hoe lasa mifandray mivantana izy ireo. Mampisy elanelana tokoa ny telefaonina sy ny Internet, na dia ny hampifandray olona aza no antony namoronana azy ireny. Eritrereto àry ireto toro lalan’ny Baiboly ireto mba hahatonga anao hahay handanjalanja rehefa mampiasa azy ireny.

‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.’ (Matio 7:12) Lasa manaja olona sy mahalala fomba isika, raha mampihatra an’ireo tenin’i Jesosy Kristy ireo rehefa mampiasa telefaonina sy ordinatera. Hoy i Anne: “Tany amin’ny hotely izahay mivady, indray mandeha. Nisy lehilahy roa teo akaikinay. Ny anankiray nitelefaonina foana, ka sady nitelefaonina no nisakafo. Nampalahelo ilay namany satria nisakafo ‘irery.’ ” Ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany? Nalahelo ve ianao, na tezitra? Marina fa mety ho azo atao ny mampiasa telefaonina na aiza na aiza, na rahoviana na rahoviana. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy mampiasa telefaonina foana isika. Tokony hitari-dalana antsika kosa io tenin’i Jesosy io.

“Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana.” (Efesianina 5:15, 16) Fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny fotoana, ka tsy tokony holanilanina befahatany. Marina fa ahafahana mitsitsy fotoana ny telefaonina sy ny ordinatera. Vetivety, ohatra, isika dia mahavita manao fikarohana na mifampiraharaha amin’ny banky rehefa mampiasa Internet. Ho very fotoana anefa isika, raha mikarokaroka ao amin’ny Internet, nefa tsy tena misy zavatra tadiavintsika.

Mety handany fotoana koa ny manao zavatra maromaro indray miaraka, ohatra hoe sady mampiasa ordinatera no mijery tele sy mitelefaonina, na sady mandefa hafatra amin’ny ordinatera no manao zavatra hafa ao ihany. Nahoana no tsy mahasoa izany?

Hoy ny Dr. Jordan Grafman: “Raha manao zavatra maromaro indray miaraka isika, dia mety tsy ho vita tsara izy rehetra.” Tsy afaka mifantoka amin-javatra maro amin’ny fotoana iray isika. Tsy maintsy hisy zavatra tsy mety foana. Mety tsy ho afaka handinika tsara, ohatra, isika, na hanadino ny zavatra sasany. Hoy ny gazetiboky Fotoana (anglisy): “Manao fahadisoana betsaka kokoa ny olona manao zavatra maromaro indray miaraka. Matetika koa no avo roa heny na mihoatra ny fotoana laniny, raha oharina amin’ny olona manao an’ilay izy tsirairay.” Mieritrereta tsara àry alohan’ny hanaovana asa maromaro indray miaraka, satria mety tsy ho betsaka araka ny noeritreretinao ny zavatra ho vitanao!

“Mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Tsy miantoka ny aintsika na ny fahasambarantsika ny zavatra ananantsika, na dia faran’izay lafo sy tsara tarehy aza. Andriamanitra ihany no afaka manome izany. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Milaza anefa ny mpivarotra fa ho sambatra ianao raha manan-javatra. Ampirisihiny hividy foana sy hahazo ny modely farany ianao. Aza manaiky ho voafitaka anefa. Diniho tsara aloha ny antony manosika anao sy ny zavatra tena ilainao, izay vao mandany ny vola nisasaranao. Tadidio koa fa vetivety dia lany andro ny zavatra sasany. Raha mila zavatra iray àry ianao, dia eritrereto izao: ‘Mila mividy ny modely farany ve aho? Mila mividy an’ilay lafo vidy ve aho, nefa mety tsy hampiasaiko akory ireo pitsipitsiny ao anatiny?’

Hahasoa sa hanimba anao?

Simba ny ordinateran’i Katherine, ilay noresahina terỳ aloha, ka nitebiteby be izy. Hoy izy: “Niferinaina aho tamin’ny voalohany, nefa tapa-kevitra aho hoe aleo amin’ny manaraka vao mividy solony. Nihatony kokoa aho rehefa afaka iray volana, ary betsaka kokoa ny boky voavakiko. Mampiasa ordinatera aho any am-piasana, ka afaka mifanoratra amin’ny namako ihany, aorian’ny ora fiasana. Tsy voasarika hampiasa Internet foana intsony aho. Tsy fehezin’ny ordinatera sy ny telefaonina izao ny fiainako.”

Marina fa mahasoa ny ankamaroan’ny fitaovana maoderina, sady ahafahana mitsitsy fotoana sy hery. Ampiasao izy ireny raha ilainao, kanefa mahaiza mandanjalanja. Ahoana no hanaovana izany? Ny olona no tokony ho zava-dehibe kokoa aminao noho ny telefaonina na ordinatera. Aza lanilanina amin-javatra tsy misy dikany sy amin’ny fitaovana tsy ilainao ny vola sy ny fotoana sarobidy anananao. Aza mijery sary vetaveta na herisetra amin’ny Internet na zavatra hafa. Aza manaiky ho “andevozin’ny” teknolojia. Aoka kosa ianao ho hendry ka hampihatra ny toro lalana tsy tontan’ny ela ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. “I Jehovah [tokoa] no manome fahendrena, ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka.”—Ohabolana 2:6.

[Efajoro, pejy 9]

FAHALALAM-POMBA REHEFA MAMPIASA TELEFAONINA SY ORDINATERA

Ahoana no ahafahantsika mihevitra ny hafa rehefa mampiasa telefaonina sy ordinatera? Ireto misy soso-kevitra:

◼ Tsy tokony hitelefaonina na handray antso ianao, amin’ny fotoana sasany na any amin’ny toerana sasany, rehefa mety hanelingelina olona izany. Vonoy ny telefaoninao raha ilaina.

◼ Raha miresaka zavatra tena lehibe amin’olona ianao, dia aza avela hanelingelina anareo ny antso an-telefaonina, raha tsy hoe tena zava-dehibe angaha ilay antso.

◼ Mifantoha tsara rehefa miresaka amin’olona amin’ny telefaonina.

◼ Aza alaina sary amin’ny telefaoninao ny olona raha mahamenatra azy izany na heveriny ho tsy fahalalam-pomba.

◼ Aza alefa any amin’ny olona ny hafatra rehetra hitanao hoe mahaliana, voarainao tamin’ny telefaonina na Internet, satria mety tsy ho tian’ilay olona ilay izy.