Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miroborobo ny Teknolojia

Miroborobo ny Teknolojia

Miroborobo ny Teknolojia

FAHITA ny zokiolona mitaingina ampondra sady mitelefaonina, any Albania. Manana telefaonina koa ny mpangataka sasany any Inde. Mijanona kely tsy mangataka izy rehefa mitelefaonina. Miely eran-tany tokoa ny fitaovana maoderina, anisan’izany ny telefaonina, ny ordinatera, ary ny tele. Samy manana na ny mpanankarena na ny mahantra. Efa anisan’ny fiainana andavanandro mihitsy ilay izy, ho an’ny olona maro.

Ny fielezan’ny finday angamba no tena ahitana hoe miroborobo ny teknolojia. Maro amin’izy ireny izao no tena arifomba, satria azo andefasana hafatra, ihainoana mozika, akana sary, ijerena tele sy Internet, ampiasaina hitadiavana lalana, ary mazava ho azy moa hoe iantsoana olona!

Voalaza tao amin’ny Gazetin’i Washington (anglisy) fa misy telefaonina mitovy amin’ny ordinatera arifomba, “be pitsiny kokoa noho ny ordinatera nampiasain’ny toby miaramila iray tany Amerika Avaratra tamin’ny 1965.” Milaza koa izy io hoe “misy finday iray isaky ny olona roa izao eran-tany”, ary betsaka noho ny mponina ny finday, any amin’ny firenena 30 eo ho eo. “Ny finday angamba no fitaovam-pifandraisana niely indrindra hatramin’izay”, hoy ilay gazety.

Efa ho ny 60 isan-jaton’ny mpampiasa finday no atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Araka izany, dia izy io no fitaovam-pifandraisana maoderina voalohany, be mpampiasa indrindra atỳ. Niampy 140 000 isam-bolana, ohatra, ny mpampiasa finday tany Afghanistan, tamin’ny 2008. Nitombo 50 isan-jato eo ho eo isan-taona koa ny tatỳ Afrika, tato anatin’ireo taona faramparany.

Misy lafy ratsiny anefa ilay fivoarana. Toy ny hoe voageja ny olona manana finday na ordinatera, satria antsoin’ny olona na andefasany hafatra foana izy, na aiza na aiza misy azy. Ny sasany indray lasa te hampiasa Internet na telefaonina foana. Tsy afa-po izy raha tsy maharaka ny zava-mitranga. “Andevozin’ny” teknolojia izy ireny.

Matetika koa no tsy mifantoka amin’izay ataony, na manelingelina ny hafa, ny olona mampiasa an’ireny fitaovana ireny. Na izany aza, dia mahasoa ny fitaovana maoderina. Inona àry no hanampy anao hahay handanjalanja sady hihevitra ny hafa, rehefa mampiasa azy ireny? Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ny finday, ordinatera, tele, ary Internet no tena resahina ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.