Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niala Tamin’ny Asa Miafina mba Hanao Asa Masina

Niala Tamin’ny Asa Miafina mba Hanao Asa Masina

Niala Tamin’ny Asa Miafina mba Hanao Asa Masina

Notantarain’i Andrew Hogg

“Tena loza raha apoakantsika ireto baomba ireto!”, hoy ilay lehibenay. Lasa niady hevitra be àry izahay hoe tena mety ve ny mandeha miady. Miaramila tao amin’ny sambo mpisitrika iray aho tamin’izany. Asa miafina ilay izy, satria nila nitandrina izahay mba tsy ho hitan’ny fahavalo. Fa inona no nahatonga ahy hanao io asa io?

TERAKA tamin’ny 1944, tany Philadelphie, eto Etazonia aho. Mbola kely aho dia efa te ho miaramila, satria miaramila i Dada sy Dadatoa ary Dadabe. Tsy misy asa ambony noho izany mantsy, hono. Nahita sambo mpisitrika tao amin’ny tobin’ny tafika an-dranomasina teo akaikinay aho tamin’izany, ka lasa te hiasa tamin’ireny sambo ireny. Voaray tao amin’ny sekolin’ny tafika an-dranomasina aho, rehefa ho vita ny fianarako teny amin’ny lise. Nahazo diplaoma aho, efa-taona tatỳ aoriana, tamin’ny Jona 1966.

Nianatra momba ny baomba niokleary sy ny sambo mpisitrika aho, taorian’izay. Nanambady an’i Mary Lee aho, tamin’ny Aprily 1967, ary mbola mifankatia be foana izahay. Tanteraka ny nofinofiko tamin’ny Martsa 1968, satria voaray hiasa tao amin’ny sambo mpisitrika iray atao hoe USS Jack aho. Niteraka an’i Allison zanakay vavy i Mary Lee, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana.

Lasa injeniera tao amin’ny sambo hafa iray atao hoe USS Andrew Jackson aho, tamin’ny 1971. Ny lehibenay tao no nilaza ireo teny noresahiko tetsy aloha. Nisy zava-doza niseho tao anaty sambo, indray andro, taoriana kelin’ny misasakalina, raha mbola teo am-pialana voly izahay. Nahare zavatra nidoboka izahay. Hay nisy zavatra nirehitra. Tena mampahatahotra anefa izany rehefa mandeha sambo mpisitrika. Nanenoneno be ny fanairana, sady nisy filazana niverimberina tao amin’ny fanamafisam-peo hoe: “Mirehitra ny efitra voalohany misy milina!”

Nihazakazaka nankany aho, satria izaho no niandraikitra ny milina rehetra. Milina mpanome rivotra madio no nirehitra. Nametaka tampin’orona avy hatrany ny efatra taminay, ary navoakanay haingana tao amin’ilay efitra izay gazy mora mirehitra. Soa fa tsy nisy naninona izahay rehetra! Vitanay koa ilay iraka nampanaovina anay satria tena tsara ofana ny ekipanay!

Naleoko indray namaky tantaran’olona tia fihavanana

Tena nandreraka ny asanay, ka nampirisihina izahay hamaky boky isan-kerinandro. Matetika aho no namaky tantarana miaramila malaza. Indray andro anefa, dia nieritreritra aho hoe aleo indray hamaky tantaran’olona tia fihavanana. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. Nalaiko àry ny Baiboly azoko tamin’izaho nahavita fianarana, ary novakiko ny Filazantsara. Maro ny zavatra nanitikitika ny saiko tao, ary tena nilako valiny.

Rehefa ho tapitra ny iraka nampanaovina anay, dia novorin’ilay lehibenay izahay. Hoy izy: ‘Izao ry zalahy a! Tena tsara vintana ity injenierantsika ity! Voatendry ho injeniera ao amin’ilay sambo vaovaon’ny tafika izy!’ Tena tsy nampoiziko izany!

Nifindra tany Newport News, any Virginie, àry izahay. Vao namboarina ilay sambo mpisitrika tamin’io. USS Los Angeles no anarany. Ireto no asako tamin’izany: Mijery raha mandeha tsara ny milina rehetra, manoratra toromarika momba ny fampiasana azy ireo, ary mampiofana olona. Tena sarotra ny asako, nefa tiako. Teraka an’i Drew zanakay lahy i Mary Lee tamin’izay. Roa àry izao ny zanako. Lasa indray ny eritreritro hoe: ‘Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny ady? Mankaiza ny maty? Misy ve ny afobe?’

Nahazo valiny ihany!

Nanomboka nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko. Hoy izy, indray andro, rehefa niantso azy avy any am-piasana aho: “Misy ramatoa roa mitory Baiboly ato.”

“Fa inona ry zareo?”, hoy aho.

“Vavolombelon’i Jehovah”, hoy izy.

Mbola tsy nahare momba ny Vavolombelona mihitsy aho, nefa tena te handalina ny Baiboly. Hoy àry aho: ‘Mba te hiresaka amin-dry zareo aho, fa mifanaova fotoana aminy.’ Tsy ela dia niverina niaraka tamin’ny vadiny ilay ramatoa iray, ary nianatra Baiboly izahay mivady.

Voavaly tsikelikely ny fanontaniana nanitikitika ny saiko. Nianarako, ohatra, fa “tsy mahalala na inona na inona” ny maty, fa toy ny olona matory be, araka ny nolazain’i Jesosy. (Mpitoriteny 9:5; Jaona 11:11-14) Tsy sambatra sady tsy mijaly ny maty, fa miandry ny fananganana azy fotsiny.

Nanomboka niara-nivory tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Mihavana tsara sy miray saina ry zareo, na dia tsy mitovy fiaviana sy fahaizana aza. Hitanay fa manova olona tokoa ny Baiboly!—Salamo 19:7-10.

Tsy maintsy nanapa-kevitra

Niady ny Israelianina sy ny Arabo, tamin’ny 1973. Nasaina niomankomana àry ny sambo mpisitrika amerikanina tany amin’ny Ranomasimbe Atlantika. Hitako anefa fa vao mainka mety hanasaro-javatra izany. Teo àry vao tena tsapako fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany, fa tsy ny fanjakan’olombelona, no ho afaka hampisy filaminana maharitra. Efa nivavaka matetika ihany aho taloha hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao”, saingy tsy haiko ny dikany. (Matio 6:9, 10) Fantatro anefa izao fa Fanjakana any an-danitra izy io, ary tsy ho ela dia hitondra ny tany manontolo, ka hanafoana ny ratsy rehetra.—Daniela 2:44; 7:13, 14.

Ny 2 Korintianina 10:3, 4 no tena nahatonga saina ahy. Voalaza ao fa ‘tsy miady araka ny fironan’ny nofony’ ny tena Kristianina, ary ‘tsy araka ny nofo ny fitaovam-piadiany, nefa mahery, satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery.’ Nianarako fa ‘fitaovam-piadiana’ ara-panahy no tiana holazaina eo, ary iray amin’izany ny “sabatry ny fanahy”, izany hoe ny Baiboly.—Efesianina 6:17.

Tsy maintsy nanapa-kevitra aho. Mbola hanohy ilay asako ve aho, sa hiova asa satria efa mahalala ny fampianaran’ny Baiboly? Tiako be ny asako na dia sarotra aza. Nivavaka mafy àry aho. Hitako avy eo fa tokony hankatò izay lazain’Andriamanitra momba ny ady aho, raha tena tia fihavanana.

Nanompo an’ilay Filoha Fara Tampony

Nivavaka mafy sy nifampidinika izahay mivady, ka nanapa-kevitra fa hanompo an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Filoha Fara Tampony. Nametra-pialana tao amin’ny tafika aho, ary nanokan-tena ho an’i Jehovah izahay. Nafindra tany Norfolk, any Virginie aho aloha. Gaga ny ankamaroan’ny mpiara-miasa tamiko, rehefa nahare ny fanapahan-kevitro. Ny hafa tezitra. Nisy kosa nihaino tsara ny fanazavako, ary nanaja ny safidiko.

Nahazo alalana handao ny tafika aho, tamin’ny 1974. Natao batisa izahay mivady, tamin’ilay fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Ny Fikasan’Andriamanitra”, tany Hampton, any Virginie. (Matio 28:19, 20) Niova ny fiainanay nanomboka teo.

Lasa sahirana

Mbola kely ny zanakay tamin’izany, nefa tsy an’asa aho. Ny tahirinay koa kelikely ihany. Nandefa fangatahana asa tany amin’ny orinasa maromaro aho, ary nanankina ny fiainanay tamin’Andriamanitra. Tsy ela dia nahita asa aho. Antsasaky ny karamako taloha no noraisiko, nefa faly izahay satria tsy voatery nifindra lavitra.

Nitombo ny zavatra fantatray momba an’i Jehovah, ka te hanompo azy bebe kokoa izahay. Nisy Vavolombelona namanay nifindra tany amin’ny faritra afovoan’i Virginie, satria nilana mpitory maro kokoa tany. Nanasa anay ho any izy ireo. Indray mandeha monja izahay no tany, dia efa tapa-kevitra fa hifindra any koa. Nangataka tamin’ny lehibeko aho, mba hafindra toerana. Faly aho fa nanaiky izy, sady nomeny asa tsara kokoa aho! Niantohany koa ny saran-dalanay nankany. Karakarain’Andriamanitra tokoa izay manao ny sitrapony!—Matio 6:33.

Niezaka nanana fiainana tsotra izahay. Afaka nirotsaka ho mpitory manontolo andro àry izahay mivady, sady nanam-potoana betsaka hiarahana amin’ny zanakay. Faly be izahay satria nisy vokany tsara izany. Mbola ‘mandeha ao amin’ny fahamarinana’ foana mantsy i Allison sy Drew.—3 Jaona 4; Ohabolana 23:24.

Marina fa misy zavatra mampanahy anay ihany indraindray. Anisan’izany ny vola, trano, fahasalamana, ary ny fahanterana. Nanampy anay foana anefa i Jehovah. Tsy nanenenako mihitsy ny niala tamin’ilay “asa miafina”! Rehefa mitodika ny lasa izahay, dia tena afaka milaza fa tsy misy asa ambony sy tsara noho ny manompo an’i Jehovah.—Mpitoriteny 12:13.

[Teny notsongaina, pejy 14]

Nanapa-kevitra izahay fa hanompo an’ilay Filoha Fara Tampony

[Sary, pejy 12, 13]

Ny sambo USS “Los Angeles”

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Navy photo

[Sary, pejy 13]

Izahay sy Mary Lee ankehitriny