Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tontolo Hafa Tanteraka any Bolivia

Tontolo Hafa Tanteraka any Bolivia

Tontolo Hafa Tanteraka any Bolivia

NIRESAKA momba an’i Amerika Atsimo tamin’ny Kolonely Percy Fawcett ny filohan’ny Fikambanana Anglisy Mpikaroka Momba ny Tany, tamin’ny 1906. Nilaza izy fa mety handroso be io faritra io. Nampiseho sarintany izy, sady niteny hoe: ‘Jereo ange ity faritra ity e! Tsy misy zavatra fantatra mihitsy momba azy.’ Nirahiny ho any amin’io faritra io àry ilay kolonely mba handinika azy io.

Nanoratra diary momba ny diany tany Amerika Atsimo i Fawcett, ka niresaka momba ny faritra manodidina ny Havoanan’i Huanchaca, any Bolivia. Nilaza izy fa rakotra ala mikitroka izy io, ary nantsoiny hoe “tontolo hafa tanteraka.” * Misy milaza fa naka hevitra tao amin’ny diarin’i Fawcett sy ny sary nalainy i Conan Doyle, rehefa nanoratra ilay angano hoe Tontolo Hafa Tanteraka (anglisy). Mitantara “olona rajako” sy dinôzôro tsy maty tamin’ny andro fahiny izy ao. Anisan’ilay ala mikitroka ny Valan-javaboary Noel Kempff Mercado, izay natao Lova Iraisam-pirenena, tamin’ny taona 2000. *

Any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Bolivia, akaikin’ny Brezila, ilay valan-javaboary. Maherin’ny 15 tapitrisa kilaometatra toradroa ny velarany, ary mbola tsy simban’ny olona ilay izy. Ahitana ala maitso mandavantaona, ala mihintsan-dravina, ala anaty honahona, tany lavavolo, ary heniheny ao. Mirefy 5 180 kilaometatra toradroa ny Havoanan’i Huanchaca, ary 550 metatra ny haavony. Manaraka ny sisiny atsinanan’ilay valan-javaboary izy io, ary 150 kilaometatra ny lavany. Maro ny renirano mandalo ao amin’ilay havoana sy ny manodidina azy. Mivarina any amin’ny riandrano 20 eo ho eo izy ireo, ka anisan’izany ny Riandranon’i Salto Susana, Arco Iris, Federico Ahlfeld, Gemelas, ary El Encanto.

Ny dianay nankany

Mahasarika an’ireo mpizaha tany tia zavaboary ilay toerana, noho izy io lavitra ny tanàna ka mbola tsy simba. Maro amin’izy ireo no mandeha fiaramanidina avy any Santa Cruz, any afovoan’i Bolivia. Izahay kosa nandeha 700 kilaometatra tamin’ny fiara, mba hahitana tsara ny ambanivohitr’i Bolivia. Teny an-dalana, dia nahita toy ny ravinkazo maro be mareva-doko nanidintsidina teo amin’ny arabe izahay. Hay lolo izy ireo fa tsy ravinkazo. Nisy androngo maromaro nifanaretsaka koa teo, ary faly erỳ nisambotra an’ireo lolo.

Tonga tao amin’ilay valan-javaboary izahay. Nihaona tamin’i Guido izahay tao La Florida, tanàna eo amoron’ny Reniranon’i Paragua. Izy no nitari-dalana anay. Nandeha baka niampita an’ilay renirano izahay, ary nentina koa ny fiara. Nandeha fiara indray izahay avy eo. Nisy amboadia sy matoriandro tsara tarehy nitsoriaka teny amin’ny lalanay. Tonga tao Los Fierros izahay avy eo, ary natory tao.

Feom-borona mafy no nanaitra anay ny maraina. Nisy boloky efatra miloko manga sy mavo teny ambony hazo, teo ivelan’ilay trano natorianay. Toy ny nilaza izy ireo hoe: “Tonga soa e!” Tsinjonay sahady fa hahafinaritra ny fitsidihanay an’ilay valan-javaboary.

Feno zavamananaina

Inona avy no hita ao amin’ilay valan-javaboary? Misy karazana biby mampinono 139 ao (betsaka noho ny any Amerika Avaratra), karazana biby mandady 74, ary karazana lolo 3 000 eo ho eo. Tsy tambo isaina ny bibikely. Misy karazam-borona 600 mahery koa ao, ka ny boloky fotsiny no efa misy karazany 20 mahery. Ao koa anefa ny voromahery mpihaza sy ny vorona mitovitovy amin’ny taontaon-kafa. Nilaza i Nick Acheson, manam-pahaizana momba ny vorona sady mpiaro ny tontolo iainana, fa mahasarika ny mpitia vorona eran-tany ireo vorona hafakely ao amin’ilay valan-javaboary.

Maro koa ny biby mampinono hita ao, anisan’izany ny mpihinam-bitsika, ny amboadia, jagoara, lambo, tapir, ary ny diera. Ahitana zavamananaina koa ao amin’ireo renirano mamakivaky an’ilay valan-javaboary sy ny manodidina azy. Anisan’izany ny karazam-biby 62 iray tarika amin’ny sahona, karazan-trondro 254, voay, loutre, feson-dranomamy, ary biby lehibe hafa. Tena afa-po izay mpitia zavaboary mitsidika an’ilay toerana!

Maro ihany anefa ny mpitsidika matahotra. Any Amazonia mantsy no misy an’ilay ala, ka be bibidia. Natahotra koa àry izahay. Nitantara ny zava-nitranga ny alina voalohany natoriany tao amin’ilay valan-javaboary, ny mpiandraikitra an’ilay toerana natorianay tao Los Fierros. Hoy izy: “Taitra aho tamin’ny misasakalina, satria toy ny hoe nisy nijery ahy. Rehefa nitazana teo am-baravarankely aho, dia nahita jagoara nibanjina ahy. Aromoka fotsiny no nanelanelana anay! Nihorohoro aho, ka nihidy tao amin’ny efitra fandroana mandra-maraina.” Vao mainka izahay natahotra rehefa nandre izany!

Hoy anefa ilay mpiandraikitra: ‘Fantatro tatỳ aoriana fa tsy masiaka ny jagoara, ary mpandehandeha amin’ny alina. Matetika aza izy ireny no mankeo akaikin’ny trano mihitsy rehefa mafana ny andro, ka mitsilailay eo amin’izay mangatsiatsiaka. Tena mampahatahotra ny mahita izany, amin’ny voalohany! Nitondra basy foana izahay taloha, indrindra rehefa nitsangantsangana tamin’ny alina. Tsy manao izany intsony anefa izahay izao, satria hitanay fa tsy masiaka ny jagoara.’ Nampitandrina anay ihany anefa ilay mpiandraikitra mba tsy hankasiaka ny bibidia.

Nankany amin’ny Riandranon’i El Encanto

Tena tian’ny mpitsidika ny mijery ireo riandrano. Niainga vao maraina nankany amin’ny Riandranon’i El Encanto niaraka tamin’i Guido izahay. Valopolo metatra ny haavon’io riandrano io. Nandeha an-tongotra enina kilaometatra izahay mba hahatongavana tany. Nahita gidro atao hoe gidro hala sy gidro mpikiakiaka, teny ambony hazo izahay. Tsy nataotao foana ny anaran’izy ireo. Lava be mantsy ny tongotra aman-tanan’ny gidro hala. Ny gidro mpikiakiaka kosa mamoaka feo mankarenin-tsofina, izay re hatrany amin’ny telo kilaometatra! Nahita vorona mitovitovy amin’ny vorontsiloza koa izahay. Nitsoriaka teo anoloanay izy, handeha hitady sakafo maraina. Niantso anay i Guido mba hijery dian-tongotra maromaro teo amoron’ny rano mandeha iray. Fantany avy hatrany ireo dian-tongotra, ka nilaza izy fa nisy diera karazany roa, tapir, jagoara ary puma nandalo teo. Tonga saina izahay hoe hay misy biby maro be mijery anay avy any ambadimbadika any, ary feno biby mifanaretsaka ao amin’ilay toerana na andro na alina.

Isan-karazany ny zavamaniry ao sady midoroboka, ka betsaka ny toerana azon’ny biby iafenana. Ahitana karazan-javamaniry 4 000 eo ho eo ao, ka 100 mahery ny karazana orkide. Maro be koa ny karazan-kazo, ampanga, zavamaniry misy raviny matsilotsilo, ary zavamaniry mandady. Nahafinaritra ny maso sy namerovero aoka izany ny nanodidina anay. Sady nankafy izany izahay no nihinana voankazo matsiro. Feno hazo fihinam-boa mantsy teny an-dalana, anisan’izany ny garana.

Niampita renirano kely izahay nony farany, ary nandre feona riandrano. Nihamafy ilay feo, arakaraka ny nanatonanay. Tonga teo amin’ny toerana nazavazava izahay avy eo, ary io fa teo anoloanay ny Riandranon’i El Encanto. Avo be ilay izy sady mahavariana. Feno rano mifafifafy erỳ ambany, sady misy dobo madio mangalahala. Ahitana ampanga sy zavamaniry misy raviny matsilotsilo eny amin’ireo vato ikorianan’ilay riandrano. Hoy i Guido: “Mandro eto ny gidro rehefa mafana ny andro.” Mba nilomano tao koa izahay. Mangingina sy tsara tarehy ilay toerana, ary mandrotsirotsy erỳ ny feon’ilay riandrano.

Mbola mitohy ny asan’i Noel Mercado

Niezaka niaro an’ilay valan-javaboary i Noel Mercado, nefa maty izy tamin’ny 1986. Mbola mitohy kosa ny asa natombony. Nifanaraka mantsy i Bolivia sy Etazonia tamin’ny 1996 fa hiaro ala 880 000 hektara, ary hampirisika ny olona hampihena ny gazy manimba ny tontolo iainana. Ny taona nanaraka, dia nanomboka an’ilay tetikasa ny fitondran’i Bolivia sy ny orinasa telo mpamokatra angovo, ka ala 880 000 hektara no tsy navela hotapahina intsony. Lasa anisan’ilay valan-javaboary io ala io, ka nampitombo avo roa heny ny velarany.

Lasa nankasitraka kokoa ny Mpamorona izahay rehefa nitsidika an’io faritra tsara tarehy io. Tena kanto mantsy ireo zavaboary isan-karazany ao. Hoy ny Salamo 104:24: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany.” Tsy naniry hanimba na inona na inona tao amin’io “tontolo hafa tanteraka” io izahay. Nitandrina tsara izahay rehefa nandehandeha tao, ary tsy nitondra na inona na inona nody, fa ireo sary nalainay no notehirizinay tsara ho fahatsiarovana. Tsy hohadinoinay mihitsy iny fitsidihana iny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nanoratra ho an’ny vadiny momba ny diany i Fawcett, tamin’ny Mey 1925. Tamin’izay no nandrenesana farany momba azy, ary tsy hita intsony izy.

^ Tamin’ny 1979 izy io no lasa valan-javaboary, ary nantsoina hoe Valan-javaboarin’i Huanchaca. Nomena ny anaran’ilay Bolivianina mpikaroka momba ny zavamananaina atao hoe Noel Mercado izy io, tamin’ny 1988. Novonoin’ny mpivarotra zava-mahadomelina tao amin’ilay havoana izy, satria sendra nahita ny toerana fanamboaran’izy ireo kôkainina.

[Sary, pejy 16]

Orkide volomparasy manopy mena

[Sary, pejy 16, 17]

Riandranon’i Ahlfeld, ao amin’ilay valan-javaboary

[Sary, pejy 17]

Boloky

[Sary, pejy 17]

Riandranon’i El Encanto

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Sary nalaina avy eny ambony: ® 2004 Hermes Justiniano/BoliviaNature.com

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Orkide sy Riandranon’i Ahlfeld ary boloky: ® 2004 Hermes Justiniano/BoliviaNature.com