Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

◼Nohadihadina ny olona 2 000 teo ho eo tany Alemaina, ka hita fa efa ho ny 40 isan-jaton’ny tanora 14 ka hatramin’ny 19 taona no mihevitra hoe mety ny mandefa hafatra fotsiny amin’ny telefaonina na ordinatera, rehefa te hisaraka amin’ny sipany. Milaza kosa ny 80 isan-jaton’ny olona 50 taona na mihoatra fa tsy mety mihitsy izany.—FRANKFURTER NEUE PRESSE, ALEMAINA.

◼ Tombanana ho 2,3 tapitrisa tapitrisa ny hafatra nalefa an-telefaonina eran-tany, tamin’ny 2008.—HITU NEWS, TAHITI.

◼ “Mihena dimy ka hatramin’ny folo taona eo ho eo ny androm-piainan’ny olona mifoka sigara.”—UC BERKELEY WELLNESS LETTER, ETAZONIA.

Tombanana ho 60 isan-jaton’ny ordinatera ampiasaina any amin’ny birao, any Etazonia, no tsy maty mandritra ny alina. Mamoaka gazy karbonika 14,4 tapitrisa taonina isan-taona tsy amin’antony àry ny foiben-kerinaratra.—WORLD WATCH, ETAZONIA.

Fanentanana Tsy Hino An’Andriamanitra

“Angamba tsy misy Andriamanitra. Aza matahotra intsony fa ankafizo ny fiainanao.” Izany no soratra hita amin’ny bisy 200 sy ny efijery lehibe roa any Londres, ary amin’ny bisy 600 any amin’ny toeran-kafa any Angletera, araka ny gazety The Guardian. Milaza ireo tompon’andraikitra amin’io fanentanana io fa nanao izany izy ireo ho setrin’ny filazan’ny fivavahana hoe voaheloka ho any amin’ny afobe ny tsy mpino. Nasiana hoe “angamba” ilay izy mba hanajana ny lalàna momba ny fampielezan-kevitra any Grande-Bretagne. Tsy voaporofo mantsy hoe tsy misy Andriamanitra. Natao koa ilay fanentanana mba ho maro kokoa ny olona tsy mino an’Andriamanitra sahy hilaza ny heviny.

Fiterahana Mety Hisy Vokany Ratsy

Mihabetsaka izao ny zaza ateraka alohan’ny fotoana tokony hahaterahany, any Etazonia, mba hampahamaivamaivana ny reniny fotsiny. Didiana ilay reny, na omena fanafody hahatonga azy hihetsi-jaza. Milaza anefa ny The Wall Street Journal fa “tena zava-dehibe tsy araka ny noeritreretina ireo herinandro faramparany alohan’ny hahaterahana.” Nodinihina ny zaza vao teraka 15 000, ka hita fa nihena 23 isan-jato ny mety hahatonga ny zaza ho voan’ny fanintona, ngorongosy, aretin’ny taovam-pisefoana, lotsi-dra amin’ny atidoha, raha nijanona tao an-kibon-dreniny 7 ka hatramin’ny 9 volana izy. Atahorana haherihery fihetsika sy ho votsa saina ny zaza raha 7 volana na 8 volana dia teraka. Milaza àry ny fikambanana ara-pitsaboana iray fa “tsy tokony havoaka alohan’ny 9 volana ny zaza, raha tsy hoe misy olana ara-pahasalamana.”

Mahasalama ny Miakatra Tohatra

Milaza ny gazety ara-pitsaboana The Lancet any Londres, fa “fomba tsotra hanatsarana fahasalamana ny fahazarana miakatra tohatra.” Nasain’ny dokotera mpikaroka handeha amin’ny tohatra ny mpiasa 69 tsy manao asa vatana, fa tsy handeha amin’ny trano kely solon-tohatra, rehefa any am-piasana. Rehefa afaka telo volana, dia hita fa nitombo 8,6 isan-jato ny oksizenina azon’ny vatan’izy ireo, ka lasa “nihena 15 isan-jato ny aretina na zavatra hafa mety hahafaty azy.” Nihatsara koa ny tosidrany sy ny lanjany, lasa ara-dalàna ny kolesterola sy ny haben’ny andilany, ary nihena ny taviny.