Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Ilay Kintana Nitarika An’ireo “Olon-kendry” ho any Amin’i Jesosy?

Inona Ilay Kintana Nitarika An’ireo “Olon-kendry” ho any Amin’i Jesosy?

Inona Ilay Kintana Nitarika An’ireo “Olon-kendry” ho any Amin’i Jesosy?

Asehon’ireo tantara malaza amin’ny Krismasy fa famantarana tsara avy any an-danitra ilay kintana. Marina ve izany?

◼ Hafahafa ilay kintana ka tsikaritr’ireo “olon-kendry” avy any Atsinanana. Nitarika azy ireo ho any amin’i Jesosy izy io, araka ny nolazain’i Matio mpanoratra Baiboly. (Matio 2:1-12, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Asehon’ireo tantara malaza amin’ny Krismasy fa famantarana tsara avy any an-danitra izy io. Milaza ny boky iray fa anisan’ny “fandaharana mialoha nataon’Andriamanitra” ilay kintana, mba “hanomezam-boninahitra an’i Jesosy zazakely sy hampahafantaran’ny Rainy fa izy no Zanany malala.” Hindrahindraina amin’ny hira krismasy mihitsy aza ilay kintana. Fa inona io kintana io?

Misy milaza fa zavatra mpitranga eny amin’ny lanitra izy io. Manam-pahaizana maro no milaza fa planeta maromaro niara-niseho ilay izy. Hoy anefa Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly (anglisy): “Tsy azo lazaina ho ‘kintana’ ny zavatra toy izany.” Toy ny teboka mazava maromaro ireo planeta miara-miseho rehefa tazanina, fa tsy toy ny kintana iray. Misy koa milaza fa kintana manan-drambo ilay izy na kintana mipoaka. Tsy afaka ny hihetsika eny amin’ny lanitra anefa ny zavatra toy ireny, ka hoe hitarika an’ireo lehilahy ho any amin’ny tanàna iray, ary hijanona eo ambonin’ny trano iray.

Fisehoan-javatra voajanahary ve ilay kintana, sa avy amin’Andriamanitra? Diniho izao: Tsy mpanjaka ireo “olon-kendry” ireo, sady tsy toy ireo olona antsointsika ankehitriny hoe manam-pahaizana. “Mpanandro” kosa izy ireo, araka ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro. Nanao zavatra noraran’ny Soratra Masina izy ireo. (Deoteronomia 18:10-12) Mariho fa ireo mpanandro ireo ihany no voalaza fa “nahita” an’ilay kintana. Tokony ho hitan’ny rehetra, toy ireny fanilo ireny, anefa ilay izy raha tena kintana. Na i Heroda Mpanjaka aza tsy maintsy nanontany an’ireo mpanandro ny momba an’ilay izy. Notarihin’izy io nankany amin’i Heroda, tany Jerosalema, aloha ireo mpanandro. Fahavalon’ilay ho Mesia i Heroda, ka nitady hamono an’i Jesosy zazakely. Rehefa avy tany amin’i Heroda ireo mpanandro dia nianatsimo nankany Betlehema ilay kintana, ary nitarika azy ireo ho any amin’i Jesosy. Notandindomin-doza àry ny ain’i Jesosy.

Hita avy amin’izany fa avy amin’ny fanahy ratsy ilay kintana, ary tsy isalasalana fa i Satana Devoly io fanahy io. Milaza ny Baiboly fa mampiasa “famantarana sy fambara mandainga” izy. (2 Tesalonianina 2:9) Tsy tokony ho gaga àry ny tena Kristianina, raha ireo mpanandro ihany no nataon’i Satana nahita zavatra toy ny kintana. Tsy tokony hahagaga koa ny hoe vitan’i Satana ny nampiasa an’ilay “kintana” mba hitarihana an’ireo mpanandro ho any amin’ilay Zanak’Andriamanitra, izay tiany hovonoina. Tsy misy maharesy an’i Jehovah Andriamanitra anefa. Nandamòka àry ny tetiky ny Devoly hamonoana an’i Jesosy tamin’izy mbola kely.

Tsara homarihina kosa fa nampahafantarin’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga ny nahaterahan’i Jesosy. Nisy anjely niseho tamin’ny mpiandry ondry maromaro, tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy, ary nilaza fa teraka ny “Mpamonjy.” Nanome toromarika koa ilay anjely mba hahafahan’ireo mpiandry ondry hamangy an’i Jesosy. Nisy anjely maro be niseho avy eo, ary nidera an’Andriamanitra. (Lioka 2:8-14) Ireo anjely ireo no nampiasain’Andriamanitra mba hanambara ny nahaterahan’i Jesosy, fa tsy ilay kintana.