Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahavariana ny Natiora!

Mahavariana ny Natiora!

Mahavariana ny Natiora!

NANAZAVA zavatra betsaka momba an’izao rehetra izao ny mpahay siansa. Azon’ny olona kokoa àry ny momba azy io, manomboka amin’ireo zava-bitika indrindra ka hatramin’ny habakabaka midadasika. Mbola be lavitra anefa ny zavatra tsy hain’ny olona.

Toy ny teboka kely eo amin’izao rehetra izao ny tany misy antsika, kanefa tena mahavariana ny hamaroan’ny zavatra eo aminy sy ny hakanton’ny natiora! Ao, ohatra, ny voninkazo tsara tarehy, ny toerana mahafinaritra, ny vorona mareva-doko, ny elatry ny lolo, ny masoandro mody, ary ny tsikin’olon-tiana.

Olona maro no nahita porofo ampy tsara, ka miaiky fa nisy nanao izao rehetra izao ary tena manan-tsaina ilay nanao azy io. Milaza izy ireo fa toa natao maty paika ireo lalàn’ny natiora, mba hisian’ny fiainana. Tsy ho nisy mantsy ny fiainana raha niova kely fotsiny ireny lalàna ireny. Mahavariana anefa fa misy isan-karazany ny zavamananaina manodidina antsika.

Hoy i Paul Davies, mpandinika ny any ambony tsy taka-maso: “Toy ny manaraka drafitra iray mirindra tsara izao rehetra izao rehefa mihetsika ... Tsy sendra nitambatambatra fotsiny ireo zavatra eo amin’ny natiora, fa manaraka lalàna matematika mifampiankina tsara.” Misy mpahay siansa mitovy hevitra amin’i Davies, nefa misy koa tsy toy izany.

Nilaza toy izao, ohatra, i Steven Weinberg, mpahay fizika nahazo Loka Nobel: ‘Arakaraka ny ahafantarana an’izao rehetra izao, no ahitana fa toa tsy misy dikany izy io.’ Nilaza koa anefa izy fa “toa tsara tarehy loatra ny natiora nefa tsy tena ilaina izany indraindray. ... Tsy maintsy tonga ao an-tsaina ihany ny hoe natao mba hahafinaritra antsika ireny zavatra tsara tarehy rehetra ireny.”

Inona àry no marina? Raha maty paika ny lamina eo amin’izao rehetra izao, tsy midika ve izany fa nisy Mpandamina izy io, dia Mpamorona iray manan-java-kendrena? Misy antony ve matoa misy isika sy izao rehetra izao? Sa vokatry ny kisendrasendra fotsiny isika? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.