Nahoana Aho no Tsy Tia Niady Intsony?
Nahoana Aho no Tsy Tia Niady Intsony?
Notantarain’i Thomas Stubenvoll
TERAKA tany New York tamin’ny 8 Novambra 1944 aho, ary nihalehibe tany South Bronx. Nizarazara arakaraka ny fiaviana ny faritra nipetrahan’ny olona tao, tamin’izany. Tsy nipetraka an-trano mihitsy aho tamin’izaho mbola kely, ary tsy ela dia fantatro fa samy nanana ny faritaniny ny andian-jiolahy avy amin’ny fiaviana samihafa, ka tsy nandehandeha tany aho. Nanao heloka bevava sy nahery setra izy ireny, ka natahoran’ny olona.
Efa anisan’ny andian-jiolahy iray aho, tamin’izaho 12 taona. Karandoha no nataonay anaranay. Niditra an-keriny tao amin’ireo vagao mpitondra entana izahay, ary nangalatra diberam-boanjo sy sakafo hafa. Mbola sahisahy ratsy noho izany aza ireo andian-jiolahy zokiny kokoa. Imbetsaka ry zareo no niady ary nandriaka ny ra. Notsatohana antsy teo imasoko ny namako iray, indray mandeha, ary maty.
Tena tia ady
Tsy tena tiako ny niaraka tamin’ny jiolahy, ka te hiala tao amin’ilay tanàna aho. Nandray anjara tamin’ny Adin’i Korea i Eddie dadatoako, satria anisan’ny miaramilan’ny Tafika An-dranomasina amerikanina. Tiako be ny fomba nitantarany ny fiainan-dry zareo. Mpitarika manaraka fitsipika hentitra, hono, ny miaramilan’ny tafika an-dranomasina sady mpiady mafy toto voaofana mba hanao zavatra avy hatrany. Semper fidelis no teny filamatr’izy ireo. Teny latinina izy io, ary midika hoe “tsy mivadika mihitsy.” Hita amin’izany fa tsy mahazo mivadika na miamboho adidy izy ireo. Tsy ela dia naniry mafy ny ho tonga miaramila an-dranomasina mahay aho.
Niditra tao amin’ny tafika an-dranomasina aho ny 8 Novambra 1961, tamin’izaho feno 17 taona.
Niofana tany amin’ny toby fampiofanana zazavao aho, ary tsy ampy efa-bolana akory dia lasa miaramila. Teo no nanomboka ireo 11 taona niasako tao amin’ny tafika.Nilamina ny tany tamin’izaho niditra tao amin’ny tafika, nefa niofana foana izahay. Nalefa tany Oahu, Hawaii, aloha aho nandritra ny roa taona, ary nanaraka fampiofanana henjana momba ny paikadin’ny miaramila mpandeha an-tongotra sy ny an’ny mpiady anaty akata. Lasa mpitifitra nikoizana aho, ary vitako ny nikendry ny teboka kely teo afovoan’ny tarigetra napetraka tany amin’ny 457 metatra. Nampiofanina aho mba hahay hiady, hampiasa baomba, hamaky sarintany, handrava zavatra, ary hampiasa fitaovam-pifandraisana. Nankafiziko izany rehetra izany.
Nasaina niambina fitaovam-piadiana tao amin’ny Tobin’ny Tafika Ana Habakabaka sy An-dranomasina tany Atsugi, Japon, aho avy eo, nandritra ny enim-bolana. Tsy ela dia nihamafy ny adin’i Etazonia sy Vietnam Avaratra, ka notendrena ho anisan’ny miaramila tao amin’ilay sambo mpitondra fiaramanidina antsoina hoe USS Ranger aho. Niala teo amin’ny Hoalan’i Tonkin ny sambonay ary nanampy an’ireo fiaramanidina nanjera baomba tany Vietnam Avaratra. Tamin’izay aho vao tena niady. Teny ambony sambo fotsiny anefa aho ka tsy afa-po tsara.
Izay vao tena niady
Mbola teny an-tsambo izahay tamin’ny lohataonan’ny 1966. Navela hody anefa aho, satria feno efa-taona ny niasako tao amin’ny tafika. Miaramila maro no ho faly erỳ handeha hody, satria tsy te hahita ny ra mandriaka hadiva hiseho. Efa nanokan-tena ho an’ny tafika anefa aho sady efa mpiady kalazalahy, ka tsy nieritreritra ny hiala. Nijanona tao amin’ny tafika àry aho.
Tiako ny miady. Izany no efa nampiofanana ahy. Nanolo-tena hiaraka tamin’ny miaramila mpandeha an-tongotra àry aho. Tsy nampaninona ahy izay nandefasana ahy, raha mbola miaramilan’ny tafika an-dranomasina koa aho. Efa voatokana hanao an’izany mantsy aho, ary lasa toy ny andriamanitro ny ady.
Nalefa tany Vietnam aho, tamin’ny Oktobra 1967. May erỳ aho nefa nangitakitaka be koa. Tonga dia nalefa tany amin’ny faritanin’i Quang Tri aho, satria tany no nisy ady. Afaka ora vitsivitsy aho dia efa niady, ary nandriaka ny ra. Feno lehilahy maty sy naratra nanodidina ahy. Hitako ny vovoka nitora-jofo noho ny tifitr’ireo fahavalo. Kirihitra vitsivitsy no mba azo nialofana. Nanomboka nitifitra koa aho. Nahatsiravina ilay izy. Nieritreritra aho hoe ho faty. Tapitra ihany ilay tifitifitra nony farany. Tafavoaka velona aho, fa tsy toy izany kosa ireo namako nentiko nody.
Nafotaka ny Adin’i Vietnam, nandritra ny 20 volana nanaraka. Niady foana aho, na andro na alina, ka rehefa tsy nitifitra dia niaro tena, ary rehefa tsy nijoko dia nisy nijoko. Nitifitra avy tao anaty lavaka aho, tamin’ny ankamaroan’ny fotoana. Feno fotaka izy ireny rehefa avy ny orana. Nangatsiaka aho indraindray ary tsy nahazo aina mihitsy. Tany anatin’ireny lavaka ireny koa aho no nisakafo sy natory.
Imbetsaka aho no nasaina nikaroka sy namotika zavatra, ka nivezivezy tany anaty ala. Ny fahavalo, amin’izany, natahorana foana hoe hanafika. Nirefodrefotra nandritra ny ora maro ny fitaovam-piadiana, ka naratra aho indraindray. Maty na naratra ny telo ampahefatry ny miaramilako tamin’ny ady iray tany Khe Sanh, ka 13 sisa izahay no tavela.
Tany amin’ny toby iray aho, tamin’ny 30 Janoary 1968. Tamin’izay aho vao mba natory tao
anaty tranolay, tao anatin’ny herintaona mahery. Nisy baomba nipoaka anefa ny ampitso maraina be, ary tena nankarenin-tsofina. Voa aho, ary nisy poti-javatra maro nilentika tany amin’ny soroko sy ny lamosiko. Nanafika anay ny fahavalo tamin’io maraina io.Naratra mafy aho ka nomena meday antsoina hoe Fo Volomparasy. Tsy nahasakana ahy tsy hiady anefa izany. Nesorin’ny mpitsabo haingana ireo poti-javatra tamin’ny vatako, ary tsy ela aho dia teny an-dalana ho any Huê, izay nisy ady tena nafotaka. Toy ny fitaovana famonoana olona aho tany. Tsy nampaninona ahy mihitsy ny nitifitra fahavalo. Nitety trano nanao haza lambo sy namono ny fahavalo aho nandritra ny 32 andro, raha vao nihiratra ny masoko.
Nihevitra aho tamin’izany fa tena ara-drariny ny nataoko. Nieritreritra aho hoe: ‘Namono lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy manan-tsiny tao Huê ange ireo fahavalo ireo e! Nisy faty an’arivony niampatrampatra eran’ny lalana sy lalan-kely. Nisy baomba miafina hatraiza hatraiza, na tany ambany faty aza. Nisy olona niafina natahorana hitifitra anay foana.’ Tsy nampitakemotra ahy anefa izany. Tokony hovonoina ny fahavalo, araka ny hevitro.
Tia ady loatra
Tapitra ny 13 volana nanaovako raharaha miaramila, taoriana kelin’ilay ady tany Huê. Nihanafana anefa ny ady, ary vao mainka aho te hiady. Mbola nanolo-tena hijanona tany Vietnam àry aho. Efa serizà aho tamin’izay ary nasaina namita iraka manokana. Nitarika miaramila maromaro hankany amin’ireo tanàna kely any ambanivohitra aho. Nifampiraharaha tamin’ny sivily izahay, ary nampiofana azy ireo hiaro ny tanànany. Mailo foana izahay, satria matetika ny fahavalo no mifangaro amin’ny mponina. Mitsaitsaika izahay amin’ny alina mba hanao haza lambo sy hamono ny fahavalo. Mampitaintaina be ilay izy, nefa vao mainka nahatonga ahy ho tia ady.
Toa vetivety foana dia tapitra ilay fe-potoana faharoa nijanonako tany Vietnam. Nangataka ny hijanona indray aho, nefa tsy navelan’ny lehibeko intsony. Voamarik’izy ireo angamba fa tia ady loatra aho. Tsy vita hatreo anefa ny asako tao amin’ny tafika. Naverina teto Etazonia aho mba hampianatra sy hampiofana zazavao. Nifantoka tamin’izany aho nandritra ny telo taona sy tapany. Maro ny zavatra nampianariko azy ireo, ary niezaka mafy aho mba hitovy amiko izy rehetra, izany hoe ho toy ny fitaovam-pamonoana tsy misy indrafo.
Nahita tanjona tsara kokoa
Lasa namako ny mpampiofana iray, izay vao avy nilaozan’ny vadiny ary manan-janaka kely roa. Nifindra tao aminy i Christine Antisdel, anabaviny, mba hanampy azy hikarakara an’ireo zanany. Vavolombelon’i Jehovah vao haingana io vehivavy io. Tamin’izay no nandrenesako voalohany momba ny Vavolombelona.
Katolika izahay ary nianatra tamin’ny sekoly katolika nandritra ny valo taona aho. Nanampy ny mompera mihitsy aza aho, rehefa nisy lamesa. Zara raha nahalala ny Baiboly anefa aho. I Christine kosa nanoro ahy fahamarinana ara-baiboly mbola tsy reko mihitsy. Nianarako izay tena ampianarin’ny Baiboly sy tsy ampianariny.
Mpitoriteny 9:5, 10) Tsy Andriamanitra tokana olona telo koa izy. (Jaona 14:28) Ampianarin’ny Baiboly kosa fa hesorin’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fanaintainana ary ny fahafatesana, ka hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa ny olona mankatò. (Salamo 37:9-11; Apokalypsy 21:3, 4) Lasa fantatro koa ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. (1 Korintianina 6:9, 10) Nianarako fa manana anarana Andriamanitra, dia Jehovah. (Salamo 83:18) Nahaliana ahy daholo izany!
Nianarako, ohatra, fa tsy mampianatra ny Baiboly hoe sazin’Andriamanitra any amin’ny afobe mirehitra ny olona rehefa maty. (Nafindra toby aho tamin’ny Novambra 1972, ary nasaina nampianatra fomba fiady an’ireo manamboninahitra lefitra. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary nanatrika ny fivorian’izy ireo. Nampiaiky volana ahy ny fifankatiavan’izy ireo.
Nanenjika ahy ny eritreritro, arakaraka ny nianarako Baiboly, satria nifanohitra tanteraka tamin’ny fahamarinana hitako tao ny fomba fiainako. Herisetra sy ady ho an’ny tanindrazana no nanokanako ny fiainako, nefa halan’Andriamanitra izany.
Tsapako fa tsy afaka ny ho miaramila aho sady hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra. Tsy tia niady intsony aho nanomboka teo, ka nametra-pialana. Nikarakara ny taratasy momba izany aho nandritra ny volana maromaro, sady nadinadinina. Nankany amin’ny mpitsabo aretin-tsaina koa aho. Navela hiala ihany aho. Izaho mihitsy tamin’izay no nanda tsy hanao miaramila, noho ny feon’ny fieritreretako. Vita hatreo ny 11 taona nanaovako miaramila tao amin’ny Tafika An-dranomasina.
Afaka niteny tamin’i Jehovah aho tamin’izay hoe: “Intỳ aho iraho!”, araka ny Isaia 6:8. Tena tiako hampiasaina hanompoana an’ilay tena Andriamanitra amin’izay ny heriko sy ny zotom-poko, fa tsy hanompoana ao amin’ny tafika intsony. Natao batisa aho ny 27 Jolay 1973, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanambady an’i Christine Antisdel, ilay Vavolombelona voalohany hitako, aho dimy volana taorian’izay.
Natokanay sy Christine hanampiana ny olona hahalala ny Baiboly sy hanatona an’Andriamanitra ireo 36 taona niarahanay. Misionera tany amin’ny Repoblika Dominikanina izahay, nandritra ny valo taona. Mpiandraikitra mpitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho nandritra ny 18 taona. Efa nitsidika fiangonana miteny espaniola an-jatony manerana an’i Etazonia izahay mivady.
Tsy nisy vokany teo amin’ny foko sy ny saiko ny zavatra niainako tany an’ady, hatramin’izao. Tsy matahotahotra aho, tsy manonofy ratsy, ary tsy mahatsiaro tampoka ny tany an’ady. Mihatsara anefa izao ny fifandraisako amin’i Jehovah Andriamanitra, ka manenina mafy aho noho izaho namono olona.
Nila nanao fiovana lehibe aho, nefa tsy nanenenako izany. Tsapako izao fa namela ny heloko Andriamanitra. Tsy mamono olona intsony aho, fa mampanantena azy ireo fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa kosa. Nafana fo aho tao amin’ny tafika, saingy noho ny tsy fahalalana no nanaovako izany. Vavolombelon’i Jehovah anefa aho izao ary mahalala izay ampianarin’ny Baiboly. Azoko antoka tanteraka àry fa tena misy Andriamanitra iray be fitiavana, ary tsy maintsy hanome zavatra tsara ho an’ireo tia sy mankatò azy izy. Ny fahalalana an’izany no manosika ahy hanao zavatra.
[Teny notsongaina, pejy 25]
Niady foana aho, na andro na alina, ka rehefa tsy nitifitra dia niaro tena, ary rehefa tsy nijoko dia nisy nijoko
[Teny notsongaina, pejy 27]
Mihatsara izao ny fifandraisako amin’i Jehovah Andriamanitra, ka manenina mafy aho noho izaho namono olona
[Sary, pejy 24]
Nampiofana zazavao (ambony), ary tamin’izaho miaramila mpandeha an-tongotra tany Vietnam (ambany)
[Sary, pejy 25]
Naratra mafy aho ka nomena meday antsoina hoe Fo Volomparasy. Tsy nahasakana ahy tsy hiady anefa izany
[Sary, pejy 26]
Natokanay sy Christine hanampiana ny olona hahalala ny Baiboly ireo 36 taona niarahanay