Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Ilaina ny Maneho Fitiavana?

Nahoana no Ilaina ny Maneho Fitiavana?

Nahoana no Ilaina ny Maneho Fitiavana?

TERAKA kambana ny vehivavy iray, ary ireo no zanany voalohany. Nanontany dokotera mpitsabo sain’ankizy àry izy hoe ahoana no fomba tsara indrindra hitaizany azy ireo. “Fihino matetika izy ireo!”, hoy ilay dokotera. Hoy koa izy: “Tokony hasehonao amin’ny fomba samihafa ny fitiavanao azy. Fihino izy, orohy, asehoy fa falifaly sy tsara fanahy ary mamela heloka ianao, sady tena miraiki-po aminy sy mahatakatra izay mahazo azy. Ahitsio koa izy raha ilaina izany. Aza mieritreritra mihitsy hoe efa fantatry ny zanatsika fa tiantsika izy.”

Toa mitovy hevitra amin’izany i Tiffany Field, talen’ny fikambanana iray mpanao fikarohana, ao amin’ny Oniversiten’i Miami, any Etazonia. Hoy izy: “Mila [fihinina na safosafoina, ohatra,] ny ankizy mba hitombo tsara sy ho salama, toy ny ilany sakafo mahavelona sy fanatanjahan-tena ihany.”

Mila anehoana fitiavana toy izany koa ve ny olon-dehibe? Eny. Nanao fikarohana i Claude Steiner, psikology sady mpitsabo, ka nahita fa tena manatsara ny toe-pontsika ny teny sy fihetsika mampahery, na firy taona isika na firy taona. Izao koa no nolazain’i Laura, mpitsabo mpanampy mikarakara be antitra: “Hitako fa tena misy vokany ny fanehoana fitiavana ny zokiolona. Lasa matoky anao ry zareo sady vonona hanaraka ny teninao, raha tsara fanahy aminy sy mikasika azy ianao. Manaja sy manisy vidiny azy koa ianao raha manao toy izany.”

Ankoatra izany, dia mandray soa kokoa ilay maneho fitiavana noho ilay anehoana fitiavana, araka ilay tenin’i Jesosy Kristy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tena mahasoa izany, indrindra raha olona manahy na kivy na mikorontan-tsaina no anehoana fitiavana. Resahin’ny Baiboly ny fomba nanampiana olona kivy toy izany.

Eritrereto ilay “lehilahy rakotry ny habokana” ary nailikiliky ny fiaraha-monina. I Jesosy Kristy mihitsy no naneho fitiavana sy nikasika azy. Tsy maintsy ho tena nampahery azy izany!—Lioka 5:12, 13; Matio 8:1-3.

Eritrereto koa i Daniela, mpaminany zokiolona. Tsy maintsy ho nihanatanjaka izy rehefa nisy anjelin’Andriamanitra nilaza teny mampahery taminy sy nikasika azy intelo. Izany mihitsy no nilainy, satria tena reraka sy kivy izy tamin’izay.—Daniela 10:9-11, 15, 16, 18, 19.

Nanao dia 50 kilaometatra teo ho eo, avy tany Efesosy ho any Mileto, koa ny naman’ny apostoly Paoly, indray mandeha, mba hihaona aminy. Nilazan’i Paoly izy ireo fa mety tsy hahita azy intsony. Tsy maintsy ho nampahery an’i Paoly tokoa ireo namany tsy nivadika ireo, rehefa ‘namihina ny vozony’ sy “nanoroka azy tamim-pitiavana.”—Asan’ny Apostoly 20:36, 37.

Na ny Baiboly àry na ny manam-pahaizana, dia samy mandrisika antsika hifaneho fitiavana. Hanatsara ny fahasalamana sy ny toe-pontsika izany. Tsy ny ankizy ihany àry no mila anehoana tena fitiavana.