Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona sa Nisy ho Azy?

Nisy Namorona sa Nisy ho Azy?

Nisy Namorona sa Nisy ho Azy?

Nanazava ny antony ninoany ny Mpamorona ny mpitondra fivavahana anglisy iray atao hoe William Paley, tamin’ny 1802. Nolazainy fa raha mahita vato eo amin’ny tany ngazana izy, dia hanatsoaka hevitra hoe zava-nitranga teo amin’ny natiora no nahatonga ilay vato teo. Tsy hanatsoaka hevitra toy izany kosa izy raha mahita famantaranandro eo. Fa nahoana? Satria be pitsiny izy io ka tsy maintsy ho nisy nanao, sady nisy antony matoa natao.

NISY vokany teo amin’i Charles Darwin ny hevitr’i Paley. Tsy nitovy tamin’ny an’i Paley anefa ny fanatsoahan-kevitr’io lehilahy anglisy mpandinika ny zavaboary io. Nilaza mantsy izy fa nivoatra tsikelikely ireo zavamananaina matoa be pitsiny toy izao. Nanaiky ny fampianarany momba ny evolisiona ny olona maro, ka mihevitra fa tsy nisy namorona izao rehetra izao.

Maro be ny boky nosoratana tatỳ aoriana, ka tao ireo nanohana ny hevitr’i Paley, ary tao ireo nanohana ny an’i Darwin. Nohatsaraina sy novelabelarina ary nohavaozina matetika ireny fanazavana ireny. Mihevitra àry ny olona sasany hoe misy antony matoa misy izao rehetra izao, fa ny hafa indray tsy manaiky an’izany. Ary ianao? Inona no inoanao? Miankina amin’izany no mety hahatsapanao hoe misy dikany ny fiainanao na tsia. Fa nahoana?

Inona no vokatry ny fampianaran’i Darwin?

Olona tso-po maro no mino ny fampianaran’i Darwin, ka mihevitra fa tsy tena misy dikany ny fiainany. Raha vokatry ny kisendrasendra tokoa izao rehetra izao, dia tsy hisy dikany ny fiainana. Hoy i Jacques Monod, izay mpikaroka momba ny zavamananaina sady nahazo Loka Nobel: “Ela ny ela ka fantatry ny olombelona fa irery izy eo amin’izao rehetra izao midadasika, ary kisendrasendra no nampisy azy. Tsy voalaza na aiza na aiza izay hiafarany na izay adidiny.”

Mitovy hevitra amin’izany i Peter Atkins, mpampianatra simia any Oxford. Hoy izy: “Tena mahatalanjona sy mahavariana ary tsara tarehy izao rehetra izao. Tena kanto izy io saingy tsy misy ilana azy mihitsy.”

Tsy manaiky izany hevitra izany anefa ny mpahay siansa hafa, noho ny antony marim-pototra.

Hery mifandanja tsara

Mpandinika maro no tsy manaiky mihitsy hoe tongatonga ho azy izao rehetra izao, rehefa mandinika an’ireo lalàn’ny natiora. Mahatalanjona azy ireo, ohatra, ireo hery lehibe mifehy an’izao rehetra izao. Maty paika tsara ny lalàna mifehy an’ireo hery ireo, matoa misy izao rehetra izao sy ny fiainana. Hoy i Paul Davies: “Mety hisy voka-dratsiny lehibe raha miova ireo lalàna mifehy ny natiora, na dia faran’izay kely aza ilay fiovana.” Raha nihoatra kely fotsiny noho ny an’ny netrôna, ohatra, ny lanjan’ny prôtôna, dia ho lasa netrôna daholo ny prôtôna rehetra. Inona no ho vokany? ‘Tsy ho nisy ny ataoma, raha tsy nisy ny prôtôna’, hoy i Davies. Zava-bitika indrindra fototry ny zava-drehetra eo amin’izao rehetra izao anefa ny ataoma.

Misy hery misintona ny elektrôna ho amin’ny prôtôna, ka mampisy ny molekiola (ataoma iray na maromaro mitambatra). Antsoina hoe herin’andriamby avy amin’ny herinaratra io hery io. Raha kely kokoa izy io, dia tsy hisy elektrôna hihodinkodina manodidina ny ivon’ny ataoma, ka tsy hisy ataoma hitambatra ho molekiola. Raha lehibe kokoa anefa io hery io, dia hipetaka amin’ny ivon’ny ataoma ireo elektrôna, ka tsy hisy ireo fiovana simika mampisy ny fiainana.

Hisy fiantraikany amin’ny masoandro sy ny angovo alefany etỳ an-tany koa ny fiovan’io herin’andriamby io. Hanjary tsy hisy asany firy na tsy hisy asany mihitsy amin’ny zavamaniry ny hazavana. Miankina amin’io hery io àry ny fisian’ny fiainana eto an-tany. *

Mahaliana ny ohatra nomen’ilay boky hoe Hevitra Efatra Momba ny Siansa sy ny Fivavahana Kristianina (anglisy), mba hanazavana fa mifandanja tsara ireo hery sy singan-javatra eo amin’izao rehetra izao. Izao ilay ohatra: Aoka hatao hoe asaina miditra ao amin’ny efitra iray misy fitaovana maro ahafahana mifehy izao rehetra izao ianao. Misy bokotra maro ireo fitaovana ireo. Bokotra samy hafa no mandrindra ny herin’ny sinton’ny tany, ny herin’ny andriamby avy amin’ny herinaratra, ary ny fifandanjan’ny netrôna sy prôtôna ao anatin’ny ataoma, sy ny toy izany. Azo ahodina araka izay tiana ireo bokotra. Hitanao anefa fa hanova tanteraka ny firafitr’izao rehetra izao ny fanodinana kely fotsiny na dia bokotra iray aza, ka ho foana tsy hisy intsony ny fiainana. Tsy maintsy mifandanja tsara àry ireo hery sy singan-javatra ireo, mba hisy foana izao rehetra izao sy ny fiainana. Efa mifandanja tsara anefa izy ireo, matoa misy izao rehetra izao sy ny fiainana. Inona no azonao tsoahana avy amin’izany?

Hoy i George Greenstein, astronoma: “Rehefa dinihina ny porofo rehetra, dia tsy afaka ao an-tsaina mihitsy ny hoe nisy nandrindra izao rehetra izao, ary ambony noho ny olombelona izy. Sao dia izany àry no porofo ara-tsiansa fa misy ilay Fara Tampony?”

Ahoana ny hevitrao? Nisy ho azy sa nisy namorona ireo hery mifandanja tsara eo amin’izao rehetra izao?

‘Efa eto isika, dia izay’

Manana ny heviny koa ireo tsy mino an’Andriamanitra. Tsy mampiaiky azy ny firindrana eo amin’ny natiora, fa hoy kosa izy ireo: ‘Mazava ho azy fa afaka manome izay ilain’ny olona mba hivelomany izao rehetra izao hita maso. Tsy ho nisy isika raha tsy izany. Tsy misy tokony hohazavaina ny momba izany, fa efa eto isika, dia izay.’ Mahafa-po anao anefa ve izany fanazavana izany?

Ny sasany koa milaza fa ho voaporofo indray andro any hoe izao ihany no fomba azo andrindrana ireo hery mifehy ny natiora, fa tsy misy fomba hafa. ‘Efa izay ilay izy satria tsy maintsy efa hoatr’izay!’, hoy izy ireo. Tsy mahafa-po anefa izany fanazavana izany, na dia atao hoe marina aza, satria tsy manazava ny anton’ny fisiantsika. Kisendrasendra tokoa ve no nampisy izao rehetra izao sy ny fiainana?

Misy indray milaza fa ankoatra izao rehetra izao misy antsika, dia mbola misy hafa tsy hita isa koa any ho any. Samy manana ny mampiavaka azy, hono, izy ireny, ary samy tongatonga ho azy. Koa satria, hono, maro be izy ireny, dia tsy maintsy mba misy iray aminy ihany ahitana fiainana. Tsy voaporofo ara-tsiansa anefa io hevitra io, fa tombantombana fotsiny.

Tsy nanaiky io hevitra io koa i Christian de Duve, izay mpikaroka momba ny zavatra simika ao amin’ny zavamananaina, sady nahazo Loka Nobel. Hoy izy: “Tena mahatalanjona ny fiainana sy ny sain’olombelona ka misy antony matoa misy ... Tsy manan-tsahala izao rehetra izao misy antsika, na dia milaza aza ny olona sasany fa mbola misy hafa an-tapitrisa an-tapitrisany any ho any. Izao rehetra izao misy antsika, amiko no porofo fa tena nisy nanao izao rehetra izao.”

Ny sain’olombelona

Mahavariana fa afaka manao vinavina momba an’izao rehetra izao isika. Ho vokatry ny kisendrasendra fotsiny anefa izany fahaizana izany, raha nisy ho azy izao rehetra izao. Hitanao ho mitombina ve izany?

Voalaza fa ny atidohan’olombelona no “zava-mahatalanjona sy saro-pantarina indrindra eran’izao rehetra izao.” Tsy hay hazavaina amin’ny alalan’ny fizika sy simia mihitsy hoe ahoana no ahaizan’ny olombelona mieritreritra, ary ahoana no itiavany mikaroka ny dikan’ny fiainana.

Inona àry no hitanao fa azo ekena kokoa: Nisy namorona ny sain’olombelona tia karokaroka, sa nisy ho azy?

Misy fanazavana hafa ve?

Betsaka ny zavatra efa nohazavain’ny mpahay siansa momba izao rehetra izao sy ny zavamananaina. Misy anefa mihevitra fa arakaraka ny ahafantarana izany no “toa vao mainka mahatonga antsika hieritreritra hoe tsy tokony ho nisy isika.” Marina izany raha kisendrasendra fotsiny no nampisy antsika. Hoy anefa i John Horgan, mpanoratra momba ny siansa: “Toa voarafitra tsara ny zava-drehetra, ka tsy azo inoana hoe tongatonga ho azy teo fotsiny.” Hoy koa i Freeman Dyson, mpahay fizika: “Arakaraka ny andinihako an’izao rehetra izao sy ny tsipiriany momba ny firafiny, no ahitako fa efa nomanina handraisana ny olombelona izy io.”

Rehefa jerena ireny porofo rehetra ireny, dia tsy ara-drariny ve ny hieritreretana fa misy ny Mpamorona? Izy mantsy no tokony ho afaka hamaly ny fanontaniana hoe: Ahoana no nampisy ny fiainana, ary inona no dikan’izy io? Tsy hain’ny siansa kosa ny valin’izany.

Ao amin’ny Baiboly no ahitana ny valin’izany, satria nilaza ireo mpanoratra azy io fa avy tamin’ny Mpamorona ny teny nosoratan’izy ireo. Ampirisihinay àry ianao hijery izany ao amin’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 2000, pejy 6.

[Teny notsongaina, pejy 8]

Vokatry ny kisendrasendra ve ny atidohan’olombelona?

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Nahoana no afaka manao fikarohana ny mpahay siansa?

Satria mirindra tsara izao rehetra izao. Efa misy lamina maty paika koa arahin’ny zava-drehetra toy ny angovo sy ny ataoma. Azo hazavaina amin’ny alalan’ny matematika sy fizika ary simia izany. Tsy ho nisy ny siansa, na ny teknolojia, na ny fiainana raha tsy nisy io lamina io.

Ahoana àry no nampisy an’ireo lalàna mifehy izao rehetra izao? Nahoana izy ireny no maty paika tsara? Maro no mino fa nisy nanao izy ireny, ary faran’izay manan-tsaina ilay nanao azy. Ary ianao? Inona no inoanao?

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Vokatry ny kisendrasendra ve?

Ao amin’ny sela tsirairay no misy ny molekiolan’ny ADN, izay miendrika tohatra tady miolikolika. Mirakitra toromarika be tsipiriany momba izay ho toetoetry ny zavamiaina ny ADN. Be pitsiny tokoa izy io, nefa azo oharina tsotsotra amin’ny DVD. Mirakitra zavatra maro ny DVD, toy ny filma, na mozika. Toy izany koa ny molekiolan’ny ADN. Izy io no mirakitra fanazavana fototra momba ny zavamiaina tsirairay, ka mahatonga ny akondro tsy hitovy amin’ny tsaramaso, na ny zebra tsy hitovy amin’ny vitsika, na ny olona tsy hitovy amin’ny trozona.

Tsy hisy hilaza mihitsy hoe kisendrasendra fotsiny no nampisy ny zavatra raketin’ny DVD. Azo inoana àry ve hoe nisy ho azy teo fotsiny ny fanazavana be pitsiny ao amin’ny ADN?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]

Vahindanitra Satroka: NASA and The Hubble Heritage Team (STScI/AURA)