Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tandremo fa Poizina ny Firaka!

Tandremo fa Poizina ny Firaka!

Tandremo fa Poizina ny Firaka!

Maro ny firenena nandidy ny mponina tao aminy mba hamerina ny entana sasany novidiny, toy ny kilalao sy firavaka. Nahoana? Nisy tamin’izy ireny nahitana firaka be dia be, nefa tian’ny ankizy ny mitsentsitra na mitsakotsako azy. Mampidi-doza ny firaka, indrindra ho an’ny ankizy latsaka ny enin-taona. Mbola eo am-pitomboana mantsy ny atidohany sy ny rafi-pitatitra ao amin’ny vatany.

MISY proteinina manampy ny atidoha hitombo sy hiasa tsara. Misakana ny fiasan’izy io anefa ny firaka, araka ny fandinihana nataon’ny sekoly iray momba ny fahasalamam-bahoaka. Efa ho ny antsasaky ny firaka voatelin’ny ankizy no tavela ao amin’ny vatany, fa kely ihany ny an’ny olon-dehibe.

Efa feran’ny fanjakana sasany ny habetsahan’ny firaka tokony ho hita ao amin’ny entam-barotra. Hita anefa vao haingana fa mety mbola hanimba ihany ny firaka na dia kely aza. Milaza ny fikambanana iray any Etazonia fa ireto avy no mety ho vokany eo amin’ny ankizy: “Votsa saina, tsy mahavita mifantoka, manao fihetsika hafahafa, tsy mitombo, marenindrenina, ary marary voa.” Ny vehivavy bevohoka no tena mila mitandrina, satria manimba ny zaza ao am-bohoka ny firaka. *

Mety hisy firaka koa ny sakafo sy zava-pisotro ao anaty fitaovana bakoly, raha firaka no nampiasaina mba hampangirana sy hampahalama an’ilay fitaovana. Any amin’ny faritra sasany any Azia sy Amerika Latinina no tena betsaka an’ireny fitaovana ireny. Itehirizana rano mangatsiaka, ohatra, izy ireny, na androsoana zava-pisotro mafana. Hita tamin’ny fandinihana tany Mexico, fa efa ho ny antsasaky ny ankizy herintaona sy tapany ka hatramin’ny dimy taona latsaka no be firaka. Voalaza fa nihinana sakafo nokarakaraina tao anaty fitaovana bakoly izy ireo. Mety hiala ny firaka amin’ilay fitaovana rehefa tratran’ny hafanana, na mifampikasoka amin’ny voankazo na legioma sasany.

Zavatra hafa misy firaka

Solika tsy misy firaka izao no ampiasaina any amin’ny tany maro. Milaza anefa ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa mbola 100 eo ho eo ny firenena mampiasa solika misy firaka. Tsy mety may na potika ny firaka ka mivoaka amin’ny setroky ny fiara ny vovony, ary mandoto ny arabe. Tafiditra any anaty orona izy ireny, na manaraka ny kiraro.

Be firaka koa ny loko sasany fandokoana trano. Any Etazonia fotsiny, dia efa ho ny antsasaky ny trano rehetra no nolokoana tamin’ny loko be firaka. Mety hiendaka ireny loko ireny, na hamovoka rehefa kikisana, ka mankarary ny olona. Efa feran’ny tany sasany anefa izao ny fatran’ny firaka ao amin’ny loko.

Tanàna sy trano tranainy maro no ahitana fantson-drano vita amin’ny firaka na fantson-drano varahina nampifanohizina tamin’ny alalan’ny firaka. Atoron’ny Hopitaly Mayo any Etazonia, fa tokony havela handeha iray minitra eo ho eo ny rano avy amin’ny fantsona toy ireny vao hakana hosotroina. Tsy tokony hosotroina na handrahoan-kanina mihitsy ny rano mafana avy amin’izy ireny, na koa hanamboarana sakafon-jaza.

Mihena be ny firaka ao amin’ny ra rehefa tsy mampiasa fitaovana misy firaka isika. Tsara raha manao fitiliana ny olona iray, raha manahy sao be firaka ny rany. Tokony hitsabo tena izy raha be loatra ilay izy.

Tokony ho mailo ny rehetra

Mankarary ny firaka rehefa miangona tsikelikely ao amin’ny vatana. Tonga dia mahafaty kosa izy io, raha be dia be no indray voatelina. Tantarain’ny Foibe Miady Amin’ny Aretina any Etazonia fa nisy ankizilahikely efa-taona maty tamin’ny 2006, satria nitelina firavaka be firaka.

Tokony ho mailo ny tsirairay. Milaza mantsy ny rakipahalalana ara-pitsaboana iray fa be firaka ny ran’ny ankizikely 1 ao anatin’ny 20 any Etazonia. Raha izany no zava-misy any amin’ny tany misy lalàna mifehy ny fampiasana firaka, mainka moa fa ny any an-tany hafa. Tena mila mitandrina àry ny rehetra!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mety hanimba ny olon-dehibe koa ny firaka. Mety tsy hiasa tsara, ohatra, ny rafi-pitatitra ao amin’ilay olona, hanaintaina ny hozany sy ny tonon-taolany, na ho very tadidy sy tsy hahavita hifantoka izy.

[Efajoro/Sary, pejy 29]

SORITR’ARETINA FAHITA AMIN’NY ANKIZY MARARIN’NY FIRAKA

Marary kibo, mahery setra, tsy ampy ra, tsy mahavita mifantoka, mitohana, reraka, marary andoha, kizitina, votsa saina, malain-komana sy kely hery, ary tsy mitombo firy.—RAKIPAHALALANA ARA-PITSABOANA MEDLINE PLUS.