Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hifandray Amin’Andriamanitra ve Ianao?

Te Hifandray Amin’Andriamanitra ve Ianao?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Te Hifandray Amin’Andriamanitra ve Ianao?

MILA mifandray amin’Andriamanitra ny olombelona. Iankinan’ny ainy izany, toy ny sakafo. Maro ny sakafo tsara sy mahasalama, ka afaka mifidy izay tiantsika isika. Afaka mifidy izay fomba tiantsika hifandraisana amin’Andriamanitra koa ve isika? Maro mantsy ny fomba lazain’ny olona fa azo ifandraisana aminy.

Betsaka no mihevitra fa mety foana izay fomba ifandraisana amin’Andriamanitra, fa tsy dia zava-dehibe izay zavatra inoana na fomba anompoana azy. Marina ve izany? Ahoana ny hevitrao? Inona no lazain’ny Baiboly?

Inona no ilaina?

Hazavain’ny Baiboly hoe nahoana isika no te hanatona an’Andriamanitra. Efa nataony hanahaka azy isika. Hoy ny Genesisy 1:27: “Namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.” Tsy midika izany hoe nataon’i Jehovah Andriamanitra mitovy bika aman’endrika aminy isika. Fanahy tsy hita maso mantsy izy. Noforoniny ho tia ny toetrany sy hanahaka izany kosa ny olona. Afaka naneho fitiavana, hatsaram-panahy, fitiavana ny rariny, ary fifehezan-tena toa an’i Jehovah àry i Adama, ilay olombelona voalohany. Nomena feon’ny fieritreretana koa izy, mba hahalalany raha mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra na tsia ny ataony. Hafa noho ny biby àry i Adama, ary afaka namita tsara ny sitrapon’ilay nahary azy.—Genesisy 1:28; Romanina 2:14.

Resahin’ny 1 Korintianina 2:12-15 fa misy zavatra ilaintsika, raha te hifandray amin’Andriamanitra isika. Voalaza ao fa mila ny fanahiny isika, izany hoe ny hery ampiasainy. Lasa afaka mandinika sy mahafantatra ny hevitr’Andriamanitra ny olona, rehefa manana an’io fanahy io, ka manjary mifandray akaiky aminy. Antsoina hoe olona araka ny fanahy ny olona toy izany. Olona araka ny nofo kosa izay tsy manana ny fanahin’Andriamanitra. Heveriny ho hadalana ny hevitr’Andriamanitra, ka miantehitra amin’ny fahendren’olombelona fotsiny izy.

Tsy hahavita hifandray amin’Andriamanitra àry isika raha tsy eo ny fanahy masina, na dia hoe afaka manahaka azy aza satria noforonina araka ny endriny. Tsy hahavita izany na ny olona mahira-tsaina sy manam-pahendrena ary manan-talenta toy inona aza. Olona tsy araka ny fanahy izay tsy manaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra. Maniry mafy hanao zava-dratsy izy ireny, ka aleony manatanteraka izany.—1 Korintianina 2:14; Joda 18, 19.

Inona no tokony hatao?

Inona àry no tokony hatao raha te hifandray amin’Andriamanitra? Mila miaiky aloha isika fa i Jehovah no Andriamanitra namorona ny zava-drehetra, ary tsy nisy isika raha tsy izy. (Apokalypsy 4:11) Mila manao ny sitrapony àry isika. (Salamo 115:1) Amin’izay ihany vao hisy dikany ny fiainantsika, ary tena ilaina izany, toy ny sakafo. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” (Jaona 4:34) Nampahery sy namelombelona ary nahafaly azy ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Mila manahaka ny toetran’Andriamanitra koa isika, raha te hifandray aminy. (Kolosianina 3:10) Tsy hanao hadalana isika amin’izay, ary ho tsara fihavanana amin’ny olona. (Efesianina 4:24-32) Hihatsara ny fiainantsika, raha mankatò ny fitsipik’i Jehovah isika. Hilamin-tsaina koa isika, satria tsy enjehin’ny eritreritra.—Romanina 2:15.

Mbola misy zavatra hafa mila ataontsika. Hoy i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Mila mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika, raha te hifandray aminy foana. Valiany ao ireo fanontaniana fametraky ny olona momba ny fiainana.—2 Timoty 3:16, 17.

Ho sambatra ianao!

Misy olona mihinana izay sakafo sendra azy rehefa tena noana. Toy izany koa fa misy olona manaraka an’izao fombafomba sy filozofia rehetra izao, satria tena te hifandray amin’Andriamanitra. Tsy mitondra otrikaina anefa ny sakafo tsy mahasalama, ary mankarary na mahafaty mihitsy aza. Toy izany koa fa ratsy foana ny vokany, rehefa tsy mety ny fomba ifandraisantsika amin’Andriamanitra.

Miezaha àry hifandray amin’i Jehovah Andriamanitra, ka manaova ny sitrapony ary manaraha ny fitsipiny. Ho tanteraka aminao amin’izay ny Matio 5:3 hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Nahoana isika no te hifandray amin’Andriamanitra?—Genesisy 1:27.

◼ Inona no zavatra ilaintsika mba hifandraisana amin’Andriamanitra?—1 Korintianina 2:12-15.

◼ Inona avy no tsy maintsy ataontsika raha te hifandray aminy?—Matio 4:4; Jaona 4:34; Kolosianina 3:10.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Ratsy foana ny vokany, rehefa tsy mety ny fomba ifandraisantsika amin’Andriamanitra