Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
◼ Nisy fikarohana natao vao haingana, ka “hita fa Anglisy enina isaky ny folo no mihevitra fa lasa mampisara-bazana ny fivavahana.”—THE CATHOLIC HERALD, GRANDE-BRETAGNE.
◼ Naorina tany Portogaly ny orinasa lehibe indrindra mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro. Mahatratra 250 hektara ny velaran’ireo fitaovana ahazoana herinaratra, raha atambatra, ary afaka mamatsy herinaratra ho an’ny tokantrano 30 000.—EL PAÍS, ESPAINA.
◼ Maneran-tany, dia tanora 900 000 isan-taona, izany hoe 2 000 mahery isan’andro, no maty noho ny lozam-pifamoivoizana na maty an-drano na may, fa tsy matin’aretina.—DIE WELT, ALEMAINA.
◼ “Na dia nihena aza ny habetsahan’ny ala simba, tato anatin’ny taona faramparany, dia mbola 200 kilaometatra toradroa isan’andro ihany ny ala simba, eran-tany.”—SAMPAN-DRAHARAHAN’NY FIRENENA MIKAMBANA MOMBA NY SAKAFO SY NY FAMBOLENA, ITALIA.
◼ Nisy jiolahin-tsambo dimy maty an-drano, tamin’ny Janoary 2009. Voalaza fa vao avy nahazo 3 000 000 dolara izy ireo, ho takalon’ny sambo saodianina mpitondra solika. Hita teny amoron-drano ny fatin’ny iray taminy ary nisy 153 000 dolara nifono plastika tao am-paosiny.—FAMPAHALALAM-BAOVAO MITAMBATRA, SOMALIA.
Ampihantaina, Hono, ny Tanora!
Araka ny gazety de Volkskrant, dia mihevitra ny tanora any Holandy fa “ampihantaina ireo mitovy taona aminy”, sady “ampirisihina loatra mba hatoky tena, ka lasa tsy miraharaha ny hafa.” Milaza ilay gazety fa “ny roa ampahatelony” amin’ny tanora 16 ka hatramin’ny 24 taona, “fara fahakeliny, ... no mihevitra fa tsy mifandanja amin’ny zon’ny tanora intsony ny zavatra takina aminy.” Maro no mihevitra fa ‘mitaky zavatra be dia be ny tanora nefa zara raha mieritreritra ny amin’izay azony atao ho an’ny fiaraha-monina.’
Ankizy Mahandro Sakafo
Nitady hevitra ny talen’ny sekoly japoney iray mba hahafahan’ny ray aman-dreny sy zanaka hiaraka bebe kokoa. Izao no nataony: Nasainy nahandro ny sakafo entiny mianatra ny mpianatra, indray mandeha isam-bolana. An-jatony izao ny sekoly manao toy izany. Hoy ny gazety japoney IHT Asahi Shimbun: “Tsy tonga dia asaina mikarakara irery ny sakafony aloha ny ankizy. Samy manana ny tanjony ny kilasy tsirairay. Raha mbola any amin’ny kilasy ambany kokoa izy, dia asaina mangataka ny fanampian’ny fianakaviany rehefa hifidy sy hividy ny sakafo handrahoina. ... Ny hanao sakafo voalanjalanja kosa no tena ifantohan’ireo any amin’ny kilasy ambony kokoa.” Inona no vokany? Hoy ilay gazety: “Nilaza ireo tompon’andraikitry ny sekoly fa nihanahay nahandro sakafo ny ankizy, nihena ny sakafo nariana, ary nisy zava-baovao azon’ny fianakaviana noresahina.” Milaza koa ny ankizy fa “lasa nahay nankasitraka ny zavatra nataon’ny ray aman-dreniny ho azy izy ireo.”
Fanadiovana ny Tendrontany Atsimo
Nisy fandaharana manokana momba ny tontolo iainana natao tamin’ny herintaona, ka nanao fanadiovana faobe tany amin’ny Tendrontany Atsimo ireo Rosianina manam-pahaizana momba ny tendrontany. Nanala fako 360 taonina izy ireo. Nahitana kojakoja amin’ny fanorenana, milina efa simba, ary barìkan-dasantsy foana, ireo fako teny akaikin’ny toerana fanaovana fikarohana. Milaza ny gazety rosianina Itogi fa “tsy maintsy manala ny fakony ny firenena tsirairay, araka ilay fifanarahana momba ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ny faritra atsimo indrindra amin’ny tany. Ny Japoney no mazoto indrindra manao ny andraikiny.”