Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilana Faharetana ny Fambolena Orkide

Ilana Faharetana ny Fambolena Orkide

Ilana Faharetana ny Fambolena Orkide

MISY olona tena tia mamboly orkide. Misy aza mandany ora maro ianarana ny anaran’ireo orkide tiany indrindra. Amin’ny teny latinina mantsy izy ireny, ka tiany ho hay tsara ny fanononana azy. Fa nahoana no misy olona liana be toy izany amin’ny orkide?

Misy karazany maro ny orkide. Misy 25 000 eo ho eo ny orkidedia, ary maherin’ny 100 000 ireo orkide grefy neken’ny fikambanana ofisialy. Ahoana no nahazoana ireo grefy na karazany vaovao ireo? Ny vovobonin’ny karazana iray no nafindra tamin’ny iray hafa.

Samy manana ny habeny ny orkide, na grefy izy na tsia. Misy amin’izy ireo tena bitika, ka tsy hita raha tsy amin’ny lopy. Ny hafa indray mivelatra tsara erỳ mandravaka varavarankely. Misy aza mahatratra 500 kilao mahery mihitsy, toy ny orkide iray maniry any anaty alan’i Indonezia!

Misy loko isan-karazany koa ny orkide sady samy manana ny bikany. Ao ireo mitovy amin’ny tantely, samoina, na vorona. Misy kosa manana endrika mbola tsy fahita mihitsy ka tena mahavariana, indrindra fa ho an’ny mpamboly azy. Ny mpanankarena ihany taloha no afaka nanana an’ireny voninkazo tsara tarehy ireny. Tsy toy izany intsony anefa izao. Andao àry hofantarintsika ny tantaran’ireo orkide tsara tarehy hitantsika ankehitriny.

Nihamaro ireo mpamboly orkide

Vao haingana ireo mpamboly no nahay tsara ny fomba fambolena orkide, na dia efa ela aza no nambabo olona ny hakanton’izy ireny. Tamin’ny 1856 no namony ny orkide grefy voalohany. Tsara tarehy ny orkide nefa tena mila fikarakarana be ny fambolena azy.

Madinika kely ny voana orkide. Misy aza mitovy amin’ny vovoka mihitsy. Tsy mora ny mikirakira an’ireny voa madinika kely ireny, mainka moa fa ny mampitsiry azy. Nanao andrana maro samy hafa ireo mpamboly nandritra ny am-polony taona, mba hahitana hoe ahoana no atao mba hampitsimoka an’ireny voa ireny. Tamin’ny 1922, dia hitan’ny Pr. Lewis Knudson, mpahay siansa tao amin’ny Oniversiten’i Cornell any Etazonia, fa maniry tsara ny voana orkide rehefa atao anaty ranon-tsiramamy sy agaragara (zavatra marihitra azo avy amin’ny ahidrano). Tsy ela dia namboly orkide grefy be dia be ireo mpamboly mafana fo, ary mbola mitohy izany ankehitriny. Porofon’izany ny fahitana grefy vaovao isan-taona.

Ela be talohan’ny nambolen’ny olona orkide anefa, dia efa nisy ny orkidedia. Afaka manome karazany vaovao koa izy ireny. Amin’ny fomba ahoana?

Orkidedia

Mety hanome karazany vaovao ny karazana orkide roa na maromaro mitovitovy, raha maniry amin’ny toerana iray ihany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ireo bibikely samihafa tonga hitsentsitra ny mamimbonin’ny orkide. Miraikitra amin’ny vatan’izy ireo ny vovobonin’ilay orkide, ka iny no mifindra amin’izay orkide hafa ipetrahany. Mety hamoa voa be dia be ao anaty fonony, ireo orkide ireo avy eo.

Vaky io fonony io rehefa matoy, ka miparitaka ireo voa an’arivony na an-tapitrisany. Latsaka amin’ny tany ny sasany, fa entin’ny rivotra kosa ny ankamaroany. Na dia mety hisy hamaka aza izy ireny, dia vitsy kely no haniry tsara. Toy izany no ahazoana karazana orkidedia vaovao. Ahoana kosa no ataon’ny mpamboly mba hahazoany karazany vaovao?

Orkide grefy

Orkide roa samy manana ny mampiavaka azy no ahazoana grefy, izay sady mety hitovitovy amin’ilay voalohany no hitovitovy amin’ilay faharoa. Tokony hoeritreretin’ny mpamboly aloha hoe inona no karazana orkide tiany ho azo, ary hanao ahoana ny lokony na ny bikabikany na ny fofony. Azony ampiasaina na orkide kely na lehibe. Mila mieritreritra an’ireo rehetra ireo àry ilay mpamboly, rehefa mifidy an’ireo orkide roa tiany hanome an’ilay karazany tadiaviny. Mety ho te hahazo karazany vaovao avy amin’ilay orkide mivolombolamena hita tany Chine tamin’ny 1979, ohatra, izy. Matetika ny karazany azo avy amin’izy io no miloko mavo antitra mivolombolamena, ka tsara tarehy erỳ!

Rehefa azon’ilay mpamboly ireo orkide roa noeritreretiny hahazoana ilay karazany vaovao, dia esoriny tanteraka ny vovobonin’ilay anankiray. Esoriny amin’ny hazokely koa, ohatra, ny vovobonin’ilay orkide faharoa, ka hosorany eo am-pototry ny vavimbonin’ilay orkide voalohany. Soratany amin’ny taratasy kely avy eo ny anaran’ireo orkide roa sy ny daty nanaovana ilay famindrana vovobony, ary ampiarahiny amin’ilay orkide voalohany ilay taratasy.

Ilana faharetana

Misy zava-mahagaga mitranga ao amin’ilay orkide voalohany, raha mahomby ilay famindrana vovobony. Misy zavatra lavalava kely toy ny kofehy mipoitra avy amin’ny vavimbony, mankany amin’ny fanjarivoa. Lasa mibontsina ilay fanjarivoa satria misy voa bitika ana hetsiny miforona ao anatiny. Samy misy lahimbony ireo voa rehetra ireo. Mety ho afaka volana maromaro na herintaona mihitsy aza vao matoy ireo voa. Rehefa tonga izay fotoana izay, dia angonin’ilay mpamboly izy ireo, ary ataony anaty tavoahangy be vava misy agaragara sy zavatra hafa mety hampitsiry an’ireo voa. Tsy ho ela, dia hisy orkide kely be dia be hitsimoka raha vanona ireo voa.

Esorin’ilay mpamboly avy ao anatin’ilay tavoahangy ireo tsimoka rehefa afaka volana vitsivitsy, ary atambany anaty tavim-boninkazo. Jerijereny foana izy ireo ary tondrahany matetika mba tsy ho maina. Afindrany tsirairay ao anaty tavy ireo orkide, atỳ aoriana. Amin’izay indrindra no tena ilana faharetana. Mety ho afaka taona vitsivitsy na folo taona mahery mihitsy mantsy, vao mamelana ireo orkide!

Faly be anefa ilay mpamboly rehefa misy mamelana ny orkide nisasarany mafy. Azony omena an’izay anarana tiany io karazany io, raha vaovao tanteraka ilay izy. Izany anarana izany avy eo no iantsoana an’izay karazany hafa rehetra ho azo avy amin’io.

Mahatafavoaka karazana orkide tena kanto ny mpamboly iray indraindray, ka mety hahaliana an’ireo mpamboly hafa izany. Mety hahazoany loka ireo voninkazo grefy tsara tarehy ireo, ary mety hovidin’olona lafo be. Tsy ny vola loatra anefa no zava-dehibe amin’ilay mpamboly, fa ny mahita an’ilay orkide grefy mamelana. Izany no tena fahafinaretany!

Ilana fotoana sy faharetana tokoa ny fambolena an’ireny orkide tsara tarehy mahavariana antsika ireny. Azo lazaina hoe tsinontsinona ihany anefa ny vitan’ny olona raha mitaha amin’ny zava-bitan’i Jehovah, ilay Mpamorona be voninahitra nanao ny zavaboary rehetra. Izy no nanao izay ahafahan’ny voninkazo tsirairay hamoa karazany hafa maro be, toy ireny voninkazo mahafinaritra ireny. Hita amin’ireny orkide tsara tarehy isan-karazany ireny fa mpanakanto tena mahay sy be fitiavana izy. Mankafy ny asany fotsiny no ataontsika. Tena marina ny tenin’i Davida mpanao salamo hoe: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany.”—Salamo 104:24.

[Sary, pejy 17]

Grefy “Beallara”

[Sary, pejy 17]

Grefy “Doritaenopsis”

[Sary, pejy 18]

Grefy “Brassidium”