Nisy Fandrosoana Be Tokoa ve Tamin’ny Andron’ny Mpanjakavavy Elizabeth I?
Nisy Fandrosoana Be Tokoa ve Tamin’ny Andron’ny Mpanjakavavy Elizabeth I?
NALAZA be izy tamin’ny androny. Misy mpanoratra, poety, mpanoratra tantara an-tsehatra, ary mpanao filma ankehitriny mbola mitantara ny lazany. Nihabetsaka koa ny boky sy fampisehoana momba azy tato ho ato. Anisan’ny Anglisy folo malaza indrindra izy, araka ny fitsapan-kevitra natao eran-tany. Iza àry izany? I Elizabeth I, mpanjakavavin’i Angletera.
Nantsoina koa hoe Mpanjakavavy Virjiny sy hoe Bess Mpanjakavavy Tsara Fanahy izy (Bess no fanafohezan’ny Anglisy ny hoe Elizabeth). Nahoana no mbola malaza foana izy? Tena nisy fandrosoana be tokoa ve tamin’ny androny?
Olana maro
Teraka tamin’ny 1533 i Elizabeth Tudor, zanak’i Henri Faha-8. I Anne Boleyn no reniny, ilay vady faharoan’i Henri. Naniry mafy hahazo lahikely handimby azy anefa i Henri. Nasainy notapahin-doha i Anne tatỳ aoriana, nefa noho ny endrikendrika fotsiny no namonoany azy, araka ny filazan’ny olona maro. Vao roa taona monja i Elizabeth tamin’izay.
Efa nanapaka ny fifandraisany tamin’ny papa tany Roma i Henri, ary nanandra-tena ho filohan’ny Eglizy Anglikanina. Rehefa maty izy tamin’ny 1547, dia i Édouard Faha-6 zanany no nandimby azy. Niezaka hanova an’i Angletera ho Protestanta tanteraka ny mpanolo-tsain’i Édouard. Maty anefa i Édouard rehefa avy nanjaka enin-taona monja. I Marie I, rahavavin’i Elizabeth hafa reny taminy, no lasa mpanjaka, ary notereny hiverina ho Katolika ilay firenena. Tsy naharitra anefa ny fitondrany. * Lasa mpanjaka àry i Elizabeth tamin’ny 1558, tamin’izy 25 taona. Inona avy ireo olana natrehiny? Niady ireo fivavahana tao amin’ny taniny. Sahirana be ara-bola ilay firenena, ary tsy nanana faritany nofehezina tany Frantsa intsony. Fahavalo nahery be koa i Espaina.
Nanana mpanolo-tsaina nahay anefa i Elizabeth, ary nisy tamin’izy ireny niara-niasa taminy efa ho nandritra ireo 44 taona nanjakany. Ny olana ara-pivavahana aloha no nalaminy. Nifidy ny “hamerina ny Fanavaozana Protestanta [izy], sy ny hanorina Eglizy Anglikanina, izay sady tsy Katolika no tsy Protestanta hiringiriny”, hoy ny fanazavana ao amin’ny tranombakoka iray. Tsy nihambo ho filohan’io eglizy io izy, fa ho mpitondra azy io kosa, mba tsy hampahatezitra an’ireo tsy manaiky vehivavy ho filohan’ny eglizy. Nolanin’ny antenimiera avy eo ireo zavatra inoana sy fanaon’ny Eglizy Anglikanina, na dia nisy notazonina ihany aza ny fombafomba katolika. Tena tsy nahafaly ny ankamaroan’ny Katolika sy ny Puritains (Protestanta hiringiriny) izany.
Nampiasa saina an’i Elizabeth koa ny hoe ahoana no hahatonga an’ilay firenena hanaja azy sy tsy hivadika aminy, ka hanadino ny fitondrana jadon’i Marie I. Inona àry no nataony? Hoy i Christopher Haigh, mpahay tantara: “Toy ny Mpanjakavavy Virjiny izy rehefa nampihatra
fahefana, toy ny reny rehefa nifandray tamin’ny Eglizy, toy ny nenitoa rehefa niaraka tamin’ireo andriana, toy ny vehivavy be zizo rehefa teo anatrehan’ny mpanolo-tsainy, ary toy ny vehivavy mahay manangoly rehefa niaraka tamin’ireo tandapany.” Nomeny toky foana ny vahoakany hoe tena tiany izy ireo. Lasa tia azy koa izy ireo, na lasa nino fa tia azy koa, satria izany foana no naverimberiny tamin’izy ireo.Tian’ny antenimiera hanambady sy hiteraka i Elizabeth, mba ho Protestanta koa no handimby azy. Mody raiki-pitia àry izy rehefa nisy nangataka azy ho vady. Naharitra volana na taona maromaro ny resaka momba an’ilay fanambadiana vao nanapa-kevitra indray izy fa tsy hanambady, noho ny antony ara-politika. Toy izany foana no nataony isaky ny nisy nangataka azy.
Nisy koa nitetika ny hanongana azy, noho ilay safidy nataony teo amin’ny lafiny fivavahana. Anisan’izany i Marie Stuart, mpanjakavavin’i Ekosy, izay havany akaiky sady Katolika ary noheverin’ireo firenena katolika tany Eoropa fa nanan-jo handimby an’i Marie I. Voatery niala tsy ho mpanjakan’i Ekosy anefa i Marie Stuart tamin’ny 1568, ka nandositra nankany Angletera. Na dia nambenana tao amin’ny trano iray aza izy, dia nifandray taminy ireo Katolika te hanongana an’i Elizabeth. Tsy nety nanameloka azy ho faty anefa i Elizabeth. Namoaka didy ny Papa Pio Faha-5 tamin’ny 1570 fa tsy anisan’ny Eglizy Katolika intsony i Elizabeth, ka tsy tokony hankatò azy ny vahoakany. Nilaza mihitsy koa ny Papa Grégoire Faha-13 fa tsy fahotana ny manafika an’i Angletera sy ny manongana an’ilay mpanjakavavy. Nitetika ny hamono an’i Elizabeth àry i Anthony Babington. Tratra anefa izy, ary fantatra fa niray tsikombakomba taminy i Marie. Voatery nanapa-kevitra ny hamono an’i Marie ihany i Elizabeth tamin’ny 1587, noho ny fampirisihan’ny antenimiera. Tezitra ireo firenena katolika tany Eoropa, indrindra fa i Philippe II mpanjakan’i Espaina.
Ny fanafihan’i Philippe
I Philippe no mpanjaka nahery indrindra tany Eoropa tamin’izany. Tiany ho Katolika foana i Angletera, ka nangatahiny ho vady i Elizabeth rehefa lasa mpanjaka. Nanda anefa i Elizabeth. Nandroba sambo sy seranana espaniola nandritra ny taona maro koa ireo sambo anglisy, sady nanohintohina ny fitondran’i Espaina tany amin’ireo zanataniny. Mbola nanohana ny tolon’ireo Holandey nitaky fahaleovan-tena tamin’i Espaina koa i Elizabeth, ary nampamono an’i Marie. Izany no tena nahatezitra an’i Philippe ka nahatonga azy hitetika hanafika an’i Angletera. Nambosy azy koa ny papa. Te hampiasa ny Armada Espaniola (andian-tsambo mpiady nisy sambo 130 mahery) i Philippe. Tokony haka miaramila be dia be tany Holandy izy io, ary avy eo hiampita ny ranomasina La Manche. Fantatry ny mpitsikilo anglisy anefa ilay tetika. Nirahin’i Elizabeth àry Atoa Francis Drake mba ho any Cadix, seranan-tsambo espaniola. Nitondra sambo 30 izy, ka namotika sambo maromaro anisan’ny Armada. Afaka herintaona indray àry vao vonona ny Armada.
Efa vonona ny tafika an-dranomasina anglisy rehefa niainga ny Armada tamin’ny 1588. Notafihin’izy ireo ny Armada nefa afaka namakivaky ny La Manche ihany, ary niantsona tao Calais, seranan-tsambo frantsay. Nandefa sambo valo feno zavatra mora mipoaka sy mora mirehitra ny Anglisy ny alin’iny, ary nanapoaka izany teny akaikin’ny sambo espaniola. Nisahotaka ny Espaniola ka niparitaka ireo sambony. Niady mafy ihany izy ireo, nefa nisy rivotra avy tany atsimoandrefana nanosika an’ireo sambony nianavaratra nankany Ekosy. Naharendrika ny antsasak’ireo sambo ny oram-baratra teny akaikin’i Ekosy, sy ny morontsiraka andrefan’i Irlandy. Niverina tany Espaina àry ny sambo sisa nitsipozipozy.
Nisy ny fandrosoana
Tsy nanana zanatany i Angletera, tamin’i Elizabeth nanomboka nanjaka. I Espaina kosa nahazo harem-be avy tamin’ireo zanataniny tany Amerika Avaratra, Afovoany ary Atsimo. Mba te hahazo koa i Angletera. Nisy àry Anglisy nitety ranomasina mba hitady laza sy harena ary lalana vaovao hifandraisana tamin’i Chine sy Azia Atsinanana. Atoa Francis Drake no kapitenin-tsambo anglisy voalohany nitety an’izao tontolo izao. Norobainy ny harena nentin’ireo sambo espaniola tojo azy teny amin’ny morontsiraka andrefan’i Amerika Atsimo sy Avaratra. Nampitady zanatany tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Amerika Avaratra koa Atoa Walter Raleigh, mba tsy ho lasan’i Espaina daholo ireny. Nantsoiny hoe Virginie ilay zanatany azony, ho fanomezam-boninahitra ny Mpanjakavavy Virjiny. Tsy nahazo zanatany firy i Angletera tamin’izany, nefa mbola te hitady ihany. Lasa natoky tena ny tafika an-dranomasina anglisy rehefa resy ilay Armada nalaza ho “tsy mety resy.” Nanohana ny fifampiraharahana ara-barotra tamin’i Azia atsimoatsinanana koa i Elizabeth. Izany rehetra izany no nahatonga an’i Angletera ho lasa firenena matanjaka nifehy an’izao tontolo izao tatỳ aoriana. *
Nisy sekoly vaovao maro nosokafana tany Angletera mba hampirisihana ny olona hianatra. Lasa tia namaky boky ny olona, ary nandroso ny fanontam-pirinty. Tamin’izany ry William Shakespeare sy ny mpanoratra tantara an-tsehatra hafa no nalaza. Nirohotra nijery tantara tany amin’ireo teatra vaovao ny olona. Namorona tononkalo mampihetsi-po ireo poety, ary namorona mozika vaovao ireo mpamoron-kira. Nisy koa mpanakanto nahavita sary kelin’ny mpanjakavavy sy ny tandapany. Nanana Baiboly vaovao ireo fiangonana sy ny isan-tokantrano. Tsy naharitra anefa ilay fandrosoana.
Nipoitra indray ny olana
Nisy olana maro tamin’ireo taona faramparany nanjakan’i Elizabeth. Efa maty ireo mpanolo-tsaina natokisany, ka izay mpanolo-tsaina vitsivitsy nofidiny no nomeny tombontsoa manokana. Nahatonga an’ireo tao an-dapa hiady toerana izany, ary nisy mihitsy aza nikomy saingy tsy nahomby. Nifandrafy indray koa ireo fivavahana. Tsy nety nanatrika
fotoam-pivavahana notarihin’ny Protestanta mantsy ny Katolika, ka nenjehina. Nisy pretra sy lahika 200 teo ho eo àry novonoina ho faty. Nisy Puritains nogadraina sy novonoina koa. Nikomy tamin’i Angletera i Irlandy, ary nitohy ny ady tamin’i Espaina. Ratsy koa ny vokatra nandritra ny efa-taona nisesy, ka nihamaro ireo tsy an’asa sy mpirenireny, ary nirotaka ny olona satria lafo be ny sakafo. Nihalefy àry ny lazan’i Elizabeth. Tsy tian’ny Anglisy intsony izy.Nanjary tsy te ho velona intsony i Elizabeth. Maty izy ny 24 Martsa 1603, ary izy no farany tamin’ny tarana-mpanjaka Tudor. Gina ny vahoaka rehefa nahare ilay vaovao. Ny harivan’iny ihany anefa dia nandrehitra afo sy nanao fety teny an-dalana izy ireo, satria nahazo mpanjaka vaovao. Ela ny ela ka lehilahy indray no mpanjaka, dia i Jacques Faha-6 mpanjakan’i Ekosy. Zanak’i Marie Stuart izy sady Protestanta. Izy no lasa Jacques I, mpanjakan’i Angletera. Nahavita ny tsy vitan’i Elizabeth izy, dia ny nampiray an’i Ekosy sy Angletera ho eo ambany fahefan’ny mpanjaka tokana. Tsy ela anefa dia diso fanantenana ny Anglisy ka nanembona an’i Bess, Mpanjakavavy Tsara Fanahy.
Tena nisy fandrosoana tokoa ve tamin’izany?
Betsaka ny mpanoratra tantara fahiny nidera an’i Elizabeth. Nilaza, ohatra, i William Camden, taona vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Elizabeth, fa nisy fandrosoana be nandritra ny fanjakany, noho ny fampirisihany ny vahoakany. Tsy nisy nanohitra an’izany hevitra izany nandritra ny taonjato maro. Vao mainka aza nalaza i Elizabeth, taloha kelin’ny taona 1900, rehefa nisy nilaza fa ny zava-bitany no nahatonga ny Fanjakana Britanika hifehy ny ampahefatry ny tany.
Tsy manaiky an’izany anefa ny mpahay tantara sasany ankehitriny. Hoy ny boky iray mirakitra ny tantaran’i Grande-Bretagne: “Nalaza be i Elizabeth taorian’ny nahafatesany, nefa tsy tena araka ny zava-bitany akory ny lazany. Noho izy nanao fampielezan-kevitra, ..., ela velona, niara-niaina tamin’i Shakespeare sy naharesy ny Armada no nahavoafitaka antsika. Nanjary nanindrahindra azy isika rehetra ka nanadino fa navelany moramora ho lasa fanjakan’i Baroa i Angletera.” Nahoana àry no nidera azy fatratra ny mpahay tantara sasany? Hoy i Haigh: “Toy ny vaviantitra adala no fahitan’ny olona an’i Elizabeth tamin’ny 1603, ary tian’izy ireo raha Stuart no ho mpanjaka. Diso fanantenana tamin’ireo mpanjaka Stuart anefa ny olona tany amin’ny taona 1630, ka nanjary nihevitra fa i Elizabeth no mpanjaka tonga lafatra.”
Vehivavy niavaka tokoa i Elizabeth. Nahira-tsaina izy, ary nanana hazondamosina. Nahay nifandray tamin’ny vahoaka izy noho ny fanampian’ireo minisitra izay nanomana tsara ny kabariny, sy nifidy ny fotoana nisehoany tamin’ny vahoaka, ary nifidy ny akanjony sy ny tokony hanaovana ny sariny. Izany no nampahalaza azy sy ny fotoana nanjakany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Jereo ny hoe “Tsy Fileferana Ara-pivavahana—Niaiky ny Amin’izany Izy Ireo Ankehitriny”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Aprily 2000, pejy 20-22.
^ Jereo ilay efajoro hoe “John Dee sy ny Fanjakana Britanika.”
[Teny notsongaina, pejy 22]
“Nalaza be i Elizabeth taorian’ny nahafatesany, nefa tsy tena araka ny zava-bitany akory ny lazany”
[Efajoro/Sary, pejy 22]
JOHN DEE SY NY FANJAKANA BRITANIKA
Nilaza i Elizabeth fa i John Dee (1527-1608/1609) no filozofany. Nahay matematika sy jeografia ary astronomia izy io, ary tena liana tamin’ny fanandroana sy ny asan’ny maizina. Izy no nijery ny andro tokony hanaovana an’i Elizabeth ho mpanjaka. Nanandro tao an-dapa koa izy. Izy no nampahalaza ilay teny hoe “Fanjakana Britanika”, ka nampirisika an’i Elizabeth hihevi-tena ho mpanjakavavin’ny fanjakana iray hifehy an’ireo ranomasimbe sy zanatany vaovao. Nampiany ireo mpikaroka tany vaovao, indrindra fa ireo nikaroka lalana nianavaratratsinanana sy nianavaratrandrefana nankany Azia. Nankasitrahany koa ireo tetika hanjanahana an’i Amerika Avaratra.
[Sary nahazoan-dalana]
Photograph taken by courtesy of the British Museum
[Sary, pejy 20, 21]
A. Sambo anglisy nalefa teny amin’ny Armada Espaniola; B. Atoa Francis Drake; D. Mpanjakavavy Elizabeth; E. Ny teatra Globe; F. William Shakespeare
[Sary nahazoan-dalana]
A: From the book The History of Protestantism (Vol. III); B: ORONOZ; D: From the book Heroes of the Reformation; E: From the book The Comprehensive History of England (Vol. II); F: Encyclopædia Britannica/11th Edition (1911)
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
© The Bridgeman Art Library International