Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Mbola mino an’Andriamanitra ny Amerikanina, saingy tsy dia miraharaha azy intsony eo amin’ny fiainany andavanandro sy ny politika.”—NEWSWEEK, ETAZONIA.

“Miteraka olana vaovao ny krizy ara-bola eran-tany: Maro ny mpivady lasa tsy afaka misaraka, satria mandany vola be ny mikarakara fisaraham-panambadiana. Aleony àry miara-miaina ihany, na dia efa samy leo aza.”—THE WALL STREET JOURNAL, ETAZONIA.

Ny ampahatelon’ny reny nadinadinina tany Alemaina, no nilaza fa ampianarin’ny zanany vavy momba ny lamaody sy ny namana, na koa mba tsy ho sarotsarotiny sy mba hanana ny maha izy azy.—BERLINER MORGENPOST, ALEMAINA.

Tsy Mety Lefy

“Tsy mety lefy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana”, hoy ny gazety International Herald Tribune. ‘Efa 90 taona mantsy izay no tsy nisy intsony ilay gripa mahafaty atao hoe gripa espaniola, nefa mbola misy mpisetra miady amin’ny virosin’izy io ao amin’ny ran’ireo olona tsy matiny.’ Nanaovana fitiliana ny ran’ireo zokiolona tsy matin’io gripa io. Hita tamin’izany fa “mbola mivezivezy ao amin’ny rany ireo mpisetra miady amin’ilay aretina.” Nakan’ny mpikaroka ireo mpisetra ireo, ka nanamboarany vaksiny, ary natsindrony tamin’ny totozy maromaro nampidirana an’ilay virosy. Sitrana ireo totozy. Tena gaga ireo mpikaroka satria mbola matanjaka ilay mpisetra. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Isaorana ny Tompo satria nataony maharitra mandritra ny androm-piainantsika ny hery fiarovana! Vao mainka matanjaka ny vatantsika rehefa avy nosedraina.”

Fanontaniana ho An’Andriamanitra

“Nahoana no avelanao hisy ny fijaliana, raha tsara fanahy ianao?” Izany, hoy ny gazety soedoà Dagen, no anisan’ny fanontaniana voalohany tian’ny tanora soedoà hapetraka amin’Andriamanitra. Tian’izy ireo hanontaniana koa ireto, araka ny fanadihadiana iray: “Inona no antony iainantsika?”, “Inona no manjo ny maty?” Malaza ho tsy tia fivavahana ny Soedoà. ‘Mbola manitikitika ny sain’ny tanora anefa ireo fanontaniana ireo’, hoy ny fikambanana nanao ilay fanadihadiana.

Mampifankatia Kokoa Hoe?

Hoy ny mpikaroka: “Lehilahy sy vehivavy maro no nilaza fa sambatra am-panambadiana kokoa, rehefa lasa kilemaina. Niteny an’izany na tanora na antitra.” Marina fa kivy ny mpivady rehefa tsy afaka manao ny zavatra fanaony andavanandro intsony. Lasa mifankatia kokoa anefa izy ireo. Ny lehilahy zokiolona no tena milaza fa lasa mahafinaritra kokoa ny fiarahan’izy mivady. Hoy i Karen Roberto, filohan’ny Foibe Mandinika Momba ny Fahanterana any amin’ny Oniversiten’i Virginie, Etazonia: “Misy zava-baovao na zavatra fanampiny tsy maintsy ataon’ilay lehilahy mba hikarakarana ny vadiny. Lasa afaka miaraka bebe kokoa amin’ny vadiny sy mampahery azy àry izy, ka lasa tiany kokoa ny fiarahan’izy roa.”