Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diso ve Aho Raha mba Te Hanana ny Fiainako Manokana?

Diso ve Aho Raha mba Te Hanana ny Fiainako Manokana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Diso ve Aho Raha mba Te Hanana ny Fiainako Manokana?

Asio ✔ eo amin’izay mety ho valin-teninao amin’ireto manaraka ireto:

1. Mikatona ny efitranonao ary tonga dia miditra ny mpiray tam-po aminao, nefa tsy mandondòna.

‘Tsy mampaninona ahy izany. Izaho koa aza mba manao hoatr’izany!’

‘Tsy mahalala fomba mihitsy! Dia ahoana izao raha nisolo akanjo aho?’

2. Mandre anao mitelefaonina ny mamanao ary hita fa mihaino tsara an’izay rehetra resahinao amin’ny namanao.

‘Tsy mampaninona ahy izany. Tsy misy zavatra afeniko ange e!’

‘Tsy azoko mihitsy ny aiko fa hoatran’ny hoe tsikilovina ny fiainako!’

3. Vao miditra ao an-trano ianao dia totofan’ny ray aman-dreninao fanontaniana, toy ny hoe: “Taiza indray ianao? Inona no nataonao tany? Iza no niaraka taminao?”

‘Tsy mampaninona ahy izany. Efa zatra milaza amin’izy ireo ny zava-drehetra aho tsinona.’

‘Mahasosotra! Tsy matoky ahy mihitsy ny ray aman-dreniko!’

TSY dia tena olana taminao angamba raha fantatry ny olona ny fiainanao, tamin’ianao mbola kely. Tsy nampaninona anao, ohatra, raha tonga dia niditra tao an’efitranonao ny mpiray tam-po aminao. Namaly avy hatrany koa ianao rehefa nanontanian’ny ray aman-dreninao. Tsy nisy niafina mihitsy ny fiainanao. Mba te hanana ny fiainanao manokana anefa ianao izao. Hoy i Rivo, * 14 taona: “Tiako hohazonina ho ahy samirery ny zavatra sasany.”

Nahoana ianao no niova tampoka? Antony iray ny hoe mihalehibe ianao. Lasa menatra, ohatra, ianao na dia amin’ny fianakavianao aza, satria miova ny vatanao. Vao mainka koa lasa tsapanao fa mila misaintsaina lalina ianao, amin’izao ianao mihalehibe izao. Midika izany fa manomboka ‘mahay misaina’ ianao. Midera ny tanora manana an’io toetra io ny Baiboly. (Ohabolana 1:1, 4; Deoteronomia 32:29) Na i Jesosy aza nankany amin’ny “toerana mangina” mba hisaintsaina.—Matio 14:13.

Marina fa mbola fehezin’ny ray aman-dreninao ianao, ary manan-jo hahafantatra ny fiainanao izy ireo. (Efesianina 6:1) Izao anefa no mety ho olana: Te hanao zavatra samirery ianao satria mihalehibe, nefa izy ireo koa mila mahalala an’izay mitranga aminao. Inona àry no azonao atao? Andeha isika handinika lafin-javatra roa mety hampisy olana.

Rehefa te ho irery

Rariny tokoa raha te ho irery ianao matetika. Angamba ianao te ‘hiala sasatra kely.’ (Marka 6:31) Na koa ianao manaraka an’ity torohevitr’i Jesosy ho an’ny mpianany ity, rehefa te hivavaka: “Midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voakatonao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao.” (Matio 6:6; Marka 1:35) Mety tsy hieritreritra anefa ny ray aman-dreninao hoe tena mivavaka ianao rehefa mihidy irery ao an’efitranonao (raha manana ianao). Tsy azon’ny mpiray tam-po aminao koa hoe nahoana ianao no te ho irery.

Soso-kevitra. Aza miady fa izao atao:

● Mitadiava marimaritra iraisana amin’ny mpiray tam-po aminao, mba ho irery ianao indraindray. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao, raha ilaina izany.

● Ezaho fantarina ny fomba fihevitry ny ray aman-dreninao. Hoy i Riana, 16 taona: “Manara-maso ahy ny ray aman-dreniko indraindray. Fa raha izaho koa aloha no ray aman-dreny, dia izany no hataoko e! Sady efa iaraha-mahalala ny fakam-panahy mahazo ny tanora amin’izao.” Afaka manao toa an’i Riana ve ianao ka hamantatra an’izay tena mampanahy ny ray aman-dreninao?—Ohabolana 19:11.

● Mieritrereta amin’ny saina tsy miangatra hoe: ‘Ny ataoko ihany ve no mahatonga ny ray aman-dreniko tsy hatoky ahy rehefa mihidy ao an’efitranoko aho? Manafinafina be loatra ny fiainako ve aho ka lasa mitady fomba hitsikilovana an’izay ataoko izy ireo?’ Matetika ny ray aman-dreninao no tsy dia miahiahy anao, rehefa miresaka tsara aminy ianao. *

Izao atao: Soraty eto hoe inona no holazainao amin’ny ray aman-dreninao mba hanombohan-dresaka.

․․․․․

Rehefa hifidy namana

Ara-dalàna raha te hana-namana ianao rehefa mihalehibe. Ara-dalàna koa raha te hahafantatra an’ireo namanao sy izay ataonareo ny ray aman-dreninao. Izany no maha ray aman-dreny azy. Mihevitra anefa ianao fa miahiahy loatra anao izy ireo. Hoy i Feno, 16 taona: “Tiako raha mba tsy manontany ahy isaky ny mihetsika ny ray aman-dreniko hoe iza foana no iresahako amin’ny telefaonina sy andefasako e-mail.”

Soso-kevitra. Aza atao mampiady anao sy ny ray aman-dreninao ny resaka namana, fa izao atao:

● Aza afenimpenina hoe iza no namanao, ary ataovy mifankazatra amin’ny ray aman-dreninao izy ireo. Hanontanintany any ambadika any ny ray aman-dreninao, na dia tsy tianao aza izany, raha tsy fantany tsara ny namanao. Tadidio fa fantatry ny ray aman-dreninao hoe misy vokany lehibe eo aminao ny namanao. (1 Korintianina 15:33) Azo inoana fa tsy hanahy firy momba ny namana fidinao izy ireo, rehefa fantany hoe iza daholo no mpiaraka aminao.

● Resaho amim-panajana amin’ny ray aman-dreninao ilay izy. Aza lazaina hoe mpidikiditra amin’ny fiainan’olona izy ireo. Afaka miteny toy izao kosa ianao: “Sahirana be aho miresaka amin’ny namako satria tsapako hoe hoatran’ny fakafakainareo sy tsarainareo daholo izay resahinay.” Mety tsy hanontanintany be momba izay ataonao sy ny namanao ny ray aman-dreninao avy eo.—Ohabolana 16:23.

● Jereo amin’ny saina tsy miangatra hoe te hitokana tokoa ve ianao sa manafina zavatra. Hoy i Soa, 22 taona: “Raha mbola mipetraka ao an-tranon’ny ray aman-dreninao ianao ary misy mampiahiahy azy, dia tokony hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy misy antony hanafenako an’izay ataoko satria tsy manao ratsy aho.’ Hafahafa kosa ny zavatra ataonao matoa mila afenina.”

Izao atao: Soraty eto hoe inona no holazainao amin’ny ray aman-dreninao mba hanombohan-dresaka.

․․․․․

Vahaolana azonao eritreretina

Eritrereto hoe inona no azonao atao raha misy zavatra tianao hatao samirery.

Voalohany: Fantaro ilay izy.

Resaka inona eo amin’ny fiainanao no tsy tianao hidikidiran’ny olona?

․․․․․

Faharoa: Eritrereto izay heverin’ny ray aman-dreninao.

Inona no mety hampanahy azy ireo indrindra?

․․․․․

Fahatelo: Mitadiava vahaolana.

a) Eritrereto hoe inona no zavatra mety hataonao tsy nahy ka hahatonga olana, ary soraty eto ny iray, fara fahakeliny.

․․․․․

b) Inona no fanitsiana azonao atao?

․․․․․

d) Inona no tianao hataon’ny ray aman-dreninao mba handaminana an’ilay olana?

․․․․․

Fahefatra: Resaho ilay izy.

Mifidiana fotoana mety tsara ary resaho amin’ny ray aman-dreninao izay nosoratanao tetsy ambony.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 21 Raha mbola tsy matoky anao ihany ny ray aman-dreninao, dia resaho aminy izay tsapanao ary aoka ianao ho tony sy hanaja. Henoy tsara izy ireo ary diniho tsara sao misy zavatra ataonao mety hanampy trotraka an’ilay olana.—Jakoba 1:19.

ERITRERETO IZAO:

● Nahoana ny ray aman-dreninao no manan-jo hanadihady momba ny fiainanao?

● Raha miezaka mifampiresaka tsara amin’ny ray aman-dreninao ianao, nahoana izany no hanampy anao hahay hifampiresaka amin’ny olon-dehibe hafa, amin’ny hoavy?

[Efajoro/Sary, pejy 19]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Tsy mila mamaky ny e-mail na ny hafatra amin’ny findain’ny zanany ny ray aman-dreny mba hahalalana ny fiainan’izy ireo, raha miresaka tsara aminy ny zanany.

Tsy ho tezitra aho raha vakin’ny ray aman-dreniko ny e-mail-ko. Ny mpampiasa aza manan-jo hamaky ny e-mail-n’ny mpiasany, koa nahoana ny ray aman-dreny no tsy mahazo mamaky ny e-mail-n’ny zanany?

Matahotra ny ray aman-dreny sao hisy loza hanjo anao, ka hoatran’ny hoe midikiditra amin’ny fiainanao izy ireo indraindray. Hoatran’ny tsy rariny ilay izy, nefa tsoriko aloha fa izany koa no ho nataoko, raha ray aman-dreny aho.

[Sary]

Eden

Kevin

Alana

[Efajoro, pejy 21]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

● Mihidy ao an’efitranony ny zanakao. Tokony hiditra avy hatrany ve ianao fa tsy handondòna?

● Maika hianatra ny zanakao ka hadinony ny findainy. Tokony hitsikilo ny hafatra ao amin’ny findainy ve ianao?

Tsy mora ny mamaly an’ireo fanontaniana ireo. Manan-jo hahafantatra an’izay mitranga amin’ny zanakao ianao, ary tokony hiaro azy. Tsy ho afaka ny hanara-maso lava ny tsipirian’ny fiainan’ny zanakao koa anefa ianao. Ahoana àry no hahaizanao mandanjalanja?

Voalohany, ekeo fa tsy hoe manao ratsy foana ny zanakao matoa te hanana ny fiainany manokana. Matetika mantsy ny ankizy no tia manao zavatra samirery rehefa mihalehibe. Hanampy azy hahay ‘hampiasa ny sainy’ izany, rehefa hifidy namana sy hamaha olana izy. (Romanina 12:1, 2) Hanampy azy hanana fahaiza-misaina koa izany. Tena ilainy io toetra io raha te ho lasa olon-dehibe matotra izy. (1 Korintianina 13:11) Ho afaka hieritreritra tsara koa izy alohan’ny hamaliana fanontaniana sarotra momba ny finoany sy ny fitondran-tenany.—Ohabolana 15:28.

Faharoa, tadidio fa mety ho tezitra sy hikomy ny zanakao raha fehifehezinao loatra. (Efesianina 6:4; Kolosianina 3:21) Tsy midika izany hoe tsy tokony hanao na inona na inona ianao. Mbola ianao mantsy no ray aman-dreny. Ny hananan’ny zanakao feon’ny fieritreretana voaofana tsara kosa no tanjonao. (Deoteronomia 6:6, 7; Ohabolana 22:6) Raha ny marina, dia ny tari-dalana no mandaitra kokoa fa tsy ny fanaraha-maso.

Fahatelo, miresaha amin’ny zanakao ary henoy izay lazainy. Mety ho afaka handefitra ve ianao indraindray? (Filipianina 4:5) Ampahafantaro ny zanakao hoe havelanao hanao samirery ny zavatra sasany izy, raha mbola hita fa azo itokisana. Ataovy fantany tsara ny sazy hampiharinao aminy raha tsy mankatò izy, ary tena tanteraho izany raha ilaina. Matokia fa ho vitanao ny hamela ny zanakao hanao zavatra samirery tsindraindray, sady ho ray aman-dreny be fiahiana.

[Sary, pejy 20]

Toy ny karama ny fitokisan’ny ray aman-dreny. Mila manao zavatra ianao mba hahazoana izany